Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bitsika 10 Malaza Indrindra Amin'ny Teny Rosiana, Herinandro Faha-15 Anatin'ny Taona 2014

Top tweets in the Russian twittersphere. Images mixed by Kevin Rothrock.

Ireo bitsika malaza indrindra ao amin'ny tontolon'ny twitter Rosiana. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Manohy ireo andianà fironana vaovao ao anatin'ny tontolon'ny Twitter ny RuNet. Isaky ny faran'ny herinandro, hanangona ireo bitsika folo malaza indrindra amin'ny  teny Rosiana ny RuNet Echo ary mandamina azy ireo ho an'ny mpamaky ny Global Voices. Ny fantinay dia mifototra amin'ny kajin'ireo “bitsika tsara indrindra” an'ny Tjournal.ru, hita ary havaozina ara-potoana eto.

#10 — hanihany ara-pahitàna momba an'ilay mpitarika ny mpanohitra,  Vladimir Zhirinovsky, ilay  “faran'izay tsy laitra akisoka amin'ny resaka fitiavan-tanindrazana”,

Miteny mafy ny zavatra eritreretin'ny mpanjaka [mangingina] ilay jokera

#9 — Sarinteninà boky tohanan'ny vahoaka

Jereo, raha mangataka roubles zato any aminao i Mikhalych mba hividianany [vodka] iray tavoahangy, dia “start-up” (andrana) izany. Raha manelingelina izay mpandalo rehetra hitany kosa izy ka mangataka roubles zato any amin'ireo, izany no antsoina hoe “crowd-funding” (famatsian'ny vahoaka).

#8 — Vavaka iray avy amin’ i Ivan Ohlobystin, olona adala sady mpankahala ny mpifankatia mitovy fananahana

Andriamanitra anie hitahy ireo mpibaiko ny Alpha [hery Okrainiana manokana miady amin'ny mpampihorohoro], izay nisafidy ny hiakatra fitsarana, toy izay nampandriaka ny ràn'ireo tsy manan-tsiny! Laza ho an'ireo mpanavotra ireo!

#7 — bitsika Okraniana tsy fahita tanatin'io fangaro io, avy amin'ilay lehiben'ny tarika mpanao rock alternative malaza, Okean Elzy

Nanoratra ny hira voalohany tao anatin'ny 4-bolana aho androany! Tonga eto angamba ny lohataona:)

#6 — bitsika maneso avy aminà kaonty maka tahaka an'i Dmitry Kiselev

misy olom-pirenena iray tsy misy tànana avy ao amin'ny repobikan'i Kharkov miezaka manamboatra fitaratra novakian'ny Faritra Havanana. Tokony hajaina ny bandy tahaka izao.

#5 — Fanadihadiana nandritra ireo fahatsiarovana ny fisidinana voalohany indrindra nataon’ny olona tany an'habakabaka

Araka ny media, ireo zavatra lehibe indrindra vitan'i Putin taorian'ny 14 taona dia ny fandresena tamin'ny WWII (Ady lehibe faha 2) sy ny fisidinan'i Gagarin [ tany an'habakabaka].

#4 — Raha jerena avy amin'ireo ekipa mpilalao hokey mikotrana any an-toerana, dia efa sahady Rosiana i Krimea

Midina hatrany Krimea ny maizina…

#3 — Niteraka fanarabiana ny bitsiky ny Praiminisitra lefitra, Dmitry Rogozin, momba ny fizahàna ny Volana

Toa tsy hety ny fangalarana mihoatra noho izay nangalarina nandritra ny Olaimpika. Saingy avy eo dia nanolotra sosokevitra ny hanorenantsika fonenana maharitra eny amin'ny Volana i Rogozin.

#2 — hatsikana iray momba ny Windows, izay nofafan'ny tompony taty aoriana. (bitsika 1041 voatahirin'ny TJournal.)

Ребята, только не сильно ржите. Тетки на работе на полном серьезе связывают прекращение поддержки windows xp с санкциями сша против рф

O ry akama, aza mihomehy mafy loatra. Ireo vehivavy any am-piasana dia mihevitra tanteraka fa mifandray amin'ireo famaizan'i Etazonia an'i Rosia ny fanajanonan'ny Microsoft ny fanohanana ny Windows XP

#1 — Maneho hevitra momba ny lahateny mifono fiarovana ny toekarena nataon'i Putin i Funnyman @KermlinRussia

Nanafatra antsika ny hiomana amin'ny fanoloana ny fanafarana avy any ivelany i Vladimir Putin. Ireo olom-pirenena Rosiana tsy faly dia hosoloina hafa faly nafarana avy any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.