
‘Fehy’ mavo mifamatotra mitandavana amin'ny làlamben'i Seoul, manantena fahagagana tamin'ny faharendrehan'ny sambo Sewol. Sary avy amin'i Lee Yoo Eun.
14 andro izay no naharendrika ilay sambo Koreana Tatsimo izay nisy mpandeha an-jatony. Amin'izao fotoana izao 205 no azo antoka fa maty, 97 no tsy hita popoka.
Efa voasambotra ilay kapiteny sy ireo rehetra mpiasa tao anatin'ilay sambo. Nametra-pialàna teo anivon'ireo tsikera ny amin'ny fahataràn'ny fandraisana andraikitry ny governemanta tamin'io loza io ny Praiminisitra Chung Hong-won. Olona telo avy amin'ny biraon'ny Incheon, fikambanan'ny tantsambo ao Korea no nosamborina sy nomelohina ho namotika porofo.
Koa satria nivoaka ny antsipirihan'ny filalaovana tsy manjary nataon'ny governemanta Koreana Tatsimo momba iny faharendrehana iny, dia nitroatra ny hatezerana .
Lasibatr'ireo mpisera amin'ny aterineto ny manampahefana ary ny haino aman-jery mahazatra mpitahiry ny fomba taloha kosa manao boloky mamerina ireo fialan-tsinin'ny governemanta :
위기관리 능력이 전혀 없는 정부의 무능과 거짓, 한술 더 떠서 거짓말만 해대는 미친언론에 분노한 피해자 가족들… 세월호 참사에서 이 나라의 밑바닥이 드러나고 있다. #뉴스타파 pic.twitter.com/I5010osha0
— 미권스 (@afc_4565) April 21, 2014
Ireo tsy fahaiza-mitantan'ny governemanta, ny fitavozavozany sy ireo lainga ary ‘ireo haino aman-jery manohy milaza ny lainga tsy mitsahatra… Ireny rehetra ireny dia naharomotra ny fianakavian'ireo niharam-boina. Taorian'ity loza nihatra tamin'ny sambo Sewol ity no nisehoan'ireo zava-miafina rehetra amin'ity firenena ity.
뉴스에서 대통령이 사라졌다. 정부당국의 말실수, 집계누락 등 수많은 실책의 최종 책임자가 제일 먼저 언론에서 사라져버림. 마치 좌초한 세월호에서 선장이 제일 먼저 도망친 것처럼.
— 루나 (@fakemommy) April 20, 2014
Tsy hita amin'ny vaovao intsony ny filoha. Nanjavona amin'ny vaovaon'ny haino aman-jery ny fitavozavozan'ireo manampahefana sy ireo hadisoana marobe ary ny tsy fahombiazan'ireo mpitantana voakasik'izany. Tahaka ny naharendrika ilay sambo Sewol sy ny fandosiran'ilay kapiteny voalohany ihany.
언론은 세월호 침몰 현장에 장비가 들어간 장면과 전문가들이 구조에 참여한 소식을 보여준다 언론만 보면 구조작업은 활발하다 하지만 현장에서 초기에 구조된 사람 외에 추가로 구조된 사람들은 없다 결과물은 없고 언론은 떠들고..언론보도와 현장은 전혀 다르다
— 임중수 (@js8088hb) April 19, 2014
Asehon'ny haino aman-jery ny ampahan-dahatsary misy ireo karazan-tseho sy ny fihetsik'ireo manam-pahaizana nandritra ny famonjena voina tamin'ny faharendrehan'i Sewol. Ohatra ny hoe efa an-dalana ny asa – raha ny haino aman-jery no jerentsika. Na dia izany aza, tsy misy intsony ireo velona anampy ireo avotra teny amin'ny toerana nisehoan'ny loza. Tsy misy ny fivoarana, nefa ireo haino aman-jery dia mbola mitabataba foana. Tena samihafa ny zava-misy sy ny asehon'ny haino aman-jery.
Nohararaotin'ny mpanao politika mba hangalana tombontsoa ilay hatezerana tamin'ny loza.
Mpanao lalàna avy amin'ny antoko Saeunri izay antoko eo amin'ny fitondrana ohatra no nihandronan'ny rihitra tamin'ny fanendrikendrehana ray aman-dreninà niharam-boina iray ho vahiny avy lavitra “izay te- hanakorontana sy hiketrika fankahalana ny fitondrana.” aorian elin'izay dia nanazava ilay mpanao lalàna fa sary iray sandoka nifampizaràna tety anaty aterineto no nitrika azy ho amin'ny hadisoana.
Ary akehitriny nmpitandro filaminana dia manadihady mpanoratra iray izay nanoratra tao amin'ny Facebook hoe ” seho nokarakarain'ireo mpomba an'i Korea Avaratra izay te-hamafy fifanolanana sy fikorontanana amin'ny fiaraha-monina Koreana tatsimo” iny loza iny.
이제 국민을 좌빨에서 종북세력으로 몰아 간첩만들기는 일상화 됐다.수틀리면 개나 소나 종북,간첩을 외치는 이 어이없는 상황.세월호 인명구조에 한가닥 희망을 걸고 있는 분들은 이미 유리심장이다.작은상처에도 쉽게 상처받고 깨질 위험한 상황이니 말조심들해라
— 수연낙명(隨緣樂命) 안녕하지 못합니다 (@kriskimera) April 22, 2014
Efa mahazatra andavanandro amin'izao fotoana izao ny tetikady filazana olona ho ” mpitsikilon'ny mena” sy ” mpomba ny tavaratra [Koreana]”. Ahoana ny hatezerana entin'izany zavatra izany ? Ampangain'ny sasany ho “mpomba ny Tavaratra” na ” mpitsikilon'i Korea Avaratra” ny hafa isaky ny misy tsy fifanarahana. Ireo olona ireo izay tsy mbola nanary toky tamin'ny fanavotana ny Sewol, ireo olona ireo izay mora tohina aminà fanehoankevitra tahaka izany. Diniho ihany izay lazainareo.
세월호로 온 나라가 슬픔에 잠기고, 정부의 무능을 비판하는 소리가 높아지자~여기에도 종북놀이를 해 대는 집권당과 그 지지자들을 보면, 나라가 이렇게 밖에 될수 없슴을 절감케 한다. 모든 잘못을 종북으로 덮는 지배층을 바꾸지 않으면 우린 답이 없다.
— 쟝고 (@shsh7600) April 22, 2014
Koa satria latsaka anaty fahakiviana lalina ny firenena ary mitombo ireo feo manakiana ny fitondrana dia manomboka milalao ilay teny malaza hoe “Mpomba ny Tavaratra” ny antoko eo amin'ny fitondrana sy ireo mpanara-dia azy. Mampisaina ahy ny amin'izay nitarika ny firenena ho amin'ity loza ity izany tontolo izany. Tsy manana havaly isika raha tsy afaka manova mpitondra izay afaka handrakotra ny hadisoan-tetikady amin'ny hoe tetiky ny “Mpomba ny Tavaratra”.