- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Ho Famotsorana Ny Blaogeran'ny Zone 9 ao Ethiopia

Sokajy: Etiopia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Face


Blaogera sy mpanoratra gazety sivy — mpikambana Global Voices ny efatra amin'izy ireo — ankehitriny no voafonja noho ny asany ao Ethiopia. Iza mora ireo blaogeran'ny Zone 9 ? Inona no azon'ny mpanohana atao ho amin'ny famotsorana azy ireo? Amin'ity andiany GV Face ity izahay dia miresaka amin'ny blaogera Ethiopiana sy mpikambana ao amin'ny Zone 9 antsoina hoe Endalk, miaraka amin'ny sakaizan'ny “PEN America Freedom to Write” [PEN Amerika, Fahalalahana Hanoratra], Deji Olukotun, sy amin'ny tonian-dahatsoratry ny Advox, Ellery Biddle, momba ity raharaha lehibe ity.

Fantaro bebe kokoa ity tantara ity

Ethiopia: Mangataka Fanalava-Potoana Hanohizana Ny Famotorana Ireo Bilaogeran'ny Zone 9 Ny Polisy [mg] [1], 14 May 2014

Nahoana no Mampatahotra Governemanta Ethiopiana ny mibilaogy [2] 10 May 2014

Mpisolovava Miangavy ny Vaomiera Afrikana, ny Ekspera Firenena Mikambana Hiditra an-tsehatra amin'ny raharaha Bilaogera Zone 9 [3] 3 May 2014

FANAMBARANA: Miantso Ho Amin'ny Famotsorana Ny Mpanoratra Gazety Sivy Ao Ethiopia Ny Global Voices [4][mg], 2 May 2014

Netizen Report: Famoretana ny Fahalalaham-Pitenenana ao Ethiopia [5], 30 Avrily 2014

Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Ethiopia  [6] [mg], April 25, 2014