Nomelohin'ny fitsarana heloka bevava ao Jeddah folo taona an-tranomaizina sy kapoka arivo i Raif Badawi, mpitoraka bilaogy, tamin'ny 7 May teo noho ny “nanevatevany ny Silamo”. Nenjehina noho ny nampiroboroboany ny “Saudi Arabian Liberals” (ireo Liberaly ao Arabia Saodita), fikaonan-doha amin'ny aterineto natombony tamin'ny 2008 izay iadiana hevitra momba ny andraikitry ny fivavahana ao anatin'ity fanjakana mpitahiry ny nentim-paharazana ity.
Nodidiana handoa onitra iray tapitrisa ryals ( manodidina ny 266.600 dolara Amerikana) ihany koa ilay olona 32 taona.
Mbola azo hakarina ilay didim-pitsarana. Saingy nogadraina ihany koa i Waleed Abu al-Khair [1], mpisolovavan'i Badawai, noho ny nametrahany vondrona mpanaramaso ny zon'olombelona, araka ny nambaran'ny Human Rights Watch.
[2]
Nosamborina tamin'ny Jona 2012 ary notsaraina tamin'ny Jolay 2013, tamin'ny voalohany dia enin-taona an-tranomaizina sy kapoka 600 no sazin'i Badawi. Fa tamin'ny Desambra 2013, nisy fitsarana ambony nandrava io didim-pitsarana io [3] ary nanolotra io raharaha io tao amin'ny fitsarana heloka bevava ao Jeddah.
Sad day for #humanRights [4] #raifbadawi [5] pic.twitter.com/zUTvOWe6Kg [6]
— Yes we can (@Jihane_MD) May 7, 2014 [7]
Andro ratsy ho an'ny #zon'olombelona #humanRights [4] #raifbadawi [5] pic.twitter.com/zUTvOWe6Kg [6]
Saudi Arabia, Britain's ally & top arms customer, has sentenced blogger @raif_badawi [8] to 10 years in prison and 1000 lashes #IStandWithRaif [9]
— Daniel Wickham (@DanielWickham93) May 8, 2014 [10]
Nomelohin'i Arabia Saodita, mpiara-miasa amin'i Angletera sady voalohany amin'ny mpividy fitaovam-piadiana, 10 taona an-tranomaizina sy kapoka 1000 i @raif_badawi mpitoraka bilaogy #IStandWithRaif [9] (ManohanaAniRaifAho)
Nanoratra lahatsoratra mitsikera ireo mpitondra fivavahana Saodiana sy nanambara ny 7 May ho andron'ny fahalalahana Saodiana tao amin'ny tranonkalany i Badawi sy ireo hafa mpiara-miasa aminy.
السجن بسبب منتدى يرحب بالجميع أن يتحاور،أن يطرح قناعاته للنقاش! منذ متى يغير السجن الفكر؟! #الحكم_على_رائف_بدوي [11] pic.twitter.com/83g1ZznGXd [12]
— طاهر الزهراني (@6aher_alzahrani) May 8, 2014 [13]
Any am-ponja noho ny fikaonan-doha iray izay nahafahana niady hevitra malalaka sy nanehoan'ny olona ny heviny. Hatramin'ny oviana no manova hevitra ny fonja ?
رائف كان ينتقد المجتمع الازدواجي و يدعوا للأنسانية و احترام الرأي الاخر اذا كانت هذه جريمه فانا مجرمة #السجن_10سنوات_لرائف_بدوي [14]
— أميمه Omaima (@Omaima) May 7, 2014 [15]
Tsikerain'i Raif ny fiarahamonina mandeha zotra roa samihafa ary miantso ny fivoaran'ny olona sy fanajana ny hevitry ny hafa izy. Raha toa ka heloka izany dia hilaza tena ho meloka aho.
Fitsipahana ny maha silamo no vesatra efa nanenjehan'ny Mpampanoa lalàna an'i Badawi tany aloha, heloka izay mendrika fanamelohana ho faty ao amin'ny fanjakana Saodiana.