Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Blaogy Toniziana Namoaka Sehatra Mpiampanga (Mpamoaka Tsiambaratelo Miafina)

Namoaka ny sehatra mpiampanga azy manokana ny blaogy toniziana iraisana efa nahazo loka, ary ny anaran'izany dia  Nawaat Leaks.

Ity sehatra voaaro ity dia navoaka ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny GlobaLeaks, rindrambaiko fiampangana azo ampiasaina malalaka tsy anononana anaran'ny mpanoratra. Nanambara ny fisian'ny tetikasa vaovao tamin'ny alalan'ny siokantserasera ny GlobaLeaks tamin'ny 27 Marsa:

Teraka ny habaka mpiampanga (mpamoaka ny miafina) voalohany #nawaatleaks ao amin'ny tontolo arabo, avy amin'i @nawaat mampiasa ny GlobaLeaks amin'ny teny Arabo sy Frantsay! 

Nawaat Leaks Logo

Fango Nawaat Leaks

Ireo te-hampiasa ny Nawaat Leaks hamoaka fampafantarana efa mipirina, dia mila mitroka ny rindrambaiko an-tserasera Tor izay manafina ny toerana misy ny mpandefa votoaty.

Manazava [ar] ireo fepetram-piarovana an-tserasera noraisina ny mpiara-manorina ny Nawaat, Sami Ben Gharbia ho fiarovana ilay sehatry ny mpiserasera :

قام فريق نواة بالتعاون مع مبادرة جلوبال ليكس بإنشاء صفحة خاصة تستخدم حزمة من التطبيقات و التقنيات المفتوحة المصدر التي تحمي مسربي الوثائق و الملفات السرية. هذه البرمجية تحمي المُسربين حتى من فريق نواة نفسه الذي لن يتعرف بفضل هذه التقنيات على هوية الأشخاص الذين سيقومون بعملية التسريب، لا عن طريق بريدهم الإلكتروني و لا عن طريق معرفهم الألكتروني و لا عن طريق إسمهم أو موقعهم الجغرافي.

و من أجل توفير حماية أكثر للمسربين سيعمل فريق نواة كعادته، قبل نشر أي وثيقة سرية مسربة، على فسخ كل البيانات الوصفية (Metadata) التي تزيد من إمكانية الكشف عن المصدر الإلكتروني للوثائق سواءا كانت ملفات صوتية، مقاطع فيديو، صور أو وثائق نصية.

Ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny GlobaLeaks, dia nanangana pejy manokana izay mampiasa fampihatra azo ampiasaina malalaka maromaro sy teknika maromaro izay miaro ireo mamoaka tahirin-kevitra sy rakitra notazonina ho tsiambaratelo ny ekipan'i Nawaat. Io rindrambaiko io dia miaro ireo mpiampanga tsy ho fantatry ny ekipan'i Nawaat ihany koa aza, noho ny teknika ao anatiny izay tsy ahafahana mamantatra ireo namoaka [ny fampafantarana] amin'ny alalan'ny imailaka, ny adiresy IP, ny anarana na ny fangitra ara-jeografika misy azy ireo. Ho fanomezana fiarovana fanampiny ho azy ireo, dia hofafan'ny ekipan'ny Nawaat araka ny mahazatra ny rakitra meta (fampifandrohizana) rehetra izay mety hampisy hirika famantarana ny loharano niavian'ny tahirinkevitra amin'ny endrika isan-karazany: haino, lahatsary, sary na lahatsoratra, mialoha ny hamoahana ilay tahirin-kevitra miampanga (nafenina nefa tafaporitsaka)

Tamin'ny 2011 ny fahefana vonjimaika tao Tonizia dia nandany ny hitsivolana faha-41 miantoka ny fahazoana mijery ny tahirinkevitra any amin'ny sampan-draharaham-panjakana. Tao amin'ny filazana nivoaka tamin'ny 27 Marsa, dia nofelahin'ny andininy faha-19 ny tsy nampiharana ny hitsivolana faha-41.

ANDININY 19 “manamarika ny ahiahy milaza fa tsy nampiharina ny fepetra efa misy izay miantoka ny fangaraharan'ny governemanta” hoy ny fikambanana.

Ben Gharbia milaza ny heviny [ar] momba ny tsy nampiharana ny hitsivolana:

بالرغم من المرسوم عدد 41 لسنة 2011 الذي يضمن، نظريا، حق المواطن في النفاذ إلى الوثائق الإدارية للمنشئات العمومية، و بالرغم من كثرة الحديث عن مقاومة الفساد و محاسبة الفاسدين و ضرورة تأسيس حوكمة رشيدة قائمة على الشفافية، إلا إننا لم ننعم بعد لا بحق النفاذ إلى المعلومة و لا بمقاومة جادة للفساد. بل على العكس، رأينا كيف يُحاكم و يتبع عدليا كل من حاول كشف المستور من فساد و محابات واستغلال للنفوذ و غيرها من المظاهر التي لا تزال تنخر عوالم السياسة و الإدارة و الأعمال

Na dia eo aza ny hitsivolana faha-41 tamin'ny 2011, izay miantoka ara-teorika ny zon'ny olompirenena hijery ny tahirinkevitra ara-panjakana tazonin'ny andrim-panjakana ary na dia maro aza ny resaka momba ny ady amin'ny kolikoly sy ny andraikitry ny mpanao kolikoly ary ny filàna hananganana politikam-pangaraharana fitondrana tsara tantana, saingy mbola mila misitraka ny zo ho afa-mahazo fampafantarana ihany isika izao sy ny ady matotra amin'ny kolikoly. Saingy, mbola vavolombelona mahita maso isika ny fitsarana sy ny enjika mahazo ireo te-hampipongatra ny kolikoly miafina, ny fitongilanana, ny fihoara-pahefana ary ny zavatra hafa ataon'ireo mandrapaka ny tontolon'ny politika, ny fitantanana ary ny fandraharahana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.