- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Wikitongues: Raketo An-tahiry Ny Tenim-pirenenao

Sokajy: Antsafa, Fanadihadiana Tranga, Mediam-bahoaka, Rising Voices
Screenshot from wikitongues.org (11-03-14)

Pikantsary avy amin'ny wikitongues.org (11-03-14)

Wikitongues [1] dia tetikasa vaovao mikendry handrakitra an-tahiry ireo tenim-pirenena 7000 manerana izao tontolo izao.

Miantso ny olona ny tetikasa mba handray anjara amin'ny fanatontosana lahatsary azy ireo manokana izay mampiasa ny tenin-dreniny, mety hoe Alemaina, Urdu, Swahili na hafa izany, ary amin'ny alalan'ny kaonty Youtube [2]no tena hanatontosana sy hizarana izany.

Manangana sehatra ahafahan'ny tsirairay mampiakatra ny lahatsarin'izy ireo manokana ankehitriny ny Wikitongues, manao izany ho tetikasa ifarimbonana- sy ho fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola. Manantena izy ireo fa ho tafakatra 100 ireo lahatsary 50 amin'ny faran'ny taona. Mpilatsaka an-tsitrapo antsoina hoe “ambasadaoro” monina any Soisa, Zimbaboe, Afrika Atsimo, Norvezy, Rosia ary Espaina no manampy amin'ny famoronana tahiry ahafahana mahazo fampafantarana mora foana.

Nilaza i Daniel Bogre Udell, mpiara-manorina ny tetikasa fa amin'ny fandraketana an-tahiry ireo olona isan-karazany avy amin'ny faritra samihafa mampiasa teny iray, dia manantena izy ireo hampiseho ny fisian'ny fampiharana ara-kolontsaina ny teny.

Ity ohatra iray amin'ny teny Anglisy, ahitana mpandray fitenenana avy ao Carolina Avaratra, Etazonia sy hafa iray avy ao Afrika Atsimo:



Misy ihany koa ny  sehatra natokana hoan'ireo mahay tenim-pirenena maro, olona miteny mihoatra ny tenim-pirenena iray :


Ahitana ilay antsoina mahazatra hoe “vitsy an'isa” tahaka ny K'iche [3] (Quiché), zana-bondron'ny teny Maya, avy ao Goatemala ihany koa ireo lahatsary. Na dia izany aza, malina kokoa ny vondrona ka tsy mijery ny maha-maro an'isa na vitsy an'isa ny teny ao amin'ny habaka, fa mampifandanja tsara ireo karazana fiteny manokana na firy na firy ny fitambaran'ny isan'ireo mpandray fitenena manerantany.

Misafidy “Tenim-pirenen'ny herinandro” ihany koa ny Wikitongues ao amin'ny bilaogy Tumblr azy ireo [4], ahitana ireo rohy sy vaovao momba ny teny tsirairay avy. Ny teny Basque ohatra no nosafidiana farany teo.

Azonao arahina ao amin'ny Instagram [5] sy Twitter [6]ny tetikasa – midira aterineto raha hizara ny lahatsarinao manokana .