Tonizia: “Izaho Koa Efa Nandrehitra Tobinà Polisy”

Fanentanana tety anaty media sosialy nataon'ireo Toniziana mpisera anaty aterineto ny “Izaho Koa Efa Nandrehitra Tobinà Polisy”, ho firaisankina amin'ireo marobe mpanao hetsi-panoherana voahenjika ho “nandoro tobinà polisy” sy hafa ho “nanao asa fandrobàna” nandritry ny revolisiona tamin'ny 2011.

Tamin'ny 20 Aprily dia nibitsika i Azyz Amami, bilaogera [ar] hoe :

Izaho Koa Efa Nandrehitra Tobinà Polisy: fanentanana iray ho fanohanana ireo mpikatroka mafàna fo sy tanora nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin'ny revolisiona

Izay indrindra, marobe ireo tovolahy miatrika fanenjehan ara-pitsarana noho ny hetsi-panoherana nataon'izy ireo nandritry ny revolisiona 2011 izay namàrana ny 23 taona nitondràn'ny Filoha tsy refesi-mandidy teo aloha, Zeine el Abidin Ben Ali.

'Revolution is not a crime', by facebook page I too set a police station on fire.

‘Tsy heloka bevava ny Revolisiona’, avy ao amin'ny pejy facebook “I too set a police station on fire” (Izaho Koa Efa Nandrehitra Tobinà Polisy)

Anisan'ireny i Saber Mraihi izay efa nandany taona iray mahery tsy nisy fitsaràna tany am-ponja noho ny fanendrikendrehana azy ho “nidaroka manampahefan'ny polisy”. Herintaona taorian'ilay voalaza ho herisetra nataony no nisamborana an'i Mraihi, niainga avy taminà lahatsary iray izay voalaza fa nitenenany hoe : “Raha mbola eto koa izahay, tsy handingana eto ireo alika ireo [mantsy ireo manampahefan'ny polisy].” Tamin'ny Janoary lasa teo, navotsotry ny fitsarana i Mraihi nony farany taorian'ny didy nanafaka azy tamin'ny Mai 2013.

Mandritra izany, ny Martsa tamin'ny taona lasa, fitsaràna Toniziana iray no nanameloka olona 10 mpanao hetsi-panoherana hifonja tsirairay avy 10 taona an-tranomaizina noho ny fandoroana tobinà polisy tao an-tanànan'i Ajim, tao amin'ny nosy Djerba, ho valin'ny tifitra nataon'ny manampahefana iray avy ao amin'ny polisy ka nahafaty mponina iray tao an-toerana.

Araka ny lisitra iray natsangan'ilay pejy Facebook, I too set a police station on fire, misy amin'ireo enjehana amin'izao fotoana ihany koa no havan'ireo mpanao hetsi-panoherana maty nandritry ny revolisiona, isan'ireny i Helmi Cheniti sy Isam Amri, izay maty tao Thala, afovoany atsinanan'i Tnizia ny rahalahin'izy ireo, iray tamin'ireo tanàna anatiny voalohany indrindra nitroatra nanohitra ny fitondràn'i Ben Ali.

Ho an'ireo mpanohana an-dry zareo, marobe amin'ireo vesatra ireo no “noforomporonina” ary ny fandoroana tobinà polisy tamin'izany fotoana izany dia hetsika fiarovantena ara-drariny raha jerena ny haavon'ny famoretana nataon'ny polisy izay niteraka tamin'ny fahafatesan'olona am-polony maro sy naharatràna marobe nandritra ireo hetsi-panoherana tamin'ny faramparan'ny 2010 sy ny fiandohan'ny 2011.

'We were the ones who set police stations on fire and you were the ones who killed the martyrs'

‘Izahay no nandoro tobinà polisy ary ianareo no ireo namono ireo maritiora’

Manoratra ho an'ny [fr] bilaogy itambaram-be Nawaat, ambaran'i Henda Chennaoui fa mitaky ny hanaovana “ny hetsika revolisionera ho toe-draharaha ara-drariny” ilay fanentanana.

Nofaritany ho “mitanila” ihany koa ireo fitsarana natao :

la liste des procès contre les jeunes de la révolution est longue. Les accusations sont souvent les mêmes ; formation d’un gang, diffamation, trouble à l’ordre public et violence contre la police. Beaucoup d’entre eux ont été arrêté et incarcéré, pendant des semaines, voire des mois, avant leurs procès. Les plus chanceux ont bénéficié d’une médiatisation. Les autres croupissent dans un semblant d’exil, comme le cas de Jihed Mabrouk, blessé de la révolution. Actuellement au Maroc, il a été condamné à trois mois de prison et une amende pour avoir dénoncé un des symboles du RCD dans sa ville, à Mahdia.

Lavabe ny lisitra misy ireo tanora henjehana noho ny revolisiona. Mazàna no mitovy daholo ny vesatra; fananganana andian'olona,fanalàna baraka, fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ary herisetra natao taminà polisy. Maro tamin'izy ireny no nosamborina sy nofonjaina nandritra ny herinandro maro, am-bolana mihitsy aza talohan'ny [nanombohan'ny] fitsarana azy ireo. Izay tena tsara vintana tamin'izy ireny dia nahazo fandrakofana avy amin'ny mpampita vaovao. Ireo hafa indray dia toy ny niforitra taminà karazana fanaovana sesitany, toa an'i Jihed Mabrouk, izay naratra nandritra ilay revolisiona. Any Maraoka izy ankehitrny, voaheloka hifonja telo volana an-tranomaizina sy handoa onitra noho ny fiampangàna olona ambony iray avy amin'ny RCD [ny antoko politika nitondra tamin'ny andron'i Ben Ali] tao an-tanànany , Mahdia

Ao amin'ny Twitter, naneho ny hetahetany handoro tobinà polisy bebe kokoa i Sarah Saidi :

Efa vonona ny ho henjehana amin'ilay lalàna manohitra ny fampihorohoroana izahay. Nandoro tobinà polisy aho ary mangetaheta ny mbola handoro misimisy kokoa raha mbola mandoro ny nofinofinay izy ireny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.