- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanadiovana ny Fanafihana Rosiana Any Okraina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
"We are coming to the southeast," declares a Crimean militia. May 2, 2014, YouTube. [1]

“Ho any atsimo-atsinanana izahay,” hoy ny milisy Krimeana. 2 Mey 2014, YouTube.

Androany [2 mey] vao maraina be, misy lahatsary YouTube namoaka sarin'andian-dehilahy mirongo fiadiana manao fitafiana miaramila isan-karazany an'ny polisy sy ny miaramila any Krimea. nanambara ny heverina ho mpitarika ny andian-dehilahy fa hisy vondro-milisy Krimeana roa hanampy ireo mpiady any Slaviansk, toerana iadian'ny tafika nasionalin'i Okraina amin'ireo mpisintaka pro-Rosia, izay mifehy ny faritra sasany ao an-tanàna.

Araka ny nolazain'ny gazety rosiana Moskovskii Komsomolets, mihoatra ny roa arivo [2] ireo mpiadin'i Krimea ireo. Notaterin'ny gazety fa nahatonga ireo mponina Krimeana ho eny an-dalambe hifalifaly ny fetin'ny volana mey rosiana (izay amin'ny faha-9 mey ho avy izao, tsingerintaona faha-69 ny fandresen'ny [3] Firaisamben'ny Repoblika Sovietika Rosiana tamin'ny Ady Lehibe Faharoa), ary nanamora ny famoriana ny lehilahy vonona ny hiady any atsimo atsinanan'i Okraina.

Mety hahasaro-toerana araka ny lalàna an'i Kiev [renivohitra Okrainiana] ny fizoran'ny milisy tsy ara-dalàna ho any Slaviansk sy ireo tanandehibe hafa any atsimo atsinanan'i Okraina. Na dia efa mampihatra ny fifehezana an'i Krimea aza i Moskoa [renivohitr'i Rosia], dia tsy manaiky ny fampitambarana amin'i Rosia ny governemantam-pirenena, ka manasarotra ny fametrahan'i Kiev izay mety ho mpiady avy any Krimea mizotra mankany amin'ny Tanibe Okrainiana, izay mbola ao anatin'ny zara-tanin'i Okraina araka ny lalàna. Vondro-tafika Rosiana ve ireo miaramila ireo? Sa Okrainiana “mpampihorohoro” hafa koa, araka ny anondroan'i Kiev amin'izao fotoana izao ny mpiady rehetra mameno an'i atsimo-atsinanana?

Raha lazaina amin'ny fomba hafa, mety afa-mampiditra ny heriny any an-taniben'i Okraina ny ao Kremlin amin'ny alalan'ny fandrisihana, na fanomezana fiadiana ny milisy Krimeana, izay te-hiroso ho any Slaviansk. Ara-teoria, dia mety hahomby i Moskoa, amin'ny “fanadiovana” ara-pitenenana irery ihany amin'ny fitsofohana an-tsehatra ara-tafika amin'izay fomba izay.

Manaraka ny lahatsary ny dika manontolo ny fanambarana ampahibemaso [4] nataon'ny heverina ho mpitarika ny milisy Krimeana, izay nivoaka tao amin'ny YouTube androany [2 mey].

Сегодня 2 мая 2014 года. Мы – ополченцы Крыма. Обращаемся к народу юго-востока. Братья! Сегодня в составе двух батальонов крымское ополчение выдвигается на юго-восток. Мы услышали, как регулярная армия и правый сектор бомбят Славянск и другие города юго-востока. Я обращаюсь к матерям и женам правого сектора. Уберите своих детей оттуда. Наша задача не брать ни пленных, никого. Мы идем на уничтожение. Теперь обращаюсь к народу юго-востока. Выдвигаемся туда и будем сносить все что у нас на пути, все то, что противоречит и противостоит простому народу. Держитесь, мы с вами!”

2 mey 2014 ny daty. Milisin'i Krimea izahay. Miantso ny vahoakan'ny atsimo atsinanan'i [Okraina] izahay. Ry rahalahy! Androany ny milisy Krimeana, izay ahitana vondro-tafika roa, hiroso ho any atsimo-atsinanana. Efa renay ny fandarohana baomba ataon'ny Tafika [Okrainiana] sy ny “Lafy Ankavanana” amin'i Slaviansk sy ny tanàna hafa any atsimo atsinanana. Te-hivantana any amin'ny reny sy ny vadin'ireo lehilahy ao amin'ny “Lafy Ankavanana” aho: esory tao ny zanakareo lahy. Tsy haka babo izahay. Mikasa ny hanamontsana ny fahavalo izahay. Miteny amin'ny vahoakan'i atsimo atsinanana aho: hoavy izahay ary hamotika izay manakatsakana ny lalanay—izay rehetra manakatsakana ny vahoaka tsotra. Mifikira! Miaraka aminareo izahay!