Tratra Aoriana Momba ny Fifandirana Amin'i Vietnam Ny Web Shinoa Noho Ny Nataon'ny Mpanao Sivana

Location of  the Paracels. Screen capture from Google map.

Toerana misy ny vondronosy Paracels. pikantsary avy amin'ny Google Maps.

Voalaza fa nifandona matetika ny sambo Shinoa sy Vietnamiana tao anatin'ny tapabolana, ary izany dia ao anatin'ny sisindranomasina iadiana ao amin'ny Riakan'i Shina Atsimo izay ikasan'i Shina ametrahana fantso-tsolika [fitrandrahana solika] na dia misy aza ny tsy faneken'i Vietnam. 

Indro ny lahatsarin'ny fifandonan-tsambo avy amin'ny fijerin'i Vietnam.

Nangotraka ny fifandonana tamin'ny 14 Mey 2014 tao Vietnam rehefa nivadika nandroba sy nandoro orinasa vahiny heverin-dry zareo ho Shinoa ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Shinoa, na dia maro amin'izy ireo aza no Taiwaney na Koreana Tatsimo. Farafahakeliny dia 21 no maty ary manakaiky ny 100 no naratra. Maro amin'ny teratany Shinoa no nandositra tany amin'ny firenena manodidina toa an'i Kambodza na firenena hafa ao amin'ny renim-paritra. 

Nandritra ny fifandirana, dia mikiry hatrany i Shina milaza amin'ny fampitam-baovao iraisampirenena fa izy ho manana ny fiandrianam-pirenena amin'ny vondronosy Paracels.

Fa inona no noeritreretin'ny vahoaka Shinoa? Araka ny navoitran'ilay bilaogera avy ao amin'ny “Resadresaka Ranomasina Atsimo” fa tsy misy any Shina ny adihevitra an-tserasera momba ny adim-pametrahana fantso-tsolika, ary tena zava-marina tsy azo lavina ny fanapenam-bava [sivana]. Ankoatra izany, Na dia efa notafihan'ny Vietnamiana mpanao fihetsiketsehana aza ny orinasa Shinoa, dia mbola mandefa ny baiko ihany ny manampahefana momba ny propagandy tsy hitateran'ny fampitam-baovao ao an-toerana ny momba azy ireny.

Nesorina ny baiko rehefa vaky ny vaovao. Fa mbola narindran'ny Shinoa mpanao sivana an'aterineto akaiky hatrany ny adihevitra an-tserasera. Maro ireo Shinoa no nitaraina fa voafafa haingana dia haingana ny fanehoan-kevitr'izy ireo ao amin'ny habaka fibilaogevana hafatra fohy dia fohy,. Sina Weibo.

Amin'ireo fanehoan-kevitra tsy voafafa, dia mampahatsiahy ny nasionalisma masiaka ny sasany, raha miantso fampieritreretana kosa ny hafa. Ny fanehoan-kevitra eto ambany dia nofantenana avy amin'ny randram-baovao be mpanaraka indrindra ao amin'ny Weibo momba ny fihetsiketsehana maherisetra tao Vietnam.

Misy ireo manana fomba fiteny nasionalista:

平凡的铁人:看了痛心,都好几天了,中国,你什么时候不受欺负?!

pyzlb: Mahavaky fo ny zavamisy. Naharitra firy andro io? Shina, rahoviana ianao no tsy ho ampitahorina?!

佑冠:越南,我去过多次,一个白眼狼国家,骨子里反华的民族,首先断了贸易和对越投资,大家不要到越南旅游了。我们政府态度要强硬和具体对策。

You Guan: Efa nitsidika imbetsaka an'i Vietnam aho. Amboadia fotsy io firenena io. Tsy tia Shinoa hatrany amin'ny tsokam-panaviny ireo. Tokony hotapahina ny varotra sy ny fampiasam-bola any. Aza mitsangatsangana any Vietnam. Mila mafimafy kokoa ny governemantatsika ary hamoaka politika azo tsapain-tanana.

钟离逸空0:趁这个机会把越南裁撤了,重新设立我们安南省。让安南回到我们中华名族的大怀抱

“Lakolosy tsy maneno”: Araraoty hakàna an'i Vietnam sy hananganana indray ny faritany An Nam. Andao horaisina ato amin'ny firenena Shinoa indray ny faritany An Nam.

高高的洛基山:中国再不派兵去镇压恐怕又是第二个印尼大屠杀的悲剧呀!越南区位优势不错,正好一举收复!看哪个敢不服!

“Havoana Vatovatoina Avo”: Raha tsy mandefa andia-tafika handrava [ireny fihetsiketsehana mahery vaika ireny] i Shina, dia hivadika voina mahatsiravina tahaka ny Famonoana faobe tany Indonezia! [manondro ny rotaka namelezana ny Shinoa tamin'ny 1998 tany amin'ny tanàna lehibe tany Indonezia]. Raha arajeografia dia toerana stratejika i Vietnam. Tsara alaina indray dia jerena hoe iza no sahy hanohitra.

Misy ihany koa ny fanehoan-kevitra voalanjalanja:

究愿:必须反思,中国人都做了什么让别人有这么强烈的反抗

Jiu Yuan: Mila mieritreritra isika. Fa inona ny nataon'ny Shinoa nahatonga azy ho tratran'izao fihetsika maherivaika izao?

袋鼠阿公:中国人,一边说越南人怎么野蛮,怎么打砸中国人在越南的设施,但想想就在一年多前,中国人也是见日本的东西就砸!其实砸了日本车是中国人血汗钱买的,烧的日国也是中国经销商的,这其实就是烧钱的愚昧的行为!

Kangaroo Antitra: Tsy mitsaha-miteny ny Shinoa fa olon-dia ny Vietnamiana amin'ny fandravana ny fananan'ny Shinoa any Vietnam. Fa herintaona lasa izay, namotika ny entambarotra Japoney ihany koa ny vahoaka Shinoa. Ireny fiara Japoney ireny dia novidian'ny Shinoa tamin'ny hatsembohany sy ny rany. Namidin'ny orinasa Shinoa ireny entambarotra Japoney nodorana ireny. Hamaivanan-doha ireny fihetsika ireny.

骑毛驴儿走长安街:官烂民怨,到处排挤,当年的好兄弟现在反目,下一个就是朝鲜

“Mitondra Ampondra Amin'ny Lalana Chang An”: Voakolikoly ny manampahefana ao amin'ny governemanta ary tezitra ny vahoaka. Manao ankivy [amin'i Shina] ny firenenkafa. Lasa mifandramatra ny mpirahalahy mifankatia [Shina sy Vietnam], mety ho Korea Avaratra indray ny manaraka…

草根记者陳曉昇:墙内人永远都不会知道事实的真相,我相信越南人民不会无风不起浪的!

“Mpitatitra Avy Any Ampotony Chen Xiaosheng”: Tsy hahalala ny marina ireo miaina any ambadiky ny Rindrin'afo Lehibe. Tsy mino aho fa afa-mamafy tadio lehibe tahaka izao tsy misy rivotra [midika ho ny fananiham-bohitra masiaka ataon'i Shina any amin'ny Ranomasina Atsimon'i Shina] ny Vietnamiana.

齐桓公DE桓:为什么我们那么多敌人?

“Mpanjaka Qi Huan”: Fa ahoana isika no maro fahavalo tokoa?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.