Dia Veloma Atoa Durov, ary Misaotra Tamin'izay Natao

Pavel Durov, voaroaka, tokoa tamin'ny Vkontakte. Sary namboarin'ny mpanoratra.
Taorian'ny herintaona nanjakan'ny tsaho, dia nandroaka ny mpanorina sady Filoha Tale Jeneraliny, Pavel Durov, ihany ireo mpitana ny renivolan'ny Vkontakte, tambajotra sosialin'i Rosia lehibe indrindra. Ao anatin'ny fanapahakevitra hafahafa momba ny raharaha anatin'ny VK, dia nofaranan'ny orinasa androany (fotoana nanoratana ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy) amin'izay lazainy ho noho ny antony teknika ny asan'ny mpanorina azy, ka nilazany fa tsy nofoanan'i Durov mihitsy ny taratasy fialany tamin'ny 21 marsa 2014. Efa nilaza ampahibemaso anefa i Durov fa tsy nihevitra ny hiala amin'ny VK izy, ka nilaza fa misy ampahany fetin'ny lainga iny ary misy ampahany paikady hanosehany ny mpifaninana aminy hihetsika.
Nilaza amin'izao fotoana izao ny Vkontakte fa tsy niverin-dalana tamin'ny fialany mihitsy i Durov. Nilaza tamin'ny fampitam-baovao ny tale amin'izao fotoana, Dmitri Sergeev (ilay lehilahy vao niaro an'i Durov tamin'ny fanodikodinana ny volan'ny orinasa tamin'ny volana marsa teo) fa iray volana izany no lasa tamin'ny nilazan'i Durov tamin'ny filakevi-pitantanan'ny VK ny fikasany hiala, ka mihatra amin'izao fotoana izao ny fialany.
Maro ny fotoana tamin'ny herintaona ny heverina fa efa vita ny fandroahana an'i Durov amin'ny Vkontakte. Isaky ny mitranga ny tahaka izany dia miezaka ny mitazona ny asany ity tanora manampahaizana 29 taona amin'izao fotoana izao tsy mety fehezina ity. Na dia mbola mila fintandremana aza, dia afa-manambara ihany izahay fa tonga eo amin'ny gara fialany i Durov. Tamin'ny herinandro, angamba hiomanany amin'ny vaovaon'ny androany (tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra), dia navoakany fa nanindry ny Vkontakte ny governemanta rosiana hizara ny ango-tahiry (data) ao aminy momba ireo mpandrindra ny Vondrona Euromaidan sy hanakatona ny vondron'i Alexey Navalny miady amin'ny kolikoly ao aminy. Tamin'ireo fotoana roa ireo, dia nilaza i Durov fa nataony niala maina ny manampahefana federaly. Ankehitriny, tonga angamba ny valin-kafatra avy amin'ireo Rosiana mpifehy ny fahefana.
Tao amin'ny fanambarana nivoaka tao amin'ny pejiny Vkontakte androany i Durov no namoaka ny fanapaha-keviny “hanaiky ny fialany,” milaza fa eo ambany fifehezan'i Alisher Usmanov, izay miara-tompon'ny vondrona Mail.ru (mpitana ny ampahan-drenivola betsaka ao amin'ny VK), sy Igor Sechin, izay lazain'ny tsaho ho manana fifandraisana UCP (mitana ampahan-drenivola kely ao amin'ny VK) ankehitriny ny orinasa. Ny mahavariana, dia tsy nanonona mihitsy ny anaran'i Ilya Sherbovich, filohan'ny UCP, i Durov, fa nivantana avy hatrany any amin'i Sechin, izay malaza ho “ray mpiahy” ny orinasa.
Izao manaraka izao kosa dia ny dikantsoratra manontolo tamin'ny fanambarana nataon'i Durov tamin'ny 21 Avrily 2014.
Судя по новостям, в результате моего публичного отказа на прошлой неделе, сегодня меня уволили с должности генерального директора ВКонтакте. Интересно, что у акционеров не хватило смелости сделать это прямо, и о своем загадочном увольнении я узнаю из прессы.
Как сообщается, совет директоров ВКонтакте сегодня *внезапно* обнаружил, что отзыв моего заявления об уходе с поста генерального директора 3 апреля (который они до этого публично приняли), оказался оформлен “не по всем правилам”, поэтому я автоматически освобождаюсь от должности. Насколько я понимаю, эта непрозрачная позиция является общей для всех акционеров.
Таким образом, сегодня ВКонтакте переходит под полный контроль Игоря Сечина и Алишера Усманова. Наверное, в российских условиях нечто подобное было неизбежно, но я рад, что мы продержались 7 с половиной лет. Мы многое успели. И часть того, что было сделано, уже не обратить вспять.
Raha jerena amin'ny alalan'ny vaovao, ho setrin'ny fandavako [hiasa miaraka amin'i Kremlin] tamin'ny herinandro, dia noroahin-dry zareo amin'ny maha tale jeneralin'ny Vkontakte ahy aho. Mahavariana fa tsy nahasahy niteny izany mivantana tamiko ireo mpitana ampahan-drenivola, tamin'ny alalan'ny famoaham-baovao no nandrenesako ny fialako.
Notaterina fa nanapa-kevitra *tampoka* ny filakevi-pitantanan'ny VK androany fa ny taratasy fametrahako fialana (izay efa neken-dry zareo ampahibemaso hatramin'izao) dia “tsy mifanaraka amin'ny fitsipika mipetraka,” ka noho izany dia miala hoazy amin'ny toerana misy ahy aho. Araka ny fahazoako azy dia mitovy hevitra amin'ity hevitra tsy mazava ity ny mpitana ampahan-drenivola rehetra.
Vokatr'izany dia eo ambany saokan'i Igor Sechin sy Alisher Usmanov manontolo ny Vkontakte androany. Raha jerena ny toe-draharaha rosiana, dia tsy azo idifiana hatramin'ny voalohany ny tranga tahaka izao, saingy faly aho fa nahajoro fito taona sy tapany izahay. Nahavita zavatra maro izahay. Ary tsy azo niverenan-dalana ny zavatra sasantsasany nataonay.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...