- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

LAHATSARY : Ny Taona Rehetra Manan-tantara Mikasika An'i Azia Atsimo Atsinanana Ao Anatin'ny Tahirin'i Pathé Britanika

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Indonezia, Kambodza, Laos, Malezia, Myanmar (Birmania), Singapaoro, Thailandy, Vietnam, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Tsidika

British Pathé, orinasa iray miandraikitra ny resaka fampahalalam-baovao izay namokatra horonantsary nanomboka tamin'ny taona 1910 ka hatramin'ny 1970 tao Angletera, dia nampiditra [1] lahatsarim-baovao miisa 80,000 mitahiry ny tantara ao amin'ny fantsona YouTube. Nahitana lahatsary maromaro koa ny tahiry rehetra [2] tao izay mampiseho ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Maro amin'ireo horonantsary ireo no vakoka manan-danja izay mampianatra antsika zavatra maro mikasika ny zava-nitranga vao haingana tao amin'io faritra io, eny na ny ankehitriny aza. Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo lahatsary mahaliana hitantsika ao amin'ny tahirin'i [3] Pathé Britanika:

1. Fidirana an-keriny tao Laos [4] tamin'ny taona 1953.

2. Manila nalain’ [5]ny Tafika Miara-dia tamin'ny taona 1945. Taorian'ny ady, Manila no tanàna faharoa potika indrindra taorian'i Varsovie.

3. Fetiben'ny rano tao Burma [6] (Myanmar) tamin'ny taona 1946. Toa heno toy ny taloha ery ny feon'ny rano mitobatobaka sy mahafinaritra ankehitriny.

4. Ny fankalazana ny Fahaleovantenan [7]‘i Indonezia tamin'ny taona 1945.

5. Firotsahana an-dalam-ben’ [8]ny mponina tao Bangkok tamin'ny taona 1940. Raha oharina amin'ny fidinana an-dalam-be sasany amin'izao fotoana izao, dia toa nandeha am-pitoniana sy am-pilaminana ny firotsahana an-dalam-be hita ao anatin'io lahatsary io.

6. Fianarana iray tao Hanoi [9], Vietnam tamin'ny taona 1973. Jereo any amin'ny faramparan'ity lahatsary ity ireo toerana fierena ny daroka baomba.

7. Taombaovao [10] tao Vietnam tamin'ny taona 1949

8. Kambodza [11] tamin'ny taona 1969.

9. Fifidianana [12] tao Singapore tamin'ny taona 1950. Taorian'ny taona 1959, antoko iray ihany no nanjakazaka tamin'ny fifidianana tao Singapore, dia ny antoko noforonin'i Lee Kuan Yew.

10. Tondradrano [13] tao Manila tamin'ny taona 1960. Mbola olana lehibe ao Manila ankehitriny io tondradrano io.

11. Kuala Lumpur [14], Malezia tamin'ny taona 1950.