Ilay mpiangaly rapy Amerikana Ja Rule no voafidy hanao dokambarotra ny diamondran'i Botsoana, ka nahatezitra mafy ny sasany tamin'ireo mpiserasera ao amin'ny firenena izany.
Nanambara ny Brand Botswana, sampan-draharaha ao amin'ny Fahefana ao Botswana Misahana Ny Fampiasam-bola sy Fampandrosoana ny Fanondranana entana ( BEDIA ), izay miara-miasa akaiky amin'ny governemanta, fa hokaramain'izy ireo vola mitentina 23 000 dolara ity mpiangaly rap ity amin'ny fivarotana diamondra – fanondran'ny firenena voalohany indrindra – fotoana fohy taorian'ny fampisehoana nataon'i Ja Rule tao amin'ny renivohitra Gaborone.
Araka ny tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao, mety hitombo ny totalin'ny vola haloa amin'ity mpanakanto ity satria mandinika izay azo atao amin'ny hanasongadina an'i Botswana ao amin'ny fampisehoan'ilay mpiangaly rap amin'ny fahitalavitra ny Brand Botswana sy Ja Rule. Ny fotoana ihany no hanambara raha hitondra tombombarotra hoan'ny Brand Botswana tokoa ity fampiasam-bola ity.
Fotoana fohy taorian'ny nivoahan'ny vaovao, niditra tao amin'ny Twitter ny olona manerana ny firenena mba haneho ny heviny mikasika ity tranga ity. “Hanakarama gadra teo aloha hanao dokambarotra ny diamondran'i Botswana, ao anatin'ny fotoana izay mampiahiahy izao tontolo izao amin'ny ady diamondra, ny Brand Botswana”, hoy ilay mpisera @vybem nanoratra tamim-pilantoana tanteraka.
Tsy niombon-kevitra tamin'ny fanapaha-kevitry ny Brand Botswana ireo olona marobe hafa:
Questions That Need Answers; Brand Botswana Paid Ja Rule 200K To Tour Jwaneng? We Might Pay Tourists Too Soon! Visit Botswana & Get Paid…
— Sibs Macd (@SibsMacd) April 8, 2014
Fanontaniana mila Valiny; Manakarama an'i Ja Rule 200K ny Brand Botswana Mba Hanao Fitetezana Jwaneng? Mety Hanome vola ny Mpizahantany Ihany koa isika atsy ho atsy! Tsidiho i Botswana & mahazòa vola ..
Nuff said RT @SibsMacd: Dear Brand Botswana; Next Time Lets Brand Miss Botswana Not Ja Rule!
— Certified Hustler ☛ (@Shawn_BW) April 7, 2014
Hoy i Nuff RT @SibsMacd: Ry namana Brand Botswana; Amin'ny manaraka, Andao Hanome Marika Oliravina Botswana fa tsy i Ja Rule [kilalaonteny angisy]!
Brand Botswana pays Ja Rule P200,000 ($23,000), use him to market Botswana diamonds O_O really??
— Katt Lego (@Katt_Lego) April 8, 2014
Omen'ny Brand Botswana vola P200.000 (23 000 dolara) i Ja Rule, manarama azy mba hanao dokambarotra ireo diamondran'i Botsoana O_O tokoa ve?
@BrandBotswana We understand how it may LOOK like an intelligent investment. But all things considered.. Really though? Really?
— Marla Sinner (@that__BS) April 8, 2014
@BrandBotswana Fantatray fa mety JERENA ho fampiasam-bola natao tamim-pisainana tokoa izany. Saingy rehefa nodinihana avokoa ny zava-drehetra .. Tena nodinihana Tokoa? Tokoa?
I wish there was a protest culture in Botswana. Lord knows BTV [Botswana Television] News won't include a segment on the twitter outrage.
— Mr StealYourWiFi (@KwakusNotAmused) April 8, 2014
Iriako mba hisy kolontsaim-pihetsiketsehana eto Botswana. Mahafantatra ny BTV (Fahitalavitra Botswana] Andriamanitra. Tsy hanome sombin-tsehatra hiresahana ny fahatezerana tao amin'ny twitter ny vaovao.
Hi, @BrandBotswana. P200000 [Botswana Pula] is a tad steep to be giving away to a fallen star from a far off land, don't you think?
— o. (@sylverlotus) April 8, 2014
Miarahaba, @BrandBotswana. Henjana ihany ny P200000 [Pula Botsoana] raha foy ho anà kintana lany manja avy any an-tany lavitra, sa tsy izany hoy ianao?
I need this to be explained to me. How is Ja Rule going to do anything for us?
— o. (@sylverlotus) April 8, 2014
Tiako hazavaina amiko. Ahoana izany ny hanaovan'i Ja Rule zavatra ho antsika?
Ny sasany kosa nisafidy handray ny lafiny tsara amin'izany hoe manana mpiangaly rap hampiroborobo ny diamondran'i Botswana :
!!”@JustMaity: Not Bad!! “@Mchifo: So Brand Botswana paid Ja Rule P200 000″”
— Terrylin (@swiTeri_babe) April 8, 2014
!!”@JustMaity: Tsy Ratsy!! “@Mchifo: Nokaramain'ny Brand Botsoana P200 000 izany i Ja Rule””
Careful how you debate AGAINST the Brand Botswana handling of Ja Rule, there are WORSE artists, LOCALLY and… http://t.co/H8FM4pukgq
— SidFm Station (@SidFmStation) April 9, 2014
Mitandrema tsara amin'ny adihevitra ataonareo MANOHITRA ny Brand Botswana mampiasa an'i Ja Rule, misy ireo mpanakanto tena RATSY, ETO AN-TOERANA sy….[iraisampirenena]
Yal shudnt even be mad, brand botswana has surely wasted even more money on worse ideas! B glad this ja rule 1 only started wit 200 000 lol
— Mirth O. Molefe (@mirthem) April 8, 2014
Tsy tokony hampisaritaka anareo izany, mety efa nandany vola mihoatra noho izany amin'ny hevitra ratsy kokoa ny brand Botswana! Mifalia fa 200 000 fotsiny no nanombohan'i Ja Rule an'izany tpt