- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taombaovao Tao Bangladesh Nisehoan'ny LGBT Tamin'ny Lokon'ny Avana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Nanao filaharambe tanatin'ny Lanonan'ny Taom-baovaon'ny firenena vao haingana ireo mpikambana avy ao amin'ny fikambanana LGBT (Lesbiana, pelaka, sady lahy no vavy ary ireo niova taovam-pananahana), dingana feno fahasahiana hoan'ireo vitsy an'isa matetika atao tsinotsinona.

Ny Roopbaan [1], gazetiboky natokana hoan'ireo pelaka ao Bangladesh, [2] no nikarakara ny diabe miravaka loko, izay nohizingizinin'izy ireo [3]fa tsy diaben'ny fireharehan'ny pelaka fa fankalazana ny fahasamihafana sy ny finamanana. Hoan'ireo miozolomana maro an'isa ao Bangladesh, sokajiana ho tsy azo ekena ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ny fahapelahana. Tsy ara-dalàna ny fahapelahana, araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana [4] ao amin'ny firenena.

Tamin'ny 14 Aprily, Taom-baovao Bengali [5], niainga tao amin'ny trano fanorenan'ny Sampana Hay Zavakanton'ny Oniversiten'i Dhaka ny filaharana maroloko nentim-paharazana ” Mongol Shobhajatra “. Narahin'ireo vondron'olona mitafy loko avana misolotena ny fikambanana pelaka ambanin'ny tany avy hatrany izany avy eo. Tsy nahafantatra izay zava-nisy ireo olona manodidina azy ireo, saingy fotoana fohy taty aoriana vao fantatr'izy ireo tamin'ny alalan'ny vaovao tamin'ny haino aman-jery fa hoan'ny fikambanan'ny mpitia mitovy taovam-pananahana ilay diabe. Araka ny tatitra avy amin'ny vavahady antserasera Priyo.com [6] (eto [7] ny dikantsoratry ny lahatsoratra tamin'izany):

র‍্যালিতে সাতটি লাইনে বেগুনি, নীল, আসমানি, সবুজ, হলুদ, কমলা এবং লাল রঙের পাঞ্জাবি পরিহিত সমকামীরা কাগজের ফুল, পাখি আর বেলুন। র‍্যালি শেষে তারা হাতের বেলুন আকাশে উড়িয়ে দেয়। ভিন্ন আয়োজনের ওই র‍্যালিটি উপস্থিত জনসাধারণের মধ্যে আগ্রহের সৃষ্ঠি করে।

Nahitana filaharana fito mirazotra misy ireo mpikatroka mitafy punjabi [karazan'akanjo] miloko ny tsirairay amin'ny loko mandravaka avana ny diabe. Nitondra balaonina, voninkazo, sy vorona taratasy izy ireo. Natsipin'izy ireo teny amin'ny lanitra ireo balaonina rehefa nifarana ny diabe. Nahaliana ny vahoaka ity diaben'ny fahasamihafana ity.

Spread Love, Not Hatred. Image Courtesy Roopbaan Facebook group [8]

Aparitaho ny fitiavana, fa tsy ny fankahalàna. Sary tao amin'ny vondrona Facebook, Roopbaan. Spread love, not hatred. Image courtesy Roopbaan Facebook group

Bilaogy momba ny zon'ny LGBT The Muslim Outcast [9] nanamarika hoe: 

Whether you are pro or anti LGBT, you cannot help but be in awe. For a group of demonised individuals to remain firm and march out onto the streets of Dhaka, knowing that it is not without risk, I believe, is an act of commendable bravery. They have begun the long road to acceptance and these incredible individuals will be remembered by the following generations of LGBT individuals as those that laid the foundations for acceptance within the nation's society.

Na manohana ny LGBT ianao na manohitra azy, tsy afaka hanampy ianao fa mijery. Hoan'ireo vondron'olona noharatsiratsiana mikiry mijoro sy mandeha eny an-dalamben'i Dhaka, kanefa mahafantatra tsara fa mety ahitàn-doza izany, dia fihetsika feno herim-po mendrika izany. Lalana lava ho amin'ny fanekena azy ireo no nanombohan'izy ireo ny tolona ary hotsaroan'ireo taranaka LGBT any aoriana ireto olona mahagaga ireto izay anisan'ireo nametraka ny fototry ny fanekena azy eo anivon'ny fiarahamonina ao amin'ny firenena.

Nahasarika fanehoan-kevitra marobe tao amin'ny media sosialy ny filaharambe, indrindra tao amin'ny Facebook. Tsy mankasitraka ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra, na dia nisy ihany aza ireo sasany nidera ny ezaka [10]. Nitanisa ny sasany tamin'izy ireo ny vondrona Facebook Gay For Girls (Pelaka hoan'ny Vehivavy) [11] ary nijery:

The only reason I wasted my time taking screenshots of the comments and putting them up here is to prove a point. People will say shit just to hurt others. They will say terrible things to people they don't even know. They will hate us without even knowing our stories.

Ny antony tokana nandaniako ny fotoanako naka pikantsary tamin'ireo fanehoan-kevitra sy nametraka izany eto dia ny mba hanaporofo zavatra iray. Hiteny ratsy ny olona mba handratra ny hafa fotsiny. Hilaza zavatra maharikoriko amin'ny olona izay tsy fantany akory. Hankahala anay izy ireo na dia tsy mahafantatra akory ny tantaranay aza.

Nanoratra tao amin'ny Twitter mikasika ny fandrahonana taorian'ny diabe i Rainer Ebert, mpikatroka Amerikana monina ao Dhaka, :

Pejy Facebook #Roopbaan, fandrahonana herisetra atao amin'ireo olona #LGBT sy ny namany taorian'ny diaben'ny fireharehana voalohany tao Bangladesh

Bilaogin'ny LGBT am-pielezana Bangla “Coming out” as a bisexual Bangladeshi [18]nanangona ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra. Hoy ny mpisera iray nanoratra, “nanam-bitana izy ireo fa azo isaina amin'ny rantsa-tanana no nahafantatra .. Amin'ny manaraka mety hisy olona hanambara mialoha ary ho voadaroky ny baomba.”

Ny hafa naneho hevitra miaraka amin'ny fandrahonana herisetra, fampitahàna amin'ny biby, mpidoroka rongony, mpanolana zaza sy ny zanaka ao an-tranony ihany, fanamarihana ny fady ara-pivavahana sy fanomezan-tsiny ny governemanta.

Na dia izany aza, nisy ny tsirim-panantenana tamin'ireo fanehoan-kevitra sasany:

Who are we to judge whether this is good or bad, and why does it concern everyone so much.

Iza isika no mitsara raha tsara izany na ratsy, ary nahoana no miahiahy fatratra izany ny tsirairay

Why are you personally so hostile towards them?

Nahoana ianareo no mankahala mafy azy ireo manokana?

Hoy ilay bilaogera namehy:

Most of the comments are negative. Let's face it, we knew this was going to be the case. Besides the banging collection above, there are a lot of negative comments with no likes that I haven't posted here. But interspersed within those are a few good comments, and then there are the few good comments with lots of likes. And this is what gives me hope.

Tsy mankasitraka avokoa ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra. Andeha hatrehana izany, fantantsika fa tsy maintsy hiseho izany. Ankoatra ireo angona fanehoan-kevitra mamelively voalaza teo ambony, marobe ihany koa ireo fanehoan-kevitra tsy mankasitraka tsy misy mpitia (tsy nahazo “like”) izay tsy navoakako eto. Saingy misy fanehoan-kevitra tsara vitsy mpankasitraka ao anelanelanin'izany, ary koa misy ireo fanehoan-kevitra mankasitraka vitsivitsy be mpitia (be mpanao “like”). Ary izany no manome fanantenana ho ahy.