Tsy iadian-kevitra ny fahoriana manototra ny literatiora. Gabriel García Márquez, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Gabo, no mpisava làlana tamin'ny antsona hoe “tena izy mahagaga” ary na dia momba ny fitiavana aza ny sasany tamin'ny asany, ny fientanentany sy ireo tantara sasany mahafinaritra mikasika ny tanàna nahaterahany, Aracataca, dia nahazo mpanjohy na dia tany amin'ny toerana lavitra toa an'i Shina sy Iran aza.
Nanohina ireo Amerikana mpanaraka akaiky ny asany ny fahafatesany. Lasa lavitra tokoa ny asany ka na dia ilay olo-malaza Oprah Winfrey aza nampiditra ny “Fitiavana amin'ny Fotoanan'ny kolerà” tao amin'ny fikambanana mpamaky boky voafantina ary nametraka io ho “iray amin'ireo tantaram-pitiavana lehibe indrindra novakiako.
Tamin'ny tolakandron'ny 17 Aprily, raha vantany vao nampafantarina tamin'ny rehetra ny fahafatesany, nanao fanambaràna tao amin'ny Twitter ny Trano Fotsy ary nampiasa ny tenifototra #GraciasGabo (#MisaotraGabo):
#GraciasGabo. http://t.co/6krPIVgzDO, pic.twitter.com/E7NIo24f3y
Araka ny hita any anatin'ny ankamaroan'ireo bitsika, samy nametraka fahatsiarovana ny tsirairay tamin'ny fametrahana fehezanteny notsongaina avy amin'ny asany :
“A person doesn’t die when he should but when he can.”-Gabriel García Márquez #RIP
— mrs saripali (@leelah_veevie) April 18, 2014
“Tsy rehefa tokony ho faty ny olona iray no maty fa rehefa afaka maty.”-Gabriel García Márquez #RIP
#GabrielGarciaMarquez passes, age 87. Possibly the greatest writer of our time, perhaps among the greatest ever. http://t.co/ezeenCxrqk
— Jonah Blank (@JonahBlank) April 18, 2014
maty i #GabrielGarciaMarquez, 87 taona. Mety mpanoratra lehibe indrindra izao androntsika izao, mety ho anisan'ny lehibe indrindra hatrizay mihitsy.
RIP Gabriel Garcia Marquez, a monument in literature, thank you dear man for enlightening my life with your writing.
— Sebastian Roché (@sebroche) April 18, 2014
MAP Gabriel Garcia Marquez, tsangambaton'ny literatiora, misaotra indrindra ry namana nanazava ny fiainako tamin'ny soratra nataonao.
Thank God for Magical Realism. RIP Gabriel Garcia Marquez
— Marisa (@marisazavala) April 18, 2014
Misaotra ry Tompo tamin'ilay Tena izy Mahagaga. MAP Gabriel Garcia Marquez
Ny sasany, toa an'i Ioan Grillo, mpano gazety, dia nanome loharanom-baovao mahaliana momba ny fifandraisan'i Gabo sy Etazonia vokatry ny firehany ara-ideolojia :
Los Estados Unidos nego Gabriel Garcia Marquez una visa durante 30 anos por ha sido “comunista.” Bill Clinton (fan) al final le dejo entrar.
— Ioan Grillo (@ioangrillo) April 18, 2014
Nolavin'ny Etazonia nandritra ny 30 taona ny taratasy fahafahan‘i Gabriel Garcia Marquez niditra tany noho izy “kaomionista”. Bill Clinton (mpakafy azy) no namela azy hiditra nony farany.
Ny mpampiasa Twitter sasany nanamafy ny fifandirana nisy teo amin'ny Gabo sy ny diplaomasia Amerikana:
#GabrielGarcíaMárquez debido a sus puntos de vista sobre el imperialismo de Estados Unidos, fue etiquetado como subversivo
— Maria Jesus Pola (@susipolaz) April 17, 2014
#GabrielGarciaMarquez was tagged as subversive due to his points of view on American imperialism
#GabrielGarciaMarquez dia nopetahana ho mpanelingelina noho ny fomba fijeriny ny fanjakazakàna ataon'ny Amerikana.