- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MH370: Ankalazain'ny Praiminisitra Aostraliana Ny Fikarohana Ilay Fiaramanidina Tsy Hita

Sokajy: Azia Atsinanana, Oseania, Aostralia, Malezia, Shina, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Voina

Ocean Shield deploys the Bluefin 21 underwater vehicle [1]

Ny Ocean Shield  mampiseho ilay fiara mpisitrika an-dranomasina Bluefin 21,
Pejy Ofisialin'ny Flickr-n'ny Tafika an-dranomasina Amerikana Flickr  [CC-BY-2.0]

Tsy i Tony Abbott, Praiminisitra Aostraliana irery ihany no mikatsaka laza erantany amin'izao fotoana izao. Tia ny miteny ho ren-tan, ho ren-danitra i Kevin Rudd, ilay nodimbiasany. Nefa na dia izany aza, nanaitra fanoherana sy tsikera marobe teo amin'ireo mponina ao an-toerana ny fitsorahan'ny PM tanatin'ny rano mampidi-doza ara-politika, tsy ela akory izay, amin'ny fikarohana sy ny fangalana ilay fiaramanidina.

Tany amin'ny ranomasim-be andrefan'i Perth no nitadiavana ilay fiaramanidina MH370 tsy hita. Nambaran'i Abbott tamin-kafaliana  [2]tamin'ny haino aman-jery ren'izao tontolo izao nandritra ny famangiany tany Shina tamin'ny 12 Aprily 2014  fa : 

Fantatray ary azonay antoka ny toerana misy ny boaty mainty mitahiry ny sidina, sarahan'ny kilaometatra vitsivitsy, nefa ny fahazoana antoka ny toerana manakaiky kokoa ilay boaty mainty dia tsy mitovy amin'ny toerana nangalàna ny sisan'ilay fiara avy any amin'ny efatra kilaometatra sy sasany ambanin'ny ranomasina.

Ny Shinoa no tena liana indrindra satria avy any Shina ny ankamaroan'ireo mpandeha.

Antso lehibe izay toa niverenany làlana rehefa niteny tamin'ny haino aman-jery izy tamin'ny 28 Aprily :

Raha vao nandeha ny “V (mariky ny fandresena) fahazoana antoka” ny fahitana ny boaty maintin'ny #MH370 [3], dia ” mikorontan-tsaina  sy diso fanantenana” ny Pm Oz Abbott amin'izao fotoana izao satria mankany amin'ny tsy misy na inona na inona ilay fikarohana http://t.co/WLJo9fnfxE [4]

Ny maro dia mahita izany ho fihemorana :

Nahoana i Tony Abbott no nilaza tamin'izao tontolo izao  herinandro vitsy lasa izay fa ‘azony antoka’ fa hitan'ny tafika Aostraliana ny boaty maintin'ilay fiaramanidina #MH370 [3] ? #auspol [6]

Tsy nisaina mihitsy i Abbott niteny tany Shina fa hitan'i Aostralia ny MH370 …….nefa izany no noraisin'izao tontolo izao avy amin'ny teniny!

Tsy nisy tahotra ny belazao sasany, nanizingizina ny PM tamin'ny resadresany ho an'ny mpampahalàla vaovao hoe :

Abbott : “Ity no fikarohana sarotra indrindra teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.” #MH370 [3]

#MH370 [3] Mahalala menatra ve i Abbott ? Mbà asio fanajana ireo fianakaviana dia atsaharo ny fanaovana belazao azy io.

Nisy rohin-kevitra nipongatra tao amin'ny Twitter nilaza ezaka hanodinana ny saim-bahoaka tsy hihevitra ilay zava-doza mikasika ireo tantara ratsy mahakasika ireo namany ao amin'ny Liberal Party  tao amin'ny Kômisiôna Mahaleotena Miady Amin'ny Kolikoly [ny ICAC] any Nouvelle-Galles Atsimo . Narahan'ireo lohan'ny mpanao politika maro izay nanao famotsiam-bola [11] ny fametraham-pialan'ny [12] Praiminisim-panjakana tamin'ny herinandro lasa.

tpt amin'ilay fanerena an'i Abbott tamin'ny 14:00 momba ny #MH370 [3] vazivazy re izany, fanarian-dia amin'ny fanadiovam-bola ao amin'ny #icac [13] #auspol [6]

Lazain'i Abbott fa ” fitadiavana lehibe indrindra tamin'ny tantaran'ny zanak'olombelona ” ny fikarohana ny MH370. Saingy mety ho ny nihazan'ny ICAC ny Liberal Party no hanakona azy io.

Miomana ny hametraka ny volany any amin'ny toerana maha-lehilahy mpanambony tena azy i Tony Abbott, nefa heverin'ny sasany fa zava-poana izany :

19 andro lasa izay, nanantena hahita ny sisan'ilay #MH370 [3] tao anatin'ny ” andro vitsivitsy” ny manamboninahitra Aostraliana. Efa miresaka volana sy loharanom-bola 60 tapitrisa dolara isika izao.

Nohalehibeazina indray ny faritra hikarohana, raha izao tontolo izao kosa mijery izany tsy amin-toky :

Niteny Abbott fa tsy manan-kevitra velively ny amin'izay toerana misy ny #MH370 [3] ry zareo. http://t.co/m1VvnS7g4J [17]