Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

MH370: Ankalazain'ny Praiminisitra Aostraliana Ny Fikarohana Ilay Fiaramanidina Tsy Hita

Ocean Shield deploys the Bluefin 21 underwater vehicle

Ny Ocean Shield  mampiseho ilay fiara mpisitrika an-dranomasina Bluefin 21,
Pejy Ofisialin'ny Flickr-n'ny Tafika an-dranomasina Amerikana Flickr  [CC-BY-2.0]

Tsy i Tony Abbott, Praiminisitra Aostraliana irery ihany no mikatsaka laza erantany amin'izao fotoana izao. Tia ny miteny ho ren-tan, ho ren-danitra i Kevin Rudd, ilay nodimbiasany. Nefa na dia izany aza, nanaitra fanoherana sy tsikera marobe teo amin'ireo mponina ao an-toerana ny fitsorahan'ny PM tanatin'ny rano mampidi-doza ara-politika, tsy ela akory izay, amin'ny fikarohana sy ny fangalana ilay fiaramanidina.

Tany amin'ny ranomasim-be andrefan'i Perth no nitadiavana ilay fiaramanidina MH370 tsy hita. Nambaran'i Abbott tamin-kafaliana  tamin'ny haino aman-jery ren'izao tontolo izao nandritra ny famangiany tany Shina tamin'ny 12 Aprily 2014  fa : 

Fantatray ary azonay antoka ny toerana misy ny boaty mainty mitahiry ny sidina, sarahan'ny kilaometatra vitsivitsy, nefa ny fahazoana antoka ny toerana manakaiky kokoa ilay boaty mainty dia tsy mitovy amin'ny toerana nangalàna ny sisan'ilay fiara avy any amin'ny efatra kilaometatra sy sasany ambanin'ny ranomasina.

Ny Shinoa no tena liana indrindra satria avy any Shina ny ankamaroan'ireo mpandeha.

Antso lehibe izay toa niverenany làlana rehefa niteny tamin'ny haino aman-jery izy tamin'ny 28 Aprily :

Raha vao nandeha ny “V (mariky ny fandresena) fahazoana antoka” ny fahitana ny boaty maintin'ny #MH370, dia ” mikorontan-tsaina  sy diso fanantenana” ny Pm Oz Abbott amin'izao fotoana izao satria mankany amin'ny tsy misy na inona na inona ilay fikarohana http://t.co/WLJo9fnfxE

Ny maro dia mahita izany ho fihemorana :

Nahoana i Tony Abbott no nilaza tamin'izao tontolo izao  herinandro vitsy lasa izay fa ‘azony antoka’ fa hitan'ny tafika Aostraliana ny boaty maintin'ilay fiaramanidina #MH370 ? #auspol

Tsy nisaina mihitsy i Abbott niteny tany Shina fa hitan'i Aostralia ny MH370 …….nefa izany no noraisin'izao tontolo izao avy amin'ny teniny!

Tsy nisy tahotra ny belazao sasany, nanizingizina ny PM tamin'ny resadresany ho an'ny mpampahalàla vaovao hoe :

Abbott : “Ity no fikarohana sarotra indrindra teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.” #MH370

#MH370 Mahalala menatra ve i Abbott ? Mbà asio fanajana ireo fianakaviana dia atsaharo ny fanaovana belazao azy io.

Nisy rohin-kevitra nipongatra tao amin'ny Twitter nilaza ezaka hanodinana ny saim-bahoaka tsy hihevitra ilay zava-doza mikasika ireo tantara ratsy mahakasika ireo namany ao amin'ny Liberal Party  tao amin'ny Kômisiôna Mahaleotena Miady Amin'ny Kolikoly [ny ICAC] any Nouvelle-Galles Atsimo . Narahan'ireo lohan'ny mpanao politika maro izay nanao famotsiam-bola ny fametraham-pialan'ny Praiminisim-panjakana tamin'ny herinandro lasa.

tpt amin'ilay fanerena an'i Abbott tamin'ny 14:00 momba ny #MH370 vazivazy re izany, fanarian-dia amin'ny fanadiovam-bola ao amin'ny #icac #auspol

Lazain'i Abbott fa ” fitadiavana lehibe indrindra tamin'ny tantaran'ny zanak'olombelona ” ny fikarohana ny MH370. Saingy mety ho ny nihazan'ny ICAC ny Liberal Party no hanakona azy io.

Miomana ny hametraka ny volany any amin'ny toerana maha-lehilahy mpanambony tena azy i Tony Abbott, nefa heverin'ny sasany fa zava-poana izany :

19 andro lasa izay, nanantena hahita ny sisan'ilay #MH370 tao anatin'ny ” andro vitsivitsy” ny manamboninahitra Aostraliana. Efa miresaka volana sy loharanom-bola 60 tapitrisa dolara isika izao.

Nohalehibeazina indray ny faritra hikarohana, raha izao tontolo izao kosa mijery izany tsy amin-toky :

Niteny Abbott fa tsy manan-kevitra velively ny amin'izay toerana misy ny #MH370 ry zareo. http://t.co/m1VvnS7g4J

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.