- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mirohotra ao Kamerona Ny Olona Mba Hijery Ny Fisehoan'i Jesoa

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Fivavahana, Mediam-bahoaka

Nandre vaovao ny mponina ao Yaoundé, renivohitr'i Kamerona ny marainan'ny Alarobia 16 aprily 2014 fa niseho [1] tao an-tranon'olona ao amin'ny faritra Odza i Jesoa Kristy. Niteraka firohotana faobe [2] izany raha nitangorona teo akaikin'ilay trano ireo mpino sy ireo liana te-hahafantatra fotsiny mba hijery [3] mivantana izany fahagagana amin'ny andro Paska izany.

Andro vitsy taty aoriana, nitsipaka [4] izany lazaina ho fisehoan'i Kristy izany ilay Arsevekan'i Douala, Monsenera Samuel Kleda, ary nilaza fa tsaho izany, saingy tsy nanakana ny fientanam-pon'ireo mpino izay mbola nisisika nirohotra nankany an-tranon'i Amougui Minkan izany. Nisy mihitsy aza ny sasany nananika ny fefy [5]manodidina ilay trano mba hiala amin'ny filaharam-be.

Nanjary anisan'ny lohahevira malaza avy hatrany tao amin'ny Twitter ao Kamerona ity vaovao fisehoan'i Kristy ity. Nisioka momba ny vaovao tamin'ny tsy finoana sy amim-pieritreretana ireo sioka isan-karazany.

Nanontany izay tena hitan'ny vahoaka marina teo amin'ny rindrina lay bilaogera @ngimbis [6]:

Jesoa eo amin'ny rindrina ao Odza! Ry namana, mila masom-pijerena avy any an-danitra ny mijery azy an?

Maro kosa ireo nahita izany ho mahatsikaiky raha nisafidy an'i Kamerona i Jesoa hisehoana:

Niverina i Jesoa ?? tpt na dia hiverina aza Jesosy dia tsy ho ao Kamerona… izany mihitsy !

Tsy kisendrasendra ny nisehoan'i Jesosy tao Odza, akaikin'i Nsimalen, faritra notadidian'ny maro ho efa nisehoan'i Maria, renin'i Jesoa tamin'ny volana Mey 1986 ihany koa:

Toa nifindra tamina fokontany roa mifanakaiky i Jesosy sy ny reniny: Odza sy Nsimalen!! Voatahy i Kamerona

 Niverina tamin'ny adihevitra taloha mikasika ny razana niavian'i Jesosy kosa i @ntrjack [11] :

Ry namana, na dia tamin'ny fisehoany aza i Jesoa dia fotsy. Tapitra ny adihevitra

 @lesikanel [15] nivazivazy hoe:

Mbola miandry foana ny fandefasana Selfie miaraka amin'i Jesoa ao Odza aho

Hoan'ny sasany, fanararaotana hanaovana fanehoan-kevitra ara-tsosialy sy ara-politika ny fisehoan'i Jesosy. Hoan'i @TjatBass [17], tsy misy fiantrakainy ny fisehoan'i Jesoa tao Yaoundé:

Tena tian'i Jesoa i Kamerona a! Saingy misy foana ny fahantrana, maro ny tsy rariny ary maro ireo olona maty.

@ngimbis [6] kosa nampatsiahy ny Kameroniana fa sady tsy hita no tsy heno ny filoha Paul Biya hatramin'ny nanatrehany ny Fihaonam-ben'i Afrika-Vondrona Eoropeana tao Bruxelles tamin'ny 2 sy 3 aprily 2014 :

Raha izany tokoa, hoavy hisolo vonjimaika an'ny filohantsika izay tsy hita nanomboka tamin'ny fihaonamben'i Vondrona Eoropeana i Jesoan'i Odza.

Niroborobo ny bizina tao Odza hatramin'ny nisian'ny fisehoan'i Jesoa. Anisan'izany ireo tompon'ny trano izay voalaza fa nisehoan'i Jesosy ary mangataka fanomezana ankehitriny:

Niseho tao Kamerona ao Yaoundé tao an-tranon'olona i Jesoa zanak'Andriamanitra nandritra ny herinandro masina. Andoavam-bola ny miditra amin'izany.

Herinandro taorian'ny nanombohan'ity tantaran'i Jesosy tao Odza ity, mbola marobe ireo manao fivahinianana [22]ao Odza raha toa mbola mitohy kosa ny mandrangitra ny adihevitra [23] mikasika ny tena fahamarinan'ity fisehoan'i Jesoa ity. Mandritra izany, ny fijery tena manjaka amin'izao dia ity nolazain'i @Difredsimpson [24] tamin'ny fomba miavaka ity:

Jesoa ao Yaoudé hahahahaha, hadalana taimboraky ny volana