Nizeria : Miha-Mahery Vaika Ny Famonoana Ataon'ny Jihadista Boko Haram

Smoke and flames billow from the Police Headquarters car park Abuja, Nigeria. Photo by Ayemoba Godswill, copyright © Demotix (29?4?2013).

Setroka sy afo miakatra avy eo amin'ny toeram-piantsonan'ny fiara eo amin'ny toerana fitobian'ny mpitandro filaminana any Abuja, Nizeria. Nilaza ny Boko Haram fa ry zareo no tompon'andraikitra tamin'io fanapoahana baomba famonoan-tena io. Sary avy amin'i  Ayemoba Godswill, Fizakàmanana Demotix (29/4/2013).

Miady amin'ny Boko Haram, fikambanana silamo jihadista mpampihorohoro any avaratra atsinanan'i Nizeria, avaratr'i Kamerona sy Niger izay tompon'antoka tamin'ny faty olona an'arivony an-taonany maro lasa i Nizeria. 

Herinandro vitsy lasa izay, nahery vaika ny famonoana ireo Nizeriana tsy manan-tsiny sy ireo mahantra nataon'io vondrona io ary tamin'ny herinandro lasa teo dia namono mpianatra maherin'ny roambin'ny folo izay nandeha hisoratra hanao fanadinana hidirana amin'ny oniversite tany amin'ny fanjakan'i Borno ry zareo. Noahiahiana ho tao ambadik'ilay baomba nipoaka teo amin'ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka tao Nyanya tao Abuja renivohitra ka nahafatesana olona maherin'ny 70 ny Boko Haram. 

Naka ankeriny ankizivavy manodidina ny 100 tao amin'ny sekolin-jazavavy ambarataonga faharoa an'ny fanjakana tany Chibok tokotokony ho eo amin'ny 130 kilometatra andrefan'i Maiduguri any avaratra atsinanan'i Nizeria io vondrona io, andro vitsivitsy laza izay. 

Tamin'ny taon-dasa, notifirin'ny Boko Haram  ireo mpianatra tao amin'ny sekoly fianarana momba ny fambolena ao amin'ny fanjakan'i Yobe ka nahafaty ireo mpianatra roambin'ny folo, 18 ka hatrami'ny 22  taona raha iny zareo mbola sondrian-tory tao amin'ny trano fatorianay iny. Voatantara amin'ny antsipirihany ato amin'ity lahatsoratra ity ny tantaran'ny famonoana olona nataon'io vondrona io hatramin'ny 2012. 

Nomelohin'ny ankamaroan'ny Nizeriana mpisera amin'ny aterineto, tezitra tamin'ilay heloka bevava farany teo, ny Filoha Goodluck Jonathan noho ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana eo amin'ny firenena :

Raha mbola nandrafitra ny fomba hanoratana ny famangiana manjo ny governemanta federaly sy ireo tompon'andraikitra amin'ny fandriampahalemana,  mitohy tsy mitsaha-mitombo ny BOKO HARAM

Ny sasany kosa mihevitra fa tsy nanao izay tokony ho nataony ny filoha : 

Manao izay tiany ny Boko Haram ary mbola sahirana amin'ny kabariny ny Filoha. Tsy misy fandraisana andraikitra, tsy mampino ny fanambonian-tena

Nidera ny Kolonely Sambo Dasuki, Mpanolotsaina nasionalin'ny fiarovana Nizeriana i @toluogunlesi :

Nanao hetsika nahaliana i Dasuki tamin'ny volana lasa, tafiditra amin'ny tetikadiny ho fanoherana ny mpampihorohoro. Raha mba nahavonjy aina mantsy izany fihetsika izany

Iza no mamatsy vola ny Boko Haram, hoy ny fanontanian'i Henry Bature Okelue:

Manantena aho fa indray andro any, holazain'ny governemanta antsika ny ampamoaka momba ny mpamatsy vola sy atidoha ao ambadiky ny Boko Haram.

Photo released under Creative Commons by Wikipedia user Bohr.

Ireo fanjakana Nizeriana iasan'ny Boko Haram. Sary navoaka tamin'ny alàlan'ny Creative Commons, an'ny mpampiasa Wikipedia Bohr.

Nisy mpisera amin'ny Twitter iray niantso ny hamonoana ireo mpikambana rehetra ao amin'ny Boko Haram:

Ny famonoana ihany no hany vahaolana tokana amin'ity raharaha ity. Tokony ho vonoina ireo mpikambana tsirairay ao amin'ny Boko Haram

Tahotry ny famonoana sy tebiteby ho an'ireo niharam-boina:

Mbola tsy azoko ny anton'ny fakàna ankeriny ankizivavy 200 avy tany an-tsekoly nataon'ny boko haram, mbola mamadibadika aho

Zava-doza ny fangalan'ny # BokoHaram ankizivavy 100. Tsy maintsy mamaky ny ady amin'ny miaramila sy BokoHaram i Goodluck Jonathan. MAmongotra an-dry zareo ireo.

Nanontany tena i @onigabby1 raha toa ka mbola misy ihany Nizeria :

Mbola i Nizeria ihany ve no Nizeria ? Sa repoblika federalin'ny boko haram. Mamangy amin'ny fahoriana ireo izay niharam-boina tamin'ny fipoahana baomba aho

Inona no vahaolana ? :

@9ja_travel: ny vahaolana amin'io asa fampihorohoron'ny Boko haram io?” Raha ny marina dia tsy misy, tokony ahena fotsiny ny fihanaky ny asan'izy ireo.

Nanainga ireo mpikatroka mafàna fo hanao hetsi-panoherana i @LovBwise:

Ry mpikatroka mafana fo, azafady, azontsika aseho amin'ny hetsika amin'ity faran'ny herinandro ity ve ny fanoherana ireo mpamatsy ny boko haram  ?

Nandray fepetra i @opinion_river : 

Tsy ny Filoha Goodluck Jonathan no namorona ny Boko-Haram. Efa nisy talohan'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana io sekta io. Saingy tsy nisy zavatra nataony mba hamotehana izany.

Niantso fivavahana ny sasany :

Mbà manokàna 5 minitra amin'ny 12 ka hatramin'ny 12:05mn mitataovovonana hivavaka hoe : ANDRIAMANITRA O vonjeo ireo ankizivavy tsy manana hery fiarovana nalain'ny Boko Haram tany Borno

Raha toa ka miantso zavatra ambony noho ny vavaka ny hafa : 

Rehefa mivavaka ho an'ireo voatanan'ny Boko Haram dia ny paikady no TSY MAINTSY loha-laharana amin'ny vavaka.#noxveritas

Manam-panantenana ny mpisera @naitwt :

RT farany. Manadala, mampivoraka ary mandrava ireo mpampihorohoro miampy ireo mpamatsy sy ireo mpomba azy – saingy tsy hahomby izy ireo ary hanjaka isika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.