Nametraka fiarahamiasa vaovao ny Global Voices sy ny Melton Foundation izay hahitana ekipam-mpanoratra avy ao amin'ny Global Voices hitari-dalana vondrona nahazo vatsy avy amin'ny Fikambanana Melton miompana momba ny bilaogy sy ny fikarohana momba ny media sosialy .
Mandritra ny efa-bolana hoavy, mpianatra enina nahazo vatsy avy amin'ny Melton avy ao Shily, India sy Shina no homena fiofanana amin'ny Aterineto mikasika ny fikarohana sy fanoratana ao amin'ny Global Voices. Ny tanjona dia ny hanasongadinana vahaolana amin'ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana ao amin'ny faritra misy azy ireo, sy ny hahazoana traikefa amin'ny fanoratana hoan'ny mpamaky manerantany.
Fanindroany izao ny Global Voices no hampiofana ireo nahazo vatsy avy amin'ny Melton, taorian'ny andiany voalohany nahitam-pahombiazana tamin'ny 2013.
Ny Fondation Melton dia mampiroborobo ny «maha-olo-manerantany ho fomba iray hahafahan'ny olona sy ny fikambanana hiara-miasa tsy voasakan-tsisintany sy ny fiavahan'ny tena mba hiatrehana ny fanamby manerantany”.
Nanazava izy ireo tao amin'ny habakany fa ny fampielezana fanentanana mikasika ny olan'ny fiarahamonina ao amin'ny forum tahaka ny Global Voices, “no anisan'ny maha-olom-pirenena eto amin'izao tontolo izao.”

Ity sary ity dia tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Globa Voices izay nosoratana mpianatra iray nahazo vatsy avy tamin'ny Melton taona 2013. Mpanjifa ao Mumbai, India mijery tsara ireo voamaina alohan'ny hividianana. Sary avy amin'i Prasad Kholkute (CC-BY-SA 2.0)
Ireto avy ireo lahatsoratra tao amin'ny Global Voices nosoratan'ireo nahazo vatsy avy tamin'ny Melton tamin'ny taona 2013:
- Tra-boina Nanao Antsangory Mpanao Gazety Indiana Teo Am-pitaterana Vaovao nosoratan'i Vigneshwar Shankar, tamin'ny 30 Jiona 2013. Hitanao ato kosa ny dikanteniny amin'ny teny malagasy nivoaka tamin'ny 6 jolay 2013.
- Chile: Decreto que prohíbe uso de leña ‘deja helado’ a Temuco nosoratan'i Javiera Muñoz, tamin'ny 9 Jolay 2013
- Amin'ny teny Anglisy – Shily: Didim-panjakana Mandràra Fampiasana Kitay Fandrehitra, navoaka tamin'ny 22 Jolay 2013
- Manjaka tanteraka ao Bangalore, India ny krizin'ny tsy fahampian-drano (Water Shortage Crisis Looms Large In Bangalore, India) nosoratan'i Nickhil Sharma tamin'ny 26 Jolay 2013
- Mitsinjo lavitra ve i India amin'ilay volavolan-dalàna vaovao mikasika ny Fanjarian-takafo? nosoratan'i Vigneshwar Shankar tamin'ny 30 Jolay 2013
- El tema mapuche ausenta en la campaña presidencial chilena, Javiera Muñoz, Aogositra, 2013
- Amin'ny teny Anglisy – Shily: tsy re nandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena ny “raharaha Mapuche”, nivoaka tamin'ny 21 Aogositra 2013
- Chile: Demandan a programa que muestra abusos de dictadura de Pinochet, Javiera Muñoz, 9 Septambra 2013
- Amin'ny teny Anglisy– Shiliana Anjatony Nametraka Fitoriana Ilay Fandaharana Miresaka ny Didijadon'i Pinochet Tamin'ny Fahitalavitra nivoaka tamin'ny 10 Septambra 2013, ato kosa ny amin'ny teny malagasy nivoaka tamin'ny 8 oktobra 2013
- Famonoantena mampiseho ny Zava-misy Sarotra Iainan'ireo Mpampianatra any Ambanivohitr'i Shina, nosoratan'i Danping Wang tamin'ny 11 Oktobra 2013
Maromaro ireo fampiofanana notontosain'ny Global Voices hoan'ireo fikambanana mpiaramiasa tao anatin'ny taona maro.