Niteraka fahatezerana teo amin'i Nizeria ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'i Zimbaboe tamin'ny 15 Marsa 2014 nandritra ny fiaraha-misakafo fankalazana ny faha-90 taonany fa mpanao kolikoly i Nizeriana sy ny olom-pireneny.
Nanontany i Mugabe : «Tahaka an'i Nizeria ve izahay ankehitriny izay tsy maintsy manome vola vao mahazo izay ilaina? Hitanao, mpankany Nizeria izahay ary tsy maintsy mitondra volabe fanampiny am-paosy mba handoavana kolikoly amin'ny zavatra rehetra isaky ny mankany. Tonga ao anatin'ny fiaramanidina ao Nizeria ianao ary efa mipetraka amin'ny seza, tsy manao na inona na inona tsy mamelona ny voromby anefa ireo mpiasa ao anatiny satria miandry omena vola izy ireo vao hanamory ny fiaramanidina”.
Noho izany fanambaran'i Mugabe izany, nampanantsoin'ny governemanta Nizeriana ny solontena manokan'i Zimbabwe tamin'ny herinandro lasa . Na dia izany aza, nangataka tamin'ny governemanta federaly ny Fikambanana Manohitra ireo Mpitondra Mpanao kolikoly ( CACOL ) ao Nizeria mba hiady amin'ilay fanambarana fa tsy amin'ilay mpampita hafatra (nanao fanambarana).
Mampiseho ny tatitra momba ny kolikoly taona 2013 navoakan'ny Transparency International fa ambony noho ny ao Nizeria ny tahan'ny kolikoly ao Zimbaboe.
Niteraka fanehoan-kevitra mampiady hevitra tao amin'ny Twitter ilay fanehoan-kevitr'i Mugabe. Nisy ireo mpiserasera sasany nanamafy fa marina ny nolazainy:
@halelule He told the truth, the whole truth, nothing but .
.. 🙂 Nigeria being offended should be the news here not Mugabe 😛
— Liyana B Tefferi (@LiyanaTefferi) April 14, 2014
@halelule Nilaza ny marina izy, ny marina rehetra, tsy misy afa-tsy ny marina.
.. 🙂 i Nizeria tafintohina no tokony ho vaovao misongadina eto fa tsy i Mugabe: P
#Mugabe allegedly accused Zimbabweans of becoming like Nigeria when it came to corruption.Kettle calling pot black http://t.co/WEMBk7wSuz
— Shet Gunz (@Shetgunz) April 14, 2014
Toa nampangain'i #Mugabe ho nanjary tahaka an'i Nizeria ny Zimbaboeana raha resaka kolikoly no resahana. “Manaratsy ny hafa mitovy amin'ny tena”
Robert Mugabe is really right on his words about nigeria.
— Jagaban (@Kingbiodun_) April 13, 2014
Tena marina ny teny nambaran'i Robert Mugabe mikasika an'i Nizeria
What Mugabe said about Nigeria is true but he said it to the wrong people.
— Macharia Mucheru (@MashRomeo) April 12, 2014
Marina izay nolazain'i Mugabe momba an'i Nizeria saingy nilaza izany tamin'ny olona tsy tokony hiantefan'izany izy
For God's sake, why should Robert Mugabe fabricate a tissue of lies against Nigeria. Is it true that Nigerians are corrupt?
— IaM►DeMal (@Dmalan_D) April 12, 2014
Iangaviana an-tanan-droa, nahoana i Robert Mugabe no tokony hamoron-dainga mamely an'i Nizeria. Marina ve fa mpanao kolikoly ny Nizeriana?
Mugabe says “all Nigerians are corrupt” while world bank reveals that “Nigeria's the most poorest country in Africa” #poverty = corruption
— OurLeadersHaveSoldUs (@Worldworth_Saro) April 14, 2014
Hoy i Mugabe “mpanao kolikoly avokoa ny Nizeriana rehetra” raha nanambara kosa ny banky iraisam-pirenena fa “i Nizeria no firenena mahantra indrindra ao AFrika”. fahantrana = kolikoly
@Nigeria…corruption is Nigeria's biggest problem. Our leaders are extremely corrupt. Not blaming Mugabe for his jab on our country
— Reginald Ohiri (@ReginaldOhiri) April 13, 2014
Olona goavan'i Nizeria indrindra ny kolikoly. Tena mpanao kolikoly gaigilahy ireo mpitondra anay. Aza manome tsiny an'i Mugabe amin'ny ataony amin'ny firenentsika
Nigeria summons Zimbabwean envoy over Mugabe’s comments. I am Nigerian but I do not see any wrong in calling a spade a spade.
— Almustapha Zubairu. (@mustybnzubair) April 11, 2014
Nampanantsoin'i Nizeria ny solontena manokana Zimbaboeana mikasika ilay fanehoan-kevitr'i Mugabe. Nizeriana aho saingy tsy hitako izay ratsy amin'ny fiantsoana ny saka ho saka (fiantsoana zavatra amin'ny anarany)
looooool if mugabe can open his mouth to call nigeria corrupt …then its obvious we have a problem…very huge problem!
— Zainab.K (@MayowaKay) April 14, 2014
tppptt raha afaka manoka-bava hiantso an'i Nizeria ho mpanao kolikoly i Mugabe…miharihary fa manana olana isika…olana goavambe!
Mihevitra i @figure007 fa na dia nilaza ny marina aza i Mugabe, dia tsy manana fanamarinana fitsipi-pitondratena kosa izy:
Just Read what Robert Mugabe said about nigeria,though he said d truth,but he has no Moral Justification 2 say it as a sitting president
— Abiodun Olumide (@figure007) April 12, 2014
Vakio fotsiny izay nolazain'i Robert Mugae mikasika an'i Nizeria, eny nilaza ny marina izy, saingy tsy manana fanamarinana fitsipi-pitondratena amin'ny filazana izany amin'ny maha-filoha amperinasa azy.
Ny sasany kosa tsy niombon-kevitra tamin'ny filazana kolikoly ao Nizeria :
high point of dramtic irony. mugabe tags nigeria as corrupt.lol. the devil we know is too young to deal with a 90 year old.
— Qrriiss (@Qrriiss) April 13, 2014
Esoeso mampitaintaina avo lenta. Nopetahan'i Mugabe ho mpanao kolikoly i Nizeria.tpt. tanora loatra ilay devoly fantantsika raha hifanandrina amin'olona 90 taona.
What's that about taking the plank out of your own eye? Robert Mugabe bribery comment offends Nigeria http://t.co/MBzS02jOK8
— Jonathan Lang (@_Jonathan_Lang) April 13, 2014
Maninona raha hesorina aloha ny andry eo amin'ny mason'ny tena? Manafintohina an'i Nizeria ny fanehoan-kevitra momba ny kolikoly nataon'i Robert Mugabe
#Mugabe has the audacity to infer Nigeria Govt is #corrupt. Nigeria Govt has the temerity to feel insulted. http://t.co/9WBazDl7LZ
— Dan Smith (@dpksmith) April 13, 2014
Manana fahasahiana manambany ny govermenta Nizeriana ho mpanao kolikoly i Mugabe. Manana herim-po ny governemantan'i Nizeria mahatsiaro voatsiratsira.
Pot calling the kettle black. Both corrupt countries. Mugabe comment offends Nigeria http://t.co/tBli25C6G8
— Michael Ajayi (@michaelaajayi) April 12, 2014
Manaratsy ny hafa mitovy amin'ny tena. Samy mpanao kolikoly ireo firenena roa tonta ireo. Manala-baraka an'i Nizeria ny fanehoan-kevitr'i Mugabe