Tantara tamin'ny 12 Mey 2014
Mbola Mikasa Hanao Fampisehoana Hoan'ilay Mpanao Didy Jadona Gambiana, Yahya Jammehi Erykah Badu
Nanjary lasibatry ny tsikera indray ilay mpihira vehivavy Amerikana Erykah Badu noho ny fampisehoana kasainy atao hoan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, vao tsy ela akory izy izay no nahazo tsikera tamin'ny fampisehoana nataony hoan'ny Mpanjaka Mswati III ao Swaziland tamin'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-46 nahaterahany.
Reny Nidaroka An-Janany, Lahatsary Niparitaka Be Tao Trinidad & Tobago
Lasa niparitka be tao Trinidad sy Tobago ny lahatsary iray mampiseho ny fomba fanasazian'ny reny ho fifehezany ny zanany, rehefa nalefa tao amin'ny Facebook ka nolazaina fa ho anatra sy lesona ho an'ny ankizy
Novazivazin'ny Zimbaboeana Tao Amin'ny Twitter Ny Lehiben'ny Mpanohitra Nahantona Tamin'ny Toerany
Inona ny lohateny tsara indrindra amin'izay mety ho boky momba ilay mpitarika ny Hetsika ho amin'ny Fanovana Demaokratika ao Zimbabwe, Morgan Tsvangirai? Manana hevitra vitsivitsy ny mpisera Twitter.
Ny Fahasamihafan'ny Sora-Baventin'ny Fihetsiketsehana Ao Brezila
Amin'ny alalan'ny sora-baventy, hiaka ary afisy no ahafahan'ny tsirairay mahafantatra ny fitakiana,ny tsikera ary ny tolona ao amin'ireo karazam-pihetsiketsehana. Mizara ny sary sy ny afisin'ny fihetsiketsehana nanerana ny firenena tao Brezila, araka izay navoakan'ny media sosialy, nandritra ny taona 2013 ny blaogy Tumblr Cartazes dos Protestos.
Mamaky, Manoratra, Manangana, Ary Mifandray Amin'ny Boatin-kevitra
Ny tetikasa vaovao antsoina hoe Ideas Box (Boatin-kevitra) dia mikasa hanentana ireo mpitsoam-ponenana amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo fitaovana ilaina, votoaty sy loharano mba ho «vakiana, hanoratana, hananganana sy hifandraisana."