Tantara tamin'ny 25 Mey 2014
GV Face: Ny Vahoaka No Herin'ny Vonjitaitra Noho Ny Tondradrano Ao Serbia

Niresaka tamin' ireo namantsika any Serbia isika tamin'ity herinandro ity mikasika ny ezaka fifanampiana. Inona ary ny dingana manaraka ho an'ny mponina sy ny governemanta? Ary nahoana no mitebiteby ny amin'ny fandrahonana mahazo azy ny haino aman-jery sosialy?
Mpiady Amin'ny Fiovan'ny Toetr'Andro Ao Amin'ny Firenena Nosy Kiribati
Nandritra ny fotoana naha-mpikatroka mafàna fo ahy tamin'ny ady atao amin'ny fiovan'ny toetr'andro, dia efa noraisina ho ohatry ny nosy amin'ny faritra ambanin'i Pasifika iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro foana i Kiribati.
Tselika Saingy Imasom-bahoaka, Vehivavy Iraniana Manala Ny Voaliny Ety Anaty Aterineto
Vehivavy Iraniana an'arivony no nizara ny sariny tsy misarom-boaly ho hetsika fanoherana rehefa noterena hisaron-doha nandritra am-polo taona maro.
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
PetroPalestina: Fifandonana Hafa Eo Amin'ny Mpanohana Sy Ny Mpanohitra An'i Chavez Ao Venezoela
"Inona ny tombony azontsika amin'ny PetroPalestine?", Hoy ny fanontanian'ny Venezoelana any amin'ny media sosialy rehefa nanambara ny fifanarahana handefa solika sy gazoala any Palestina ny governemanta.