- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Firoboroboan'i Shina, Mihisatra Noho Ny Fiatrehany Fanamby Ara-toekarena

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Nitombo [1] 7.4 isan-jato ny harin-karena faobe tao Shina tato anatin'ny efatra volana voalohan'ny 2014, ny ambany indrindra hatramin'ny efatra volana farany ho an'ny taona 2012, marika maneho fa mizotra aminà làlana mitsontsorika ny toekarena faharoa matanjaka indrindra erantany.

Nihoatra ny vinavina [2] noeritreretina tany aloha ilay firoboroboana, saingy latsaka ambanin'ny 7.7 isan-jato raha mitaha ny tamin'ny taona lasa ho an'io vanim-potoana io. 

GDP

Ny lanitr'i Shanghai. Dikasary nalaina tao amin'ny  Youku.

Ireo angona hafa navoaka dia naneho fa niakatra 8.8 isan-jato ny vokatra indostrialy tamin'ny Martsa raha ampitahaina tamin'ny taona lasa, tarehimarika ambany noho izay nandrasana. Nahitàna fitomboana 12.2 isan-jato kosa ny varotra antsinjarany, manasongadina ny ezaka nataon'ny governemanta ho fanamafisana ny fanjifàna ao an-toerana. 

Maneho endrika toekarena Shinoa marefo ireo angona tany aloha. Tao anatin'ny efatra volana voalohany tamin'ity taona ity, nihena ny fanafàrana sy fanondranana entana, araka ny voalazan'ny Biraom-pirenena misahana ny Antontanisa ao Shina. 

Ny tarehimarika vaovao navoaka tamin'ny 16 Aprily 2014 dia tonga taty aorian'ny herinandro nanomezan'ny Praiminisitra Shinoa, Li Keqiang toky manoloana ny fihisaran'ny toekarena fa mety tsy mila miditra amin'ny resaka drafitra fanarenana ny firenena. Nandritra ny olana ara-toekarena tamin'ny 2009, nanampy tosika ny firoboroboana ara-toekarena narefo erantany i Shina tamin'ny alàlan'ny drafitra fanarenana anatiny faobe nampihariny mba ho fanohanana ny toekarena Shinoa.

Amin'izao fotoana efa miarin-doha tsikelikely tamin'ny fahavoazany izao i Eoropa sy Etazonia, mihitsoka anaty fanamby ara-toekarena kosa i Shina, miainga amin'ny taham-piroboroboana mihisatra sy ny risika ara-bola mifamatotra amin'ny olan'ny resaka fampindramam-bolan'ny banky.

Ny governemanta Shinoa eo ambanin'ny mpitondra azy amin'izao fotoana izao dia nametraka ny 7.5 isan-jato ho taham-piroboroboana ara-toekarena ho an'ny 2014.

Ao amin'ny Sina Webo, sehatra fanaovana bilaogy bitika toy ny Twitter, mpampiasa iray antsoina hoe “Can't find object” (Tsy afa-mahita ny antony) no nampitandrina [3] momba ny loza goavana ateraky ny fihisatry ny toekarena: 

欧美人口基本稳定了,经济体系工业体系也稳定了。中国人口现在还在增长,而且经济体系也没全面转型到工业化现代化自动化,所以经济增长缓不得,一缓就是大量的就业压力和失业问题。但也不能太多,太多了就是虚高,或者是透支性成长

Azo ambara ho efa marintoerana ny fitombon'ny mponina ao Eoropa sy Etazonia, dia manaraka izany koa ny rafitra ara-toekaren-dry zareo. Ny vahoaka Shinoa mbola mitombo hatrany, ary ny toekareny tsy mbola nahatratra ihany ny haavo izay afaka ahitàna fampanarahana toetr'andro sy mba hampandeha tsy voizina ny indostriany. Noho izany, tsy azo ahisatra ny firoboroboana ara-toekarena, na hitombo indray ny olan'ny tsy fananana asa. Nefa tsy azo avela ho avo loatra indray koa, fa raha tsy izany dia ho endrika firoboroboana hanohintohina sy hampandefitra ny zavatra hafa ilay izy.

 Nitarainan'i Daina [4] ny mikasika ny maha-mitombina ireo tarehimarika navoakan'ny manampahefana Shinoa ireo : 

从不相信统计局发布的数据!假打。

Tsy mino velively ireo tarehimarika avy amin'ny Biraom-pirenena misahana ny antontanisa aho, sandoka ireo.

 Dongdeng, mpikaroka momba ny ara-bola, nilaza am-pahamalinana hoe [5]

6%至8%的GDP增长率,将是我国未来30年的适度增长区间,这也是保证高质量经济增长的重要前提。地方政府切莫喜快贪功,不顾长远利益及经济增长质量,片面追求高速度,结果一定是透支后代、害人害己的。当务之急必须推行经济转型、产业升级战略。一季度GDP同比增7.4% 仍在合理区间。 

Ny taham-piroboroboana eo anelanelan'ny 6 sy 8 isan-jato no tarehimarika mendrika ny firoboroboana ho an'i Shina ato anatin'ny 30 taona hoavy. Varavarana misokatra ho amin'ny firoboroboana tsara kalitao ihany koa io. Tsy tokony hijery mitanila ny governemanta eto an-toerana ary tsy hikendry fotsiny ny taham-piroboroboana, fa raha tsy izany dia hanimba be ny taranatsika hoavy. Ny maika tsy maintsy ataontsika izao dia ny mitolona ho amin'ny fanavaozana ara-toekarena sy ny fampanarahana toetrandro ny indostria. Mbola anatin'ny fetra azo ekena tsara ny taham-piroboroboana 7.4 isan-jato.