- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampihomehy Ny Masedoniana ny Fitavozavozan'ny Filohany Taminà Resadresaka

Sokajy: Makedonia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Hehy, Politika

Herinandro mialoha ny fifidianana any Masedonia, niteraka adihevitra be tamin'ny mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy Masedoniana ny fitavozavozan'i Gjorge Ivanov [1], Filoha amperin'asa no sady mpifaninana ho fidiana ho filoha, tamin'ny resadresaka voalohany nataony tamin'ny fampielezan-kevitra. 

Nampiasain'ireo mpisera malaky ny tenifototra hoe #хорхе [2](fandikàna amim-panesoana amin'ny soratra Masedoniana ny anarana amin'ny fiteny Espaniola hoe Gjorje – Jorje) mba hizarana ny hadalàn'i Ivanov, natao ho an'ny rehetra na ny eto an-toerana na ny any ivelany. 

Isan'ireny hadisoana tao amin'ny resadresaka ireny ny nilazan'i Ivanov fa efa filohan'i Etazonia ny filoha Frantsay teo aloha Jacques Chirac :

Tamin'ny Jacques Chirac Filohan'i Etazonia, toerana notazoniny rehefa avy ben'ny tanànan'i Paris izy, ary noho izany traikefa izany no niatrehany ny olan'ireo mpifindra monina

Naparitaky ny vavahadim-baovao Masedoniana A1on.mk [3] ny ampahan-dresadresaka tao amin'ny fahitalavitra nitenenana ity fanambarana ity :

Lazain'i [4] Ivanov fa lehibe lavitra noho Eoropa mitambatra i Kazaksthan amin'ny fangalàny ho ohatra ny masoivoho Masedoniana vao nosokafana any:

“Tany Kazaksthan aho ary nanokatra ny masoivono tany. Ary mba hilazana aminareo ny halehiben'i Kazaksthan – dia saino fotsiny ny haben'i Eoropa sy ireo firenena Eoropeana. Tahaka izany ny velaran'i Kazaksthan.”

Fantatra tamin'ny fandàvany tsy handray anjara amin'ny adihevitra am-pahibemaso ankoatr'ireo resadresaka vitsivitsy amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny Filoha hatramin'ny nanombohan'ny fampielezan-keviny.

Bju4miECYAAGQib

Sarin'ny filoha Gjorge Ivanov nalain-tahaka sy namboarina, mandray anjara amin'ilay lalao amin'ny fahitalavitra ho an'ny daholobe “Iza no te ho-mpanefoefo” Sary avy amin'olona tsy nitonona anarana- Natao ho hitan'ny rehetra amin'ny tambajotra sosialy .

Tamin'ny fiandohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Filoha, ny Telma,  iray amin'ireo fahitalavi-panjakana ao amin'ny firenena, dia nilaza fa misy fiangarana amin'ny fidirana amin'ny fahazoam-baovao sady misy ny fifaninanana tsy ara-dalàna [5]eo amin'ny tsenan'ny haino aman-jery, anomezany tsiny ny governemanta izany. Nolazain'iny Telma fa nasainy mba handray anjara taminà resadresaka mivantana amin'ny fahitalavitra i Ivanov saingy nolaviny izany. Novalian'i Telma tamin'ny filazam-baovaony voalohany izany tamin'ny fitenenana hoe ” fomba fanaon'ny tsy fahatokisan-tena ny tsy fahalalàna”:

Ilay lehilahy te-ho filohan'ny mponina rehetra, izany hoe ho anay ihany koa, dia nanapa-kevitra ny hilalao araka ny lalànan'ny tanivo ka tsy te-hahalala anay, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanekeny na tsia ny fanasanay !

Niteraka resabe teo amin'ireo Masedoniana  mpisera amin'ny Twitter  ny fandavan'i Ivanov ny fanasan'ny Telma mba handraisany anjara aminà resadresaka. Nolazain'i [6]@parg0, mpisera amin'ny Twitter, mpandray anjara mavitrika aminà haino aman-jery sosialy any Skopje renivohitra fa :

Ny fanombohan'i #Хорхе [7] mandà fanasàna. Hitako eto fa hisy toerana banga ao amin'ny ‘studio’  http://t.co/AIzDm1P4ub Na hisy ny [ seza foana] na izany na tsy izany.

Taorian'ity bitsika ity dia nolazain'ireo mpisera hafa fa nolavin'i Ivanov na tsy noraharahiany ny fanasana hiresadresaka na hiady hevitra nataon'ireo haino aman-jery tsy miankina.

Notsindrian'ny tranonkala Libertas fa ora maromaro taorian'ny fanombohan'ny adihevitra amin'ny aterineto ny amin'ny fahitàna ny fitavozavozan'i Ivanov tamin'ny fahitalavitra dia novonoina tao amin'ny YouTube [10]ireo lahatsary maro mikasika izany. Taorian'ny namonoana ireo lahatsary sasany dia nampitahain'ireo mpisera amin'ny Twitter i Ivanov sy Recep Tayyib Erdoğan, Praiminisitra Tiorka izay niatrika kiana [11] ihany koa tamin'ny nisakanany ny tranonkalan'ny haino aman-jery sosialy tamin'ny volana Martsa 2014. 

Hitako omaly fa novonoina ilay lahatsary izay nilazan'i Ivanov fa Chirac no filohan'i Etazonia. Aza adino fa miaraka amin'i Erdoğan ny fon'i #Хорхе [7].

Mijanona ho manjavozavo tsy mazava ny tsy mampandeha intsony ilay lahatsary. Heverin'ireo mpisera sasany fa nesorin'ny Youtube izy ireny noho ny fitarainan'ny mpisera izay ry zareo ihany no nanàla ny seho voalohan'ilay lahatsary fiandohana, na noteren'ny fitondrana ry zareo hanala izany.