Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

#FreeCiaxon: Navotsotra Ilay Nizeriana Mpisera Twitter Notanana Vonjimaika

Yusuf Siyaka Onimisi (waving) with Lawal Haruna (@lawalharuna) shortly after his release. Photo from  @lawalharuna.

Yusuf Siyaka Onimisi (mananga-tanana) miaraka amin'i Lawal Haruna (@lawalharuna) fotoana fohy taorian'ny famotsorana azy. Sary avy amin'ny @lawalharuna.

Navotsotra ilay injeniera misioka amin'ny anarana hoe @ciaxon izay voalaza fa notanana nandritra ny roa herinandro teo noho ny sioka mivantana nalefany momba ilay fifampitifirana nahafatesana olona teo amin'ireo mpampihorohoro Boko Haram sy ny mpitandro ny filaminana.

Nanjavona i Yusuf Siyaka Onimisi fotoana fohy taorian'ireo andian-tsary nalefany sy tatitra milaza izay hitan'ny masony tamin'ny 30 Marsa 2014 mikasika ny fikasana hilefa nataon'ireo mpikambana marobe avy ao amin'ny fikambanan'ny djihadista mpampihorohoro miorina ao Avaratr'i Nizeria izay gadra ao amin'ny Departemantam-panjakana (DDS) izay namoizan'ain'olona 20.

Nifandray mivantana tamin'ny fianakavian'i Siyaka i Sogunro (@ayosogunro), izay niaraka tamin'i Fola Lawal (@SheCrownLita), hoy izy tamin'ny 12 Aprily:

Vaovao farany: Naharay antso an-tariby aho fa navotsotry ny governermanta tamin'ny sasak'alina teo i Ciaxon. Eo am-panamarinana izany vaovao izany izahay

Nilaza ihany koa i Sogunro fa tokony mbola hanome fanazavana hoan'ny Nizeriana mikasika ny nanjavonan'i Siyaka ireo manampahefana, satria nitohy ny hetsika fitakiana famotsorana an'i Siyaka ao Alausa, faritra ao Lagos misy ny lapam-panjakana:

Vaovao farany: Navotsotra i Ciaxon. Nahomby ny hetsika #FreeCiaxon. Saingy tsy ho afa-maina amin'izany ny governemanta Nizeriana. Mbola mitohy foana ny ao Alausa.

Nanolotra fisaorana an'i @lammyng, voalohany nandefa ny vaovao tao amin'ny media sosialy i Fola:

Misaotra indrindra an'i @lammyng tamin'ny vaovao voalohany nalefany tao amin'ny media sosialy. Misaotra mihaino izay mitranga ivelan'izao tontolo izao #FreeCiaxon

Nisioka ity sarin'i Siyaka ity taorian'ny famotsorana azy i Lawal Haruna (@lawalharuna)

Nisioka lahatsary fohy manamafy ny famotsorana an'i Siyaka i Gbenga Sesan

Mpisera Twitter @Idris_Giroman nanazava ny antony mbola nitohizan'ny hetsika : 

Taorian'ny famotsorana an'i @ciaxon, tokony hanome fanazavana mikasika ny fakàna azy an-keriny ny DSS.

Babatunde Rosanwo nisisika nilaza hoe: 

Tsy anjarako no milaza raha diso i @ciaxon, saingy fantatro fa tsy nanara-dalàna ireo naka azy an-keriny. Izany no tena olana. #FreeCiaxon

@BabajideFadoju nitatitra momba ny hetsika: 

Mitohy ny fihetsiketsehana

Toa niteraka fitohanan'ny fiara ny fihetsiketsehana tao amin'ny faritra sasany ao Lagos, nanazava i OgheneSanmi :

Fitohanan'ny fiara ao amin'ny araben'ny CMD mankany amin'ny biraon'ny SSS. Mijanona 100 metatra sy manodidina ny toerana ireo polisy mitam-piadiana. Fihetsiketsehana #freeciaxon

Seyi Martins-Ogunye nanamafy hoe: 

Nosakanan'ny SSS tao amin'ny araben'ny CMD izahay. Tsy navelan'izy ireo handroso eo akaikin'ny biraony. Tsy avelanay anefa izany hitranga. #FreeCiaxon #Lagos

Nisy ihany koa ny hetsika #FreeCiaxon nokarakaraina tao Ibadan, 120 kilaometatra avy ao Lagos :

Manao hetsika #FreeCiaxon ihany koa i Ibadan…atsaharo ity fanitsakitsahana ny zon'Olombelona ity

Nanazava izay tokony azo notsoahana tamin'ny fisamborana sy ny famotsorana an'i Siyaka i @Chxta: 

Zavatra iray notsoahana tamin'ny tranga @ciaxon ny tokony handinihana ny fisamborana tsy amin'ny antony ato amin'ny firenentsika

Nankasitraka an'i Siyaka noho izy nizaka ny mafy tamin'ny fiarovana ny fahalalaham-pitenena i Charles Akah :

Mankasitraka an'i @ciaxon noho ny herim-pony amin'ny fampahafantarana antsika ny zava-misy sy ny nizakàny ny vokatr'izany. #FreeCiaxon

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.