PetroPalestina: Fifandonana Hafa Eo Amin'ny Mpanohana Sy Ny Mpanohitra An'i Chavez Ao Venezoela

PuertoLaCruz

Toby famokarana solika ao Puerto La Cruz, Venezoela. Saripikan'ny mpisera Flickr Jumanji Solar. CC BY-NC-SA 2.0.

Taorian'ny fanambaran'ny governemanta Venezoelana ny fahavitan'ny fifanarahana handefasana solika (lasantsy) sy gazoala any Palestina, dia lasa lohahevitra nironan'ny besinimaro tao amin'ny Twitter nandritra ny faran'ny herinandron'ny 17 mey ny diezy #Petropalestina [es] was. Tamin'ny alalan'io marika io ny mpiserasera no niady hevitra ny lafiny ratsy sy ny fisalasalana ho an'ny ankilany, sy ny mahazava-dehibe ny fanampiana ny vahoaka Palestiniana ho an'ny andaniny, izay maneho mazava tsara fa misy fiantraikany araka ny hevitra asehony sy ny toerana ijoroany ny fifandroritana politika sy ny hamafin'ny toe-draharaha ao amin'ny firenena:

Ny ankilany maneho fisalasalana sy ny tombontsoa azo avy amin'ny fifanarahana:

Rehefa manao fifanarahana tsy ahazoan'ny firenena tombontsoa [ ny filoha] Nicolas Maduro, dia miharatsy ny toekarena. Inona no azontsika amin'ny PetroPalestina? Tsy mazava amiko.

Gaetano Coccorese sy Angel Cabellos mampiasa sary mampiseho izay heverin-dry zareo ho fifanakalozana ara-barotra tsy mifandanja. 

Diagraman'ny fifanarahana PetroPalestina ho an'ny dondrona, ATO.

Nanao fifanarahana ara-tsolika tamin'i Kioba? i Venezoela? ary mahafantatra isika rehetra hoe iza no nahazo tombony. Ankehitriny ho hitantsika hoe izay indray no hahazo tombony amin'ny PetroPalestina

Nanangana ny “PetroPalestina” ankehitriny ny governemanta, saingy mbola mitady PetroLafarinina, PetroRonono, PetroSiramamy ary PetroFilaminana aho hatramin'izao.

Mikatona amin'izao fotoana izao ny GM, manafoana zotra maro ao aminy ny Alitalia sy ny Lufthansa… saingy teraka ny PetroPalestina!!

Mandritra izany fotoana izany, tsy gaga amin'ny fihetseham-pon'ny olona ny mpanohana ny governemanta:

Mazava loatra fa miezaka ny manasoketa ny PetroPalestina ny fitondram-panjakana Obama… Manohitra ny Fanjakazakany sy ny Zeostrateziany ilay izy. HAHAHA

Mitovy amin'izany ihany, misy sasantsasany maneho ny fanafintohinany amin'ny fanoherana ilay fifanarahana:

Ny fahitana ny zavatra lazain'ny vondron'olona anti-Chavez amin'ny diezy PetroPalestina no ahafantarana fa TSY MAHALALA NA INONA NA INONA amin'ny fahorian'ny vahoaka Palestiniana ry zareo.

Izay novalian'i @ArellanoCFC:

@lubrio Dia ahoana? Andao hitomany ho an'i Palestina? isika ary tsy manana etona akory eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.