- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

FANAMBARANA: Miantso Ho Amin'ny Famotsorana Ny Mpanoratra Gazety Sivy Ao Ethiopia Ny Global Voices

Sokajy: Etiopia, Fanentanana, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Zone 9 bloggers in Addis Ababa. Photo by Endalk, used with permission.

bilaogeran'ny Zone 9 tao Addis Ababa, nosamborina avokoa tamin'ny 25 Avrily. Saripikan'i Endalk, nahazoana alalana.

Miantso ho amin'ny famotsorana ny mpanoratra gazety sivy nosmborina tao Ethiopia ny fikambanana Global Voices.

Nosamborina tamin'ny 25 Avrily 2014 tao Addis Ababa ry Befeqadu Hailu, Abel Wabela, Atnaf Berahane, Mahlet Fantahun, Zelalem Kibret, ary Natnael Feleke (mpikambana ao amin'ny famahanam-bilaogy iraisana Zone 9 avokoa izy rehetra ireo) sy ny mpanoratra gazety Asmamaw Hailegeorgis, Tesfalem Waldyes ary Edom Kassaye. Malahelo indrindra izahay fa anisan'ireo nosamborina ny mpandika lahatsoratra efatra ato amin'ny Global Voices — Hailu, Wabela, Kassaye ary Kibret –.

Hatramin'ny 2012, ny famahanam-bilaogy iraisana Zone 9 no niasa hampandroso ny fandraisana andraikitra anivon'ny fiarahamonina sy ny fanehoa-kevitra mitsikera momba ny raharaha sosialy sy politika any Ethiopia. Na teo aza ny fahasarotan'ny toe-draharaha, dia nampihatra ny zony halalaka miteny ry zareo ho fampivoarana ny resaka sy adihevitra mitandro ny fandriampahelamana.

Fikambanan'ny bilaogera, mpikatroka, mpanoratra ary mpandika lahatsoratra avy amin'ny firenena 137 ny Global Voices. Kitro ifaharan'ny fijoroanay ny zo manerantany ho amin'ny fahalalaham-pitenenana: miresaka ireo tantara tsy dia misy mitatitra loatra avy amin'ny vazantany efatra sy miaro ny zon'ny tsirairay ho afa-miteny malalaka sy tsy misy tahotra. Tafintohina izahay amin'izao fanitsakitsahana ankarihary ny zon'ny namanay hanana fahalalaham-pitenenana izao ary manahy mafy amin'ny momba azy ireo. Tsy afaka ny hangina izahay.

Tsy heloka ny mibilaogy. Amin'izao 3 Mey — Andro Mondialy Ho amin'ny Fahalalahan'ny Gazety — izao, izahay amin'ny maha-fikambanana anay dia mitaky amin'ny manampahefana Ethiopiana hamotsotra ireo namana sy mpiara-miasa bilaogera, sy ireo mpanoratra gazety hafa rehetra gadraina any Ethiopia.

 

Raha tiana ny hanovana ny anaranao na ny anaran'ny fikambananao amin'ity fanambarana ity, dia miangavy anao hanindry eto [1] sy hanampy izany anaty lisitra. Hanampy hatrany ity lahatsoratra ity izahay arakaraka ny handraisanay anarana vaovao.

 

Namana sy mpiara-dia manohana ity fanambarana ity:

PEN American Center [2], Etazonia

Internet Sans Frontières [3], Afrika

Electronic Frontier Foundation [4], Etazonia

Ushahidi [5], Kenya

Bloggers Association of Kenya [6]

KenyaUnlimited

AfricanHadithi [7], Afrika 

EngageMedia [8], Azia-Pacifika

Digital Media Law Project [9], Etazonia

MIT Center for Civic Media [10], Etazonia

Article 19 [11], Manerantany

Visualizing Impact [12], Libanona

Access [13], Manerantany

HIVOS [14], Manerantany

Association for Progressive Communications [15], Manerantany

Educación y Ciudadanía [16], Meksika

e-globalknowledge [17], Manerantany

Más de 131 [18], Meksika

Red en Defensa de los Derechos Digitales [19], Meksika

Bytes for All [20], Pakistana