- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Nizeria, Fanentanana, Fisamborana sy faneriterena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Zon'olombelona, Feo voarahona, GV Mpisolovava

zonenine

Tongava manatevin-daharana ireo bilaogera Nizeriana, Blossom Nnodim (@blcompere [1]) sy Nwachukwu Egbunike (@feathersproject [2]) miaraka amin'ilay mpamoaka lahatsoratra ato amin'ny Global Voices Ndesanjo Macha (@ndesanjo [3]) avy ao Tanzania amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina [4]tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao

Ny fikambananan'ny Global Voices sy ny tambajotran'ny namana sy ny mpiara-dia aminay dia mitaky ny famotsorana ireo lehilahy sy vehivavy miisa sivy ireo, izay niasa mafy ho fampandrosoana ireo sehatra hoan'ny fanehoan-kevitra ara-tsosialy sy ara-politika ao Etiopia amin'ny alalan'ny bilaogy sy ny asa fanaovan-gazety nentim-paharazana. Mino izahay fa fanitsakitsahana ny zo manerantany momba ny fahalalaham-pitenenana, ary koa ny zo tsy azo samborina amin'ny tsy antony ny fisamborana azy ireo. Tsindrio  eto [5]raha te ahafantatra bebe kokoa mikasika ny tantaran'izy ireo sy ny fanentanana ho amin'ny famotsorana azy ireo.

Amin'ny Alarobia hoavy izao manomboka amin'ny 2 ora hariva, ora ao Afrika Andrefana, handefa sioka hoan'ireo lehiben'ny fikambanana, governemanta, mpisehatra ara-diplaomatika sy ny fampahalalam-baovao mahazatra isika (manantena ny fanampian'izy ireo) mba hampitombo ny fanentanana sy hisarika ny saim-bahoaka mikasika ity raharaha ity. Mandrisika manokana ireo bilaogera namana sy mpiserasera media eto Afrika izahay mba hanatevin-daharana ny hetsika – saingy afaka mandray anjara avokoa ny rehetra tsy ankavanaka!

#FreeZone9Bloggers (Avotsory ireo Bilaogera sivy): Tweetathon Mitaky ny Famotsorana ireo Bilaogera Etiopiana Nogadraina

Daty: Alarobia 14 Mey 2014

Ora: amin'ny 2 hatramin'ny 5 hariva, Ora ao Afrika Andrefana/ amin'ny 1-4 hariva, ora GMT (tsindrio eto [6]raha hijery ny zarakasin'ora misy anao: ny eto Madagasikara dia amin'ny 4-7 hariva)

Diezy twitter: #FreeZone9Bloggers

Mpandrindra: Blossom Nnodim (@blcompere [1]), Nwachukwu Egbunike (@feathersproject [2]), Ndesanjo Macha (@ndesanjo [3])

Miaraha aminay amin'ny Alarobia–mandefa sioka mandra-pahareraka ny rantsa-tananao ary takio ny fahafahana hoan'ireo bilaogera 9!

Ireo sioka azonao ampiasaina (tsindrio eto raha te-hahita maromaro kokoa [7])