Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

13 Mey 2014

Tantara tamin'ny 13 Mey 2014

Fahafatesana sy Twitter: Tati-Baovao Avy any Okraina

Akon'ny RuNet

Nitatitra tao amin'ny Twiter ny Rosiana mpanoratra gazety Ilya Azar fa nitifitifitra fahatany ireo sivily tao Krasnoarmeysk sendra nandalo azy ireo ny Mpiambina Nasionaly vao natsangana

Ny Safoakan'ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan Nandritra Ny “Seho Iray Minitra” Tao An-Toerana

Nisafoaka tamin'ny resaka nataon'ny lehiben'ny Holafitry ny Mpitsara, Metin Feyzioglu ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan, ary niampanga an'i Feyzioglu ho «masiaka» tamin'ny lahateny nataony izay mitsikera ny zava-bitan'ny governemanta

Enim-bolana Aty Aoriana, Manohy Mitaky Famonjena Sy Ny Rariny Ireo Niharam-boina Tamin'ny Tafio-drivotra Haiyan Tao Filipina

Enim-bolana taorian'ny tafio-drivotra mahery vaika namindra toerana ireo mponina an'arivony ao afovoan'i Filipina. Mbola manohy mitaky fanampiana sy ny rariny ireo nieren-doza. Mampihisatra ny fanampiana ny tsy fisian'ny drafitr'asa matipaika avy amin'ny governemanta.

Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey

GV Mpisolovava

Tongava manatevin-daharana ireo bilaogeran'ny Global Voices amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana an'ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao.