- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Fihetsiketsehana Tanamasoandro Ao Taiwan

Sokajy: Taiwan (ROC), Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Araho ny lahatsary hangout ao amin'ny Google Plus amin'ny 9 Mey 2014 amin'ny 11:00 maraina UTC/GMT) [1]

Ao anatin'ny teritery politika goavana mba hisian'ny fifanakalozana ara-barotra bebe kokoa sy fanakambanana an'i Taiwan amin'i Shina, nanjary mariky ny fihetsiketsehana ao Taiwan ny tanamasoandro izay mitaky ny fitohizan'ny fahaleovantenan'ny firenena, .

Nirohotra sy nibodo ny antenimieran'ny mpanao lalàna nandritra ny herinandro maro ireo mpanao fihetsiketsehana ary nampiasa ny media sosialy mba hiresahana ny tanjon'izy ireo sy ny hetsika amin'ny fomba vaovao tanteraka.

Natao hiarovana ny demaokrasia amin'ny fomba demaokratika ihany ve ny hetsika?

Amin'ny GV Face androany, hiresaka amin'i I-Fan Lin [2], mpanoratra ao amin'ny Global Voices Taiwan sy i Portnoy Zheng, [3] mpiara-mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Shinoa [4]isika mikasika ny fomba fihevitry ny ao Taiwan ny fihetsiketsehana.

Jereo ihany koa:

Fitantarana manokana ato amin'ny GlobalVoices mikasika ny Fihetsiketsehana Tanamasoandro ao Taiwan