
Mpisera Twitter @ifreddy93 naneho ny fihetseham-pony tamin'ity sary ity raha nandre ny vaovao fa voaheloka telo taona noho ny fanaovana kolikoly i Mubarak
Voaheloka telo taona noho ny fanaovana kolikoly ny filohan'i Ejipta teo aloha Hosni Mubarak androany (21 Mey 2014), rehefa hita fa meloka amin'ny fanodikodinana volam-panjakana an-tapitrisany ho fanavaozana ny tranom-pianakaviany. Nazoto nandray kitendry ny mpiserasera hilaza ny hafaliany tamin'ny nandrenesana ny didim-pitsarana ka nampiasa ny diezy #مبارك_طلع_حرامي [ar] izay midika hoe ‘Hita fa mpangalatra izany i Mubarak’.
Voaheloka niaraka taminy ihany koa ny zanak'i Mubarak mirahalahy, Alaa sy Gamal, izay voafelaky ny famonjana efa-taona tsirairay avy, tamin'ny famindrana ny volam-panjakana natao hanavaozana ny lapam-panjakana, kanefa lasa nampiasaina hikarakaran-dry zareo ny trano fonenan'ny fianakavian'izy ireo manokana.
Mitovy amin'ny maro amin'ny Ejipsiana i Rana raha nanontany tena hoe fa maninona no maivana ny sazy nomena an'i Mubarak sy ny zanany. Nisioka [ar] izy :
في ناس وخدا إعدام علشان كانت بتتظاهر ضد الإنقلاب ومبارك واخد ٣ سنين #شامخ #مبارك_طلع_حرامي
— Rana (@RAbssia) May 21, 2014
Raha misy ny olona sasantsasany voaheloka ho faty noho ny fanoherany ny fanonganam-panjakana, dia voaheloka telo taona monja i Mubarak
Tsy ankasitrahan'i Alfred Raouf ihany koa ny fahamaivanan'ny didy. Niresaka ny didim-pitsarana nivoaka vao haingana natao tamin'ilay mpikatroka Mahienoor ElMasry higadra roa taona izy, noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketseha-panoherana iray.
بالذمة إحنا اللي عايزين نسقط الدولة والدولة اللي بتوقع نفسها بالظلم؟ ماهينور تهتف تاخد سنتين، مبارك يسرق 18 مليون دولار ياخد 3 سنين! #أحا
— Alfred Raouf (@Kemety) May 21, 2014
Mieritreritra tokoa ve isika fa ho afa-manongam-panjakana ary hiongana ho azy amin'ny tsy rariny mihamitombo ataony ny fanjakana? Nahazo roa taona i Mahienoor noho ny fitabatabana nataony ary nangalatra 18 tapitrisa dolara Amerikana i Mubarak ary nahazo telo taona!
Nanampy i Salamonty:
#مبارك_طلع_حرامي طلع !! يا ولاد الوسخة ده السبب ف جهل ٣ اجيال و فقر ومرض ملايين الناس لسرقة خير البلد هو وكل كلابه ده غي قتل شباب يناير
— العُمدَة (@Salamonty_) May 21, 2014
[Mubarak] no mahatonga ny taranaka telo mifandimby tsy hahay mamaky teny sy manoratra sy ny fahantrana sy ny fahalemen'ireo vahoaka an-tapitrisany satria nangalariny sy ny alikany ny harem-pirenena – ankoatra ny famonoana ny tanora tamin'ny revolisionan'ny janoary
Nanamarika i Shohdy:
مش فرحان ان #مبارك_طلع_حرامي لأن ده معروف بدرجة اليقين .. كان نفسي بس أشوف #مبارك_طلع_قاتل منهم لله اللي كانوا السبب في إخفاء كل الأدلة
— معنديش صحة أتناقش (@AShohdy67) May 21, 2014
Tsy mahafa-po ahy ny fanamelohana an'i Mubarak ho mpangalatra satria efa fantatra izany. Nanantena aho hoe voaheloka ho namono olona izy
Saingy nitsinjaka i Raafat Rohaiem:
شوف الزمن يا مؤمن، مبارك اتحبس بطقم سيراميكا الجوهرة ودستة حنفيات ومفرش سرير
— رأفت رُحَيّم (@Raafatology) May 21, 2014
Miodina ny kodiaran'ny fiainana. Voaheloka higadra noho ny kojakoja fihinanana, paompy ampolony ary firakofana i Mubarak
Manantena i Amani Mahgoub fa hahatapaka tarangana ny hetahetan'ny zanak'i Mubarak hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena any Ejipta rahatrizay izao didim-pitsarana izao. Manam-panontaniana manindry azy mafy ihany koa izy:
كده #مبارك الحرامي وولاده بقوا سوابق وعندهم جريمه مخله بالشرف ومش هاينفع حد فيهم يترشح للرئاسه؛ هايتعمل له جنازه عسكريه؟ #مبارك_طلع_حرامي
— Amani Mahgoub (@Amani207) May 21, 2014
Ankehitriny moa dia mpangalatra i Mubarak ary tafiditra amin'ny raharaham-pamonoana olona ireo zananilay, tsy ara-mirotsaka ho filoham-pirenena ry zareo. Fa hahazo ny fandevenana ara-miaramila ve i [Mubarak] ?
Tsy fantatra moa raha tena hampidirina any am-ponja i Mubarak na handany ny androny any amin'ny hopitaly miaramila, izay “tsy ahazoany mivoaka ny trano” amin'izao fotoana izao hatramin'ny nanatontosa ny fitsarana azy indray noho ny fihoara-pahefana sy ny anjara toerany tamin'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisionan'ny 25 janoary izay nampiala azy teo amin'ny fitondrana naharitra 32 taona.