- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arahaba Tratry Ny Fetin'ny Reny, Amin'ny Fiteny Mixe!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Marobe manerana izao tontolo izao no hifamory miaraka amin'ny fianakaviany hankalaza ny andro Alahady iray natao ho Fetin'ny Reny, 11 May. Ao Meksika, i Silvana Ávila, artista, dia nihevitra fa mety ho fotoana tsara fanararaotra io hanomezana voninahitra ny reny rehetra amin'ny fitenin'ny tompontany avy ao amin'ny fanjakàn'i Oaxaca. Nosoratany tao amin'ny bilaoginy Tumblr [1], “marolafy sy fifangaroan-kolontsaina maro ny fireneko. Tsy ny fiteny Espaniola irery no fiteny eto.”

Namorona andianà karatra fiarahabàna izy, misy sary manaingo azy arahana fehezanteny nalainy tao amin'ny hira Ayuujk (Mixe) [2] iray mitondra lohateny hoe Tääku'nk, nosoratan'i Palemón Vargas. Afaka jerena ao amin'ny bilaoginy ireo karatra ireo.

cardmixe

dikanteny: Na dia lavitra aza aho, tsy hanadino anao aho, ry Neny.

cardmixe2cardmixe3

Fandikàna nataon'i: Tajëëw Díaz Robles. Sary fanaingoana nahazoana alàlana.