Arzantina: Miantraika Any Amin'ny Beran-dranomandry Am-bala Ny Hafanana Be Loatra

Mijaly noho ny hafanana be loatra i Arturo, bera iray mihidy am-bala ao amin'ny Valan'i Mendoza any Arzantina. Tsy nitazam-potsiny izany ny mponina ary mitaky ny fametrahana io bera io aminà toerana ahafahany mizaka ireo maripàna avo be.

Efa nisy tranga tahaka io tany Arzantina, rehefa maty ny bera Winner [es] noho ny maripàna avo loatra izay niaretany nandritra ireo volana maron'ny lohataona. Arturo irery ihany no beran-dranomandry any Arzantina. Ao anatin'ny bilaoginy, manoratra [es] mikasika ny toe-piainan'ilay bera amin'izao fotoana i  Marcos Abarza Baumann [es]:                                      

Las condiciones en las que vive el oso Arturo en el zoológico provincial de Mendoza son deplorables y sin embargo no dejan de indignarnos cada día más: Ahora circula en YouTube un video en el que se puede ver como los empleados del Zoo utilizan mangueras para refrescar al animal que sigue viviendo en el mismo recinto mientras terminan de construir uno nuevo.

LE TIRAN AGUA A UN ANIMAL QUE VIVE EN EL HIELO PARA IMITAR LAS TEMPERATURAS BAJO CERO. Esto parece un chiste pero no lo es, fijate:

Mahonena ny toe-piainan'ilay bera Arturo any amin'ny valan'i Mendoza, nefa mbola manohy miantso ny hatezerantsika ihany izy ireo isanandro: Amin'izao dia misy lahatsary mandehandeha any amin'ny YouTube izay mampiseho ireo mpiasan'ny vala mampiasa fantsona fandefasana rano hampangatsiahana ilay biby izay mbola mitohy miaina anatin'ilay fefy hatramin'izao raha mamita ny fananganana iray vaovao izy ireo.

MANDRARAKA RANO AMINA BIBY IZAY MIAINA ANY AMIN'NY RANOMANDRY IZY IREO MBA HAKAN-TAHAKA IREO MARIPANA AMBANIN'NY AOTRA. Jerena toa sangy izany, saingy tsia, jereo:

Navoakan'i Julieta Godoy tao amin'ny YouTube ity lahatsary ity.

Mitantara ilay ady [es] izay natao hatramin'ny Oktobra 2012 ny pejy Facebook POLAR BEAR Arturo [es], na dia mbola tsy nisy zavatra niova aza hatreto:

Y EMPEZÓ UN NUEVO AÑO … Y SIN EMBARGO , TODO SIGUE IGUAL 
Arturo sigue encerrado en su caja de cemento y pintura celeste .-

Empezamos esta lucha en Octubre de 2012 , ya van dos veces que levantamos las copas por él … y nada 

TAONA IRAY VAOVAO IZAO NO NANOMBOKA… SAINGY MBOLA NY TEO IHANY NO TEO
Mbola mihidy anatin'ny rindrina simenitra miloko manga tanora i Arturo.-

Nanomboka ity ady ity izahay tamin'ny Oktobra 2012, efa nanangana in-droa ny gilasinay ho azy izahay… ary tsy nampisy fivoarana izany.

Mandritra izay fotoana izay, mangataka an'ireo manampahefana [es] ny hanaovana an'i Arzantina ho firenena manokatra ny làlana ho amin'ny zon'ny biby i Duende Visual [es]:

Podemos convertir a la Argentina en un país pionero en derechos animales, donde se pueda proteger como corresponde a las especies en vías de extinción, brindándoles a su vez un espacio donde poder vivir libres y felices, generando a su vez conciencia en la población, convirtiendo así a los animales en nuestros hermanos, no inculcándole a las nuevas generaciones que los animales son bienes o cosas.

Afaka manova an'i Arzantina ho firenena mpisava làlana amin'ny fanajàna ny zon'ny biby isika, izay hahafahana miaro araka ny tokony ho izy ireo biby tandindonin-doza ho lany tamingana, ary hanomezana toerana ahafahan'izy ireo miaina an-kalalahana sy am-pifaliana. Afaka manaitra ny vahoaka isika, mamadika ireo biby ireo ho rahalahintsika sy anabavintsika, ary tsy mitaiza ireo taranaka any aoriana hino fa entam-barotra na zavatra ireny biby ireny.

Nampanako io tranga io ihany koa ny Twitter, tahaka ny hitantsika anatin'ireto bitsika roa vao haingana ireto:

Maninona ireo manampahefana ao Mendoza no tsy manao na inona na inona? Miandy azy ho faty fotsiny ve izy ireo? Tompokolahy sy tompokovavy, fanaovana tsinontsinona izany.

http://t.co/aBNLRGeUN7 vía @todonoticias ANDRIAMANITRO O, APARITAHO NY TENY: TSY MAINTSY MANAFAKA IO BIBY IO IZY IREO, MIJALY MAFY IZY!!!!!!!!!!!!!!

Sary kely avy ao amin'ny pejy Facebook page POLAR BEAR Arturo [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.