- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihevitra Ny Filoha Mugabe Fa Mpanao Kolikoly Kokoa Noho i Zimbaboe i Nizeria

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Zimbaboe, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
President Robert Mugabe. Public Domain photo belonging to U.S. Air Force.

Filoha Robert Mugabe. Sary avy amin'ny Air Force Amerikana, azon'ny rehetra ampiasaina.

Niteraka fahatezerana teo amin'i Nizeria [1] ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'i Zimbaboe tamin'ny 15 Marsa 2014 nandritra ny fiaraha-misakafo fankalazana ny faha-90 taonany fa mpanao kolikoly i Nizeriana sy ny olom-pireneny.

Nanontany [2] i Mugabe : «Tahaka an'i Nizeria ve izahay ankehitriny izay tsy maintsy manome vola vao mahazo izay ilaina? Hitanao, mpankany Nizeria izahay ary tsy maintsy mitondra volabe fanampiny am-paosy mba handoavana kolikoly amin'ny zavatra rehetra isaky ny mankany. Tonga ao anatin'ny fiaramanidina ao Nizeria ianao ary efa mipetraka amin'ny seza, tsy manao na inona na inona tsy mamelona ny voromby anefa ireo mpiasa ao anatiny satria miandry omena vola izy ireo vao hanamory ny fiaramanidina”.

Noho izany fanambaran'i Mugabe izany, nampanantsoin'ny [3] governemanta Nizeriana ny solontena manokan'i Zimbabwe tamin'ny herinandro lasa . Na dia izany aza, nangataka [4] tamin'ny governemanta federaly ny Fikambanana Manohitra ireo Mpitondra Mpanao kolikoly ( CACOL ) ao Nizeria mba hiady amin'ilay fanambarana fa tsy amin'ilay mpampita hafatra (nanao fanambarana).

Mampiseho [5] ny tatitra momba ny kolikoly taona 2013 navoakan'ny Transparency International fa ambony noho ny ao Nizeria ny tahan'ny kolikoly ao Zimbaboe.

Niteraka fanehoan-kevitra mampiady hevitra tao amin'ny Twitter ilay fanehoan-kevitr'i Mugabe. Nisy ireo mpiserasera sasany nanamafy fa marina ny nolazainy:

@halelule Nilaza ny marina izy, ny marina rehetra, tsy misy afa-tsy ny marina.

.. 🙂 i Nizeria tafintohina no tokony ho vaovao misongadina eto fa tsy i  Mugabe: P

Toa nampangain'i #Mugabe ho nanjary tahaka an'i Nizeria ny Zimbaboeana raha resaka kolikoly no resahana. “Manaratsy ny hafa mitovy amin'ny tena”

Tena marina ny teny nambaran'i Robert Mugabe mikasika an'i Nizeria

Marina izay nolazain'i Mugabe momba an'i Nizeria saingy nilaza izany tamin'ny olona tsy tokony hiantefan'izany izy

Iangaviana an-tanan-droa, nahoana i Robert Mugabe no tokony hamoron-dainga mamely an'i Nizeria. Marina ve fa mpanao kolikoly ny Nizeriana?

Hoy i Mugabe “mpanao kolikoly avokoa ny Nizeriana rehetra” raha nanambara kosa ny banky iraisam-pirenena fa “i Nizeria no firenena mahantra indrindra ao AFrika”. fahantrana = kolikoly

Olona goavan'i Nizeria indrindra ny kolikoly. Tena mpanao kolikoly gaigilahy ireo mpitondra anay. Aza manome tsiny an'i Mugabe amin'ny ataony amin'ny firenentsika

Nampanantsoin'i Nizeria ny solontena manokana Zimbaboeana mikasika ilay fanehoan-kevitr'i Mugabe. Nizeriana aho saingy tsy hitako izay ratsy amin'ny fiantsoana ny saka ho saka (fiantsoana zavatra amin'ny anarany)

tppptt raha afaka manoka-bava hiantso an'i Nizeria ho mpanao kolikoly i Mugabe…miharihary fa manana olana isika…olana goavambe!

Mihevitra i @figure007 fa na dia nilaza ny marina aza i Mugabe, dia tsy manana fanamarinana fitsipi-pitondratena kosa izy:

Vakio fotsiny izay nolazain'i Robert Mugae mikasika an'i Nizeria, eny nilaza ny marina izy, saingy tsy manana fanamarinana fitsipi-pitondratena amin'ny filazana izany amin'ny maha-filoha amperinasa azy.

Ny sasany kosa tsy niombon-kevitra tamin'ny filazana kolikoly ao Nizeria :

Esoeso mampitaintaina avo lenta. Nopetahan'i Mugabe ho mpanao kolikoly i Nizeria.tpt. tanora loatra ilay devoly fantantsika raha hifanandrina amin'olona 90 taona.

Maninona raha hesorina aloha ny andry eo amin'ny mason'ny tena? Manafintohina an'i Nizeria ny fanehoan-kevitra momba ny kolikoly nataon'i Robert Mugabe

Manana fahasahiana manambany ny govermenta Nizeriana ho mpanao kolikoly i Mugabe. Manana herim-po ny governemantan'i Nizeria mahatsiaro voatsiratsira.

Manaratsy ny hafa mitovy amin'ny tena. Samy mpanao kolikoly ireo firenena roa tonta ireo. Manala-baraka an'i Nizeria ny fanehoan-kevitr'i Mugabe