- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Voaloton'ny Benzene, Akora Simika Miteraka Homamiadana, Ny Rano fisotro Tao Lanzhou

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Voina

Nampitandrina ny mponina tao Lanzhou ny mpitondra ao an-toerana mba tsy hisotro ny rano avy amin'ny paompy noho ny fahalotoana tafahoatran'ny rano fisotro, izay nampisahotaka ny olona hividy rano anaty tavoahangy tany amin'ireo tsena lehibe ao an-tanàna.

Nisy ‘benzene’ be dia be, ranoka simika tena mahatonga homamiadana, hita tany anatin'ny famatsian-drano fisotro ao an-tanàna, araka ny nolazain'ny governemanta ao an-toerana. Tamin'ny fotoana iray dia tonga amin'ny fetra mampidi-doza ny habetsaky ny benzene hita tany amin'ny ranon'ny paompy satria nihoatra avo 20 heny [1]amin'ny tokony ho izy. 

Miankina tanteraka amin'ny Renirano Mavo i Lanzhou, tanàna indostrialy any avaratra andrefan'i Shina, amin'ny famatsian-dranony. Taona vitsivitsy lasa izay no nisian'ny firohotana fampiasam-bola goavana [2] tao amin'io tanàna izay misy mponina 4 tapitrisa io, izay nanaovan'ny fanjakana hetsika isankarazany mba hampakarana ny toe-karena any amin'ny faritra andrefana mbola andalam-pandrosoana. 

lanzhou [3]

Nifandrombaka tamin'ny rano anaty tavoahangy ny mponina tao Lanzhou rehefa nampitandrina ny tsy hisotroana ny rano amin'ny paompy ny mpitondra ao an-toerana. Sary avy amin'ni Wangyangyagn de Xiaopengyou ao amin'ny Sina Weibo .

Notantarain'i [4]Veolia, orinasa Frantsay momba ny fikarakarana rano, mpamatsy rano voalohany an'i Lanzhou, tao amin'ny Xinhua, masoivohom-baovao tantanan'ny fanjakana, fa mety avy amin'ilay orinasa ao an-toerana mpitrandraka sy mpanadio solika io rano maloto io. 

Ao amin'ny Sina Weibo toy ny Twitter, ity hafatra ity [5]no nosoratan'ny trano filazam-baovaon'ny faritanin'i Gansu, izay i Lanzhou no renivohitra   :

【未来24小时兰州居民不宜饮用自来水】4月11日凌晨3时起,兰州威立雅水务公司向水厂沉淀池投加活性炭,吸附有机物降解苯对水体的污染。11日上午11时,停运北线自流沟,排空受到污染的自来水。在此期间,市区降压供水,高坪及边远地区停水,限制生产性用水。未来24小时自来水不宜饮用,其他生活用水不受影响。

Tsy azon'ny mponina ao Lanzhou sotroina ny rano amin'ny paompy mandritra ny 24 ora manaraka. Nanomboka tamin'ny 3 ora marainan'ny 11 Aprily dia nasian'i Lanzhou Veolia arina mpanadio ny sinibe fanangonana ny rano mba hitrohana ireo raha organika ka handevonana ny benzene. Ny androtr'io ihany tamin'ny 11 ora maraina dia najanona ny asan'ilay orinasa any avaratra mba hitrohana ny benzene nandoto ny rano. Fa nandritra izany fotoana izany dia ny teknikan'ny fanafoanana ny tsindry no niantoka ny famatsian-drano an-drenivohitra fa ho ajanona kosa ny any amin'ny distrikan'i Gaoping sy ireo faritra lavitra. Hahena ny fampiasana rano any amin'ny orinasa. Tsy mbola azo sotroina ny rano ao anatin'ny 24 ora, nefa misy ihany karazana rano tsy voaloto.

Notaterin'ny haino aman-jery tao an-toerana fa nitaraina ny mponin'i Lanzhou hoe nisy fofona ratsy ny rano tamin'ny paompy tamin'ny volana lasa, nefa nambaran'ireo [6] mpiasan'ny lapan'ny tanàna fa nanara-penitra ny kalitaon'ny rano. Nantsoina [7] hoe ” mpanely tsaho isam-baravarana” sady efa “karakaraina” araka ny lalàna ireo mponina sasany izay nanaparitaka ny teny momba ny fahalotoan'ny rano tamin'izany fotoana izany.

Mampisongadina ny fihazakazahan'ny fahalotoana izay mianjady amin'ny firenena ny olan'ny rano any Lanzhou na dia efa manomboka mahazo vahana aza ny fikatrhana ho fiarovana ny tontolo iainana any Shina. Tamin'ny 2013, nisy mpitoraka bilaogy malaza sady mpanao gazety taloha namorona [8] fanentanana anaty aterineto izay iantsoany ny mpisera mba haka sary ireo renirano voaloto any amin'ny tanàna nihaviany. 

Iray amin'ireo lohahevitra telo noresahina be tao amin'ny Weibo tamin'ny Zoma alina ny fahalotoan'ny rano ao Lanzhou. 

Nanome [9]ity fanavaozam-baovao ity tao amin'ny kaontiny ofisialy ao amin'ny Weibo ny vaovaon'i Beijing (The Beijing news): 

【已切断污染源 政府免费提供安全水】兰州市应急处置领导小组基本找准了污染点,并马上予以切断。有关方面正从周边地区调运桶装水和瓶装水,将通过各区政府和辖区街道、社区,向广大市民免费提供

【Tsy misy intsony ny rano maloto. Omen'ny fanjakana maimaim-poana ny rano fisotro madio】 Nofoanan'ny ekipan'ny vonjy taitran'ny tanànan'i Lanzhou sy nasainy notapahana ny loharano mahatonga ilay loto. Nanangonana rano amin'ny tavoahangy sy rano amin'ny siny avy amin'ny faritra manodidina ireo departemanta voakasika ka ny departemantan'ny fitantanana sy ireo fikambanana maro samy hafa no itondra izany ho an'ny mponina.

Notsikerain'ireo mpisera amin'ny Weibo ny governemanta tamin'ny nanomezany alàlana orinasa vahiny hitantana ny famatsian-dranon'ny tanàna. Nitaraina [10] ilay mpanakanto mpampihomehy Zhang Gang :

 呼吁兰州政府调拨安全的饮用水,向市民免费发放!给出正面、准确的解释!接连不断的水污染让百姓情何以堪?洋鬼子控股的自来水厂能相信吗?把自来水厂卖给法国人,谁卖的?谁同意的?

Miantso ny mpitondra an'i Lanzhou aho mba hanangona rano fisotro madio ary hanome izany maimaim-poana ho an'ny mponina ! Mila valiny marina sy mahitsy izany! Henatra ny hoe rano maloto tsy tapaka no ho an'ny sarambabem-bahoaka. Azontsika inoana ve ny famatsian-drano tantanan'ny vahiny ? Iza no nanapa-kevitra hivarotra ny famatsian-drano amin'ny Frantsay ? Iza no nanao izany ? Ary iza no nanasonia izany ?

Izao no nosoratan'i [11]Beijing Chuzi, mpisera amin'ny Weibo miaraka amin'ireo mpanara-dia azy efa ho antsasaka tapitrisa : 

这是政府做的最傻逼的一件事。最应该国营的放给外人做。我能不怀疑有人从中赚大钱么

Io no zavatra faran'izay adaladala indrindra nataon'ny governemanta. Nomeny ho an'ny vahiny [ ny sampan-draharahan'ny fitantanana ny rano] raha tokony ho ny fanjakana no hitantana izany. Ahiako ho nisy olona nahazo tombontsoa tamin'io fifandraharahana io.