Iza no nihevitra fa tavoahangin-divay iray no hitàna ny laharana 7 amin'ireo lohahevitra 10 voalohany malaza ao amin'ny Twitter ao Aostralia. Divay mena 1959 Grange Hermitage mitentina $A 3000 [2800 dolara Amerikana] iray natao fanomezana no nampidaboka ny Praiminisitr'i Wales Atsimo Vaovao, Barry O’Farrell . Tsy toerana nofinofisina hanaovana “fanadinoana goavana” ny fijoroana eo amin'ny hazomeloky ny (toera-pijoroan'ny vavolombelona) ny Vaomiera Mahaleotena Miady Amin'ny Kolikoly (ICAC). Taratasim-pankasitrahana iray nosoratan-tanana no namoaka ny madilana tamin'ny fijoroany vavolombelona ka nitarika ny fialàny.
Mampihinjaka ny siokantserasera ny vaovao mafana. Misy ny tsy azo nosorohana:
maybe he shouldn't have drunk the whole bottle if he wanted to remember it #grangegate [2]
— Victoria Isaac (@visaac) April 16, 2014 [3]
Angamba tsy tokony nosotroiny daholo ny iray tavoahangy raha te-hahatadidy izany izy
Typical lazy media must u add “gate” to a word every time there's a political “scandal”? #grangegate [2] is not anything.
— David (@undeactiv8) April 16, 2014 [4]
Ry media miavaka amin'ny fahakamoana, tsy maintsy manampy ny “gate” amin'ny voambolana iray ve ianao isaky ny misy “hadalana-fanafintohinana” ara-politika? tsy midika inona loatra ny #grangegate [2].
Mazava ho azy fa nalaza haingana tao amin'ny aterineto ilay taratasy fisaorana:
Former NSW Premier O'Farrell confident his #GrangeGate [5] thank you note can achieve more RTs than Ellen's Oscar selfie: pic.twitter.com/XhOWje7oMJ [6]
— Josh Nelson (@philmology) April 16, 2014 [7]
Mahazo matoky ny Praiminisitr'i NSW (Wales Atsimo Vaovao ) O'Farrell fa mety maro mpampita sioka (RTs) noho ny “selfie” nataon'i Ellen tamin'ny Oscar ny taratasim-pisaorany #GrangeGate [5]
Marobe ireo resaka antserasera manontany raha mifanentana amin'ny vidiny tokoa ilay divay malaza Penfold taona 1959. Ben Cubby, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Sydney Morning Herald, nametraka rohy misy lahatsoratra navoakan'ny mpanoratra momba ny divay tao amin'ny gazetiny:
Here's a review of the mysterious 1959 Grange by Fairfax wine expert Huon Hooke: http://t.co/lgCxV1vdcN [8] #ICAC [9] #grangegate [2]
— Ben Cubby (@bencubby) April 16, 2014 [10]
Indro ny fandalinana mikasika ilay divay mahavariana 1959 Grange nataon'ilay manam-pahaizana momba divay Fairfax, Huon Hooke
Nisy ihany koa aza taratasy hosoka avy amina mpanao politika sandoka [Ny tena Christopher Pyne dia minisitra federalin'ny Fampianarana ary mpiray antoko politika amin'i O'Farrell]:
Wow I hope they don't find Barry's notes to me. #auspol [11] #nswpol [12] pic.twitter.com/FcCHAWH8Dt [13]
— Fake Chris Pyne (@FakeChrisPyne) April 16, 2014 [14]
Oay o! Manantena aho fa tsy nahita ny taratasin'i Barry ho ahy ry zareo
Nanaparitaka zavatra tsy misy dikany ny Praiministra:
With the benefit of hindsight O'Farrell would have been better off denying he had sexual relations with that bottle. #Grangegate [15]
— Good Sir Knight (@BrigadierSlog) April 16, 2014 [16]
Raha nandinika tsara, tsara kokoa raha nandà ho tsy nanao firaisana tamin'ity tavoahangy ity i O'Farrell.
Tokony ho andro feno fandaharam-potoana hoan'ny praiminisitra tamin'io. Tokony hanatontosa valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety miaraka amin'ny Praiminisitra Tony Abbott izy mba hanambara famatsiam-bola hanamboarana lalana hoan'ny seranam-piaramanidina faharoa ao Sydney sy hampiantrano fanasana olom-pirenena ao amin'ny Trano Fanaovana Opera ao Sydney mba hoan'ireo andriambavy sy andriandahy lahy ao Cambridge. Saingy toa tsy hita izy.
1959 no taona nahaterahan'i Barry O'Farrell.