Tantara tamin'ny 15 Avrily 2014
SARIPIKA : Fitsangatsanganan'ny Japoney Eny Ambany Voaroy Mamelana
Tonga izao ny fitsangatsanganana mijery voninkazo izay antsoin'ny japoney hoe :"Hanami" satria fotoam-pamelanan'ny voaroy izao.
Arzantina: Miantraika Any Amin'ny Beran-dranomandry Am-bala Ny Hafanana Be Loatra
Niantraika tamin'ilay bera iray monja nihidy anaty vala tany Arzantina ny hafanana be loatra tany amin'io firenena io. Nangataka ny hanomezana toe-piainana mendrika ho azy ny vahoakan'i Arzantina.
Minisitra Manolotra Valisoa Mitentina $2000 Mba Hanalàna Ny Sarontavan'ireo Tonian-dahatsoratry Ny Zambian Watchdog
Mitosaka ny tsolotra anatin'ny fizarana farany mikasika ny ady eo amin'ny governemanta Zambiana sy ny Zambian Watchdog, vohikala mahaleotena misahana ny fampahalalam-baovao.
Blaogy Toniziana Namoaka Sehatra Mpiampanga (Mpamoaka Tsiambaratelo Miafina)
Namoaka ny sehatra mpiampanga azy manokana ny blaogy toniziana iraisana efa nahazo loka, ary ny anaran'izany dia Nawaat Leaks.
Kuntur: Fampiharana Vaovao Fijerena Vorona Navoaka Any Kolombia
Mampanantena ny hanamora ny fijeremborona na ho an'ireo efa za-draharaha na ho an'ireo mpitia mijery vorona any Kolombia ny Kuntur, fampiharnaa android vaovao.
Korea Atsimo: Tsy Fahombiazana Tsy Mba Fanadino Ny Fandravàna Nataon'ireo Mpitandro Filaminana Miisa 4000
Mpitandro filaminana mpandrava fikomiana maherin'ny 4000 avy ny Korea Atsimo no naka ankeriny ny foibe ara-tsendikaly faharoa goavana indrindra nefa tsy nahazo alalana, ka nitarika ny hatezeran'ireo Korena Tatsimo mpampiasa aterineto.
Nigadra 1000 Andro ny Mpanao Gazety Etiopiana Reeyot Alemu
Nandia ny faha-1000 androny tany am-ponja ny mpanao gazety Ethiopiana Reeyot Alemu tamin'ny 16 marsa. Maneho ny firaisankinany amin'ny alalan'ny #ReeyotAlemu ny mpisera Twitter.Le 16 mars, la journaliste éthiopienne Reeyot Alemu vivait sa 1000ème journée de prison. Les utilisateurs de Twitter lui expriment leur solidarité sous #ReeyotAlemu.