Minitra Farany Hiainan'ny Twitter Ao Rosia

Time may be up for Twitter's independence in Russia? Images mixed by author.

Tonga ve ny fotoana ho amin'ny fahaleovantenan'i Twitter ao Rosia? Sary namboarin'ny mpanoratra.

Nandrahona tale lefitry ny sampan-draharaha voalohany misahana ny sivana ao Rosia, Roscomnadzor, fa azon'ny governemanta sakanana manontolo ao anatin'ny minitra vitsivitsy ny Twitter na ny Facebook. Maxim Ksenzov niteny tamin'ny gazety Izvestia fa ny Twitter dia “fitaovana manerantany hampiroboroboana ny vaovao politika,” mampihevitra fa nentina iasana ho amin'ny tombontsoa ara-jeografia politikan'i Etazonia izay mety hampidi-doza an'i Rosia. Manana mpisera mihoatra ny 200 tapitrisa ny Twitter amin'izao fotoana izao, ka mihoatra ny 1 tapitrisa ny ao Rosia. Manana mpiserasera mihoatra ny 1,3 miliara ny Facebook ankehitriny ka 21,4 tapitrisa no any Rosia.

Ora maromaro taorian'ny namoahan'i Ksenzov ny fanamarihany, namboraka ny tao an-tsainy, tamin'ny alalan'ny Facebook, ny Praiminisitra Rosiana Dmitri Medvedev fa “mila misoka-tsaina ihany koa indraindray ny manampahefana” fa tsy “manambara anaty antsafa ny fanakatonana tambajotra sosialy.” Nahazo “like” nihoatra ny 5000 ny lahatsoratr'i Medvedev.” Fotoana fohy taorian'izany, navadiky ny Roscomnadzor ny fanambarana teo aloha ary nohazavainy fa hevitr'i Ksenzov iny nambarany iny, fa tsy filazana ofisialy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana. Nanambara tamin'ny Izvestia, taorian'izany, ny sekreteran'i Vladimir Putin misahana ny famoaham-baovao, Dmitri Peskov, fa “tsy azo ekena izany manenjika famoaham-baovao arahin'ny maro na tambajotra sosialy izany”, saingy nohitrikitrihany ny ilàna ny hanoavan'ny haba-tranonkala vahiny lalàna Rosiana. 

Dmitri Medvedev lashes out at state officials who make announcements about closing whole social networks. May 16, 2014, Facebook.

Novelesin'i Dmitri Medvedev ireo manampahahefam-panjakana izay nanao fanambarana ny hanakatonana ireo tambajotra serasera. 16 May 2014, Facebook.

Taorian'ny fanafintohinana momba ilay antsafa, niezaka nandambolambo ny filazan-kevitr'i Ksenzov i Vadim Dengin, depiote ao amin'ny Duma izay filohan'ny komity mpandrafi-dalàna momba ny fampahalalam-baovao, tamin'ny filazana fa tsy nandrahona ny hanakatona ny Twitter iny fa filàna ny tsy tokony hananan'ny haba-tranonkala solontena ara-dalàna ao Rosia. Tsy manana mpiasa na fotodrafitrasa ao Rosia ny Twitter amin'izao fotoana izao, ka sarotra ho an'ny governemanta ny manao fangatahana amin'ny orinasa. Navoitran'i Ksenzov io teboka farany io nandritra ny antsafa nifanaovana taminy, nanazavàny fa Google no goavan'ny aterineto avy ao Etazonia ahazoana miara-miasa indrindra, ary arahin'ny Facebook izay manaja ny fitsipika ihany tsindraindrai. Twitter, kosa etsy andanin'izany, “mitsipaka ankitsirano ny famafàna amin'ny ankamaroany ireo fampahafantarana tsy ara-dalàna,” hoy ny fitarainan'i Ksenzov.

Nohamaivanin'ny mpanoratra an-gazetin'i TJournal, Nikita Likhachev, ny tsikera ampahibemaso nataon'i Medvedev tamin'i Ksenzov, tamin'ny fandresen-dahatra fa tsy mararirary amin'ny fizorana mankany amin'ny fanivanana ny aterineto mafimafy kokoa ny Praiminisitra, fa “namelaka ampahibemaso” ilay mpiasam-panjakana izy noho ny firesahany izany ampahibemaso. Araka ny hevitr'i Likhachev, maro amin'ny Rosiana mpisera aterineto no diso fandray ny valintenin'i Medvedev ho fihaikana ny .

Azo heverina ve izany hoe filohan'ny firenena teo aloha sady bilaogera izany dia hanaiky an'i Rosia tsy hisy ny tambajotra sosialy malaza indrindra manerantany? Inona no holazain'ny mpitarika ny indostria ao amin'ny firenena ?

Tranonkala momba ny teknolojia Hopes & Fears niresaka tamin'ny mpandraharaha Rosiana amin'ny aterineto manana ny lazany momba ny mety tsy hahazoana miditra intsony amin'ny Twitter sy Facebook. Amin'ireo vondron'olona ireo, dia i Aleksandr Vinokurov irery ihany, izay tompon'ny vavahadin-tserasera anti-Kremlin maromaro (ka ao anatin'izany ny TV Rain mety ho tratran'ny fikatonana), no hita ho tena manahy fa hijaly ny RuNet raha tsy misy ny tambajotra sosialy Amerikana. Araka ilay Alemana Klimenko ao amin'ny LiveInternet, mety mahatsara ny haba-tranonkala Rosiana aza ny fandrarana ny servisy vahiny. Nilaza ny fanta-dazan'ny indostria hafa fa mbola avy amin'ny tambajotra sosialy rosiana, Vkontakte sy Odnoklassniki, ny ankamaroan'ny dian-jotran-tserasera ao amin-dry zareo. Mandritra izany fotoana izany i Denis Kriuchkov, ao amin'ny Habrahabr, dia matoky fa hahavita karazana fifanarahana amin'ny governemanta ny Facebook sy ny Twitter, hanaiky hanao sivana mangingina, mba hahazoana miditra amin'ny tsena rosiana.

Ny lahatsoratra Facebook an'i Medvedev, ny fanampim-panazavan'ny Roscomnadzor, ary ny fampitonian'i Peskov dia samy mampirona avokoa fa tsy hanapaka ny fahazoana miditra amin'ny twitter na Facebook i Rosia. Tsy ho ao anatin'ny minitra vitsivitsy ihany koa izany aloha. Mbola manana fotoana hanantenana hiriariavana tsy amin'ahiahy ao Rosia ny tambajotra Amerikanina, ary mandritra izany fotoana izany i Kremlin no hiandry ny orinasa vahiny hanorina birao ao amin'ny faritra sy hanokatra ny fifampiresahina amin'ireo mpiasan'ny fanjakana mpanao sivana. Ao anatin'izay fanjohin-kevitra izay ny Twitter sy ny Facebook no hanaiky, raha hanome lanja ny fandraharahany ao Rosia.

Raha fehezina, manamby i Kremlin fa ny tombontsoa no ambony noho ny filamatra rehefa ny Internet no resahina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.