- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Fihetsiketsehan'ny Mpianatra Iraniana Nandritra Ny Kabarin'ireo Politisiana Mpandala Ny Mahazatra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Nihiaka teny filamatry ny mpanohitra ny vondrona mpianatra iray ao amin'ny Oniversiten'i Amirkabir [1] ao Tehran, Iran ary nilanja sorabaventy sy nanofahofa sainam-pirenena Iraniana nandritra ny kabary nataon'ilay kandida mpandala ny nentin-drazana resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sady lehiben'ny fifampiraharahana ara-nokleary teo aloha, Saeed Jalili, [2] tamin'ny 14 Avrily 2014.

Hiakam-Panohanana an'i Mir Hussein Mousavi [3] sy Mehdi Karroubi [4], lehiben'ny Hetsika Maintso (Green Movement) [5] izay nanozongozona ny firenena taorian'ny nahalany indray an'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad [6] tamin'ny  taona 2009 ireo hiaka natao ireo. Nolazain'ireo mpanao fihetsiketsehana fa feno hosoka ny valim-pifidianana tamin'izany ka an-tapitrasany ireo nidina an-dalambe mba hanaisotra an'i Ahmadinejad.

Saingy nanomboka nanao famoretana faobe [7]tamin'ny hetsika nanomboka ny 2010 ireo manampahefana, ka notànana [8] tsy mahazo mivoaka ny trano iambenana azy i Moussavi sy i Karroubi, kandida roa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena, ary tahaka izany koa ny vadin'i Moussavi, Zahra Rahnavar tamin'ny 14 Febroary 2011.

Hoy ny hiakan'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversite AmirKabir hoe: «Hoan'ny praiminisitr'i imam ny safidinay”, izay manondro an'i Moussavi, izay praiminisitra tamin'ny taona 1980 hatramin'ny taona 1988 nandritra ny fitondran'i Ruhollah Khomeini, mpitarika faratampony.

Nandritra fotoana izany, nihiaka hoe “miala i Etazonia” ireo mpianatra mpandala ny nentim-paharazana (kaonservativa) Basiji nipetraka tao amin'ny voalohan-daharana.” Hita amin'ny fiafaran'ity lahatsary Youtube ity izy ireo, raha toa ka ireo mpianatra mpomba ny mpanohitra no hita voalohany amin'izany:

Ny lohahevitra lehibe nataon'i Jalili dia ny zava-bitany ara-nokleary [9]tamin'ny firenena.

Nisioka [10]i Alireza Taba fa niharan'ny sazy eny amin'ny oniversite ny sasany tamin'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana avy eo:
 

Farafahakeliny, mpianatra sivy nanao fihetsiketsehana nandritra ny kabarin'i Jalili no nampanantsoina tao amin'ny komity misahana ny fitsipi-pipehezana sy ny fanasaziana.

Hanif Z.Kashani nitatitra hoe [14]:

Nahatsindry ny “Antokon'ny Nokleary” sy ny mpianatra Basiji ary ny hiakany ka nampivoaka an'i Saeed Jalili ny mpianatra

Tao amin'ny Twitter, nisioka [19] momba ny fihetsiketsehana i amirHP:

Tonga tamin'ny hetsika andron'ny angovo i Jalili saingy ireo teny filamatra manohana an'i Mousavi no teny filamatra tena nanjakazaka tao.

Mpisera Asame nanoratra hoe [23]:

Tsy maninonaizay eo na [ ny filoha Iraniana ankehitriny] Hassan [Rouhani] na Hussein [Moussavi], mitohy hatrany ny hetsika.