Mpanao Lalàna Avy Amin'ny Malayziana Mpanohitra Voampanga Ho Manao Asam-Panakorontanana Amin'ny Video YouTube

Voampanga ho manakorotam-panjakana ny Malayziana politisianina iray tamin'ny famoahany lahatsary iray amin'ny YouTube.

Depiote federaly i Teresa Kok ary filoha-lefitry ny Antoko Hetsika Demaokratika (DAP), iray amin'ny antoko mandrafitra ny vondron'ny mpanohitra federaly. Voampanga ho mandika ny lalàna amin'ny fanaovana asam-panakorontanana, nivoaka nandritra ny lalàm-panjanahantany izay mety hampigadra telo taona izy.

Teresa Kok

Teresa Kok

Ny lahatsary voalaza moa dia mitondra ny lohateny hoe ‘Onederful Malaysia’ (any amin'ny faran'ity lahatsoratra ity) izay nivoaka tao amin'ny YouTube izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny Taombaovao manara-bolana tao Malaysia, ary novelabelarina ho esoeso politika manala azy amin'ny governemanta..

Tsy niaiky ny helony i Teresa Kok ary nivoady fa hiady amin'ny vesatra nataon'ny governemanta taminy:

Anyone who has seen my video will know that it is merely a political satire where the issues and jokes raised by the actor and actress are in jest and they were topics of discussion by ordinary people in the country.

Prosecuting me over a simple political satire not only shows how hollow and insincere is the Prime Minister‘s promise to repeal the Sedition Act, it also shows how political darkness has now returned to this nation after the last general election.

I will fight this heinous charge to the end. I have not committed any crime and I shall be proven innocent in court.

Izay rehetra nahita ny video dia hahalala fa zara raha misy esoeso politika ao anatiny ary ny lohahevitra sy ny hatsikana noventesin'ny mpiantsehatra tao dia “in jest” ary misy lohahevitra firesadresaky ny olon-tsotra eto amin'ny firenena ao.

Ny fitsarana ahy amin'ny esoeso politika tsotra dia mampiseho tsy ny tsy fahadiovam-po sy ny tsy fahazavan-tsain'ny praiminisitra ihany tamin'ny fampanantenany hanaisotra ny lalàna momba ny asam-panakorontanana ihany, fa mampiseho ihany koa ny fiverenan'ny politika maizina taorian'ny fifidianana ankapobeny natao farany teo.

Hiady amin'io vesa-pankahalana io hatramin'ny farany aho. Tsy nisy heloka nataoko ary ho voaporofo fa tsy manantsiny aho eo amin'ny fitsarana.

Nahazo fanohanana avy amin'ny mpiara-miasa aminy sy ny mpiserasera sasantsasany Rtoa Kok.

Mampidi-doza ny firenena ny lahatsarin'i Teresa Kok…miresaka fivavahana sy foko ny #ISMA ..??Fa maninona no misy fitsarana mitanila sy mahasosotra tahaka izao? mahamenatra

 

Inona no holazain'i Obama momba an'i Najib raha misy mampfantatra azy fa ampangaina ho manao asam-panakorontanana i YB Teresa amin'ny alalan'ny clip video izy ?

Mihevitra i Hazlan Zakaria fa misy lohahevitra azo heverina tsara ilay lahatsary:

But anyone who has seen the video will notice the jab here is on continuing piracy and kidnappings in Sabah which is still a concern…

Granted the political satire may be a tad off colour, but the issues it poked fun at are valid concerns.

Fa izay rehetra nahita ny lahatsary dia hahamarika fa ilay tsindron'antsy ao dia momba ny fitohizan'ny fanaovana piraty sy ny fakana an-keriny any Sabah izay mbola mampanahy hatramin'izao…

Andao ekena fa mety ho somary hafahafa ihany ilay esoeso politika, saingy zava-mampanahy tokoa ny lohahevitra doniny ao.

Saingy mieritreritra i Sasha Pranth fa manimba endrika ny vehivavy politisianina ilay video sy ny fanafintohinana aterany:

I assumed (wrongly) that as a member of parliament Teresa would fight our battles in Parliament, not in front of a camera, posing as a TV chatshow host. That video was in bad taste, more so because it has given the BN (ruling party) ammunition to attack her along racial and religious lines. A very foolish political move on her part.

She could have put her time to better use by calling for unity despite our country's many ills. That's the Teresa I thought I knew. She cannot play the victim now when she herself caused this silly and now, overblown fiasco to happen in the first place. In my view, she kinda blew it for women politicians.

Manaiky (amim-pahadisoana) aho fa miady ny adinay ao amin'ny parlemanta ny iray amin'ny mpikambana ao, fa tsy eo anoloan'ny fakantsary, mipetraka toy ny mpanentana tele. Ratsy tsiro ilay video, satria nanome bala ny BN (antoko mitondra) hamelezana an-dravehivavy eo amin'ny resaka foko sy fivavahana. Fahadalana tanteraka ara-politika avy aminy.

Tokony nahay nampiasa tsara kokoa ny fotoany tamin'ny antso ho amin'ny firaisana izy na dia maro aza ny aretina mianjady amin'ny firenena. Izany no Teresa noeriteretiko ho fantatro. Tsy afa-mihevitra azy ho lasibatra izy raha izy ihany no nahatonga izao toe-javatra izao, izay mety hiteraka “fiasco” [lamokany] eo amin'ny laharana voalohany. Amin'ny fijeriko dia nandrefotra azy ity ho an'ny vehivavy politisiana izy.

Manohana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hitory an'i Teresa Kok ny Chandrakumanan iray, lehiben'ny fanangonam-baovao avy ao amin'ny Antokom-bahoaka Liam-pandrosoana avy ao amin'ny fiarahan'ny antoko mitondra

How could Teresa Kok as a Member of Parliament come up with such a video clip provoking the people with a mischievous hidden agenda? Does it look good to make fun and joke about the government’s policies and then you come up and say it’s satirical? Does it make sense, or does she think everyone is stupid?

Fa ahoana koa i Teresa Kok amin'ny maha-mpikambana Parlemanta azy no mihantsy vahoaka amin'ny alalan'ny video clip toa manana teti-panorona ambadika? Mahafinaritra ve ny manao ho fanalan'andro sy hatsikana ny politikan'ny governemanta dia avy eo lazainao fa esoeso iny? Mba misy dikany ve izany, sa mieritreritra ny rehetra ho ketrina izy?

Jereo ny video eto ambany: 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.