- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankafy Wikipedia i Odia

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices
The words "Odia loves Wikipedia" written in (of course) Odia. Image in the public domain.

Ny voambolana “teny Odia” soratana amin'ny fiteny Odia. Sary misokatra hoan'ny rehetra.

Teny efa ela 2500 taona ny Odia [1] izay avy ao amin'ny faritra Odisha [2] (fantatra teo aloha amin'ny anarana Orissa). Vao tsy ela izay ny teny Odia no nahazo ny satan'ny teny klasika Indiana.
Vao haingana ihany koa ny fiarahamonina Wikimedia Odia no nihaona nankalaza ny sata vaovaon'ny teny Odia tao Bhubaneswar.

Ity manaraka ity dia notsongaina tamina lahatsoratra vao haingana [3] nosoratan'i Subhashish Panigrahi [4] tao amin'ny bilaogin'ny Fikambanana mpanao asasoa (Fondation) Wikimedia, izay mizara vaovao momba ny fiarahamonina Wiki Odia:

14 copyrighted books have been re-licensed under the Creative Commons license and the digitization project on Odia WikiSource [5] was formally initiated by an indigenous educational institute, the Kalinga Institute of Social Sciences (KISS) […] KISS is going to digitize some of these books and make them available on Odia Wikisource.

An OpenType Odia Unicode font, “Odia OT Jagannatha [6]” designed by Sujata Patel from Odialanguage.com [7] was released under the OFL license. This is the first Odia OpenType font that the community actively tested.

A new Odia offline input tool called “TypeOdia” [8] by Wikipedian Manoj Sahukar [9] was also released for public distribution. DVDs containing the font, the input tool, Odia language dictionaries, offline Odia Wikipedia in Kiwix [10]Wikipedia editing guide [11], ISCII to Unicode font converter, various free and open source software packages and Ubuntu operating system [12] […]

A large majority of Odia publications are not available on the internet and readers are devoid of easy accessibility. [Dr. Debiprasanna Pattanayak] discussed the process of digitization for preserving valuable books that are out of print and the old palm leaf manuscripts […]

Boky 14 voaaro amin'ny zon'ny mpamorona no naverina narovana indray tamin'ny alalan'ny fiarovana ny zon'ny mpamorona Creative Common ary nokarakarain'ny Ivom-pampianarana teratany (indizeny), antsoina hoe Sekoly Ambony Kalinga Ho an'ny Siansa Sosialy) ( KISS ) ny mampiditra ho nomerika ny boky sasantsasany ka hahatonga izany ho azo jerena sy vakiana ao amin'ny Odia WikiSource [5].

Navoaka tamin'ny alalan'ny zon'ny mpamorona OFL kosa ny tarehintsoratra Odia Unicode OpenType, “Odia OT Jagannatha [6]” nohaingoan'i Sujata Patel avy ao amin'ny Odialanguage.com [7]. Io no Tarehintsoratra OpenType Odia io no voalohany  nandraman'ny fikambanana.

Naely tamin'ny daholobe ihany koa ny fitaovam-panoratana vaovao ao amin'ny aterineto antsoina hoe “TypeOdia” [8] izay navoakan'ilay Wikipediana Manoj Sahukar [9]. DVD ahitana tarehintsoratra, ny fitaovana fanovanana, rakibolana amin'ny teny Odia, Wikipedia Odia ivelan'ny aterineto ao amin'ny Kiwix [10], torolalana fikirakirana Wikipedia [11], mpanova ny ISCII ho amin'ny tarehintsoratra Unicode, rindrambaiko malalaka sy maimai-poana isan-karazany ary ny rafi-pikirakirana Ubuntu [12] [ … ]

Tsy mba hita amin'ny aterineto ny ankamaroan'ny lahatsoratra am-boky sy gazety amin'ny teny Odia ary tsy mba afaka miditra mora foana amin'ny aterineto ireo mpamaky. Niresaka momba ny fizotry ny famadihana ny votoaty ho nomerika ho fitehirizana ireo boky sarobidy izay efa tsy misy manao printy intsony sy ireo boky sora-tanana amin'ny taratasy ravin-drofia efa taloha be i [ Dr Debiprasanna Pattanayak ] [ … ]

Azo trohana maimai-poana eto [6]eto ny Tarehintsoratra Odia. Hoy ireo mpandrafitra ny tarehintsoratra raha nilaza: [7]

We advocate for the use of Odia language in true spirit, in the domain of day-to-day administration, justice delivery, apart from the field of teaching. Besides, we have undertaken the project for developing Odia lexicon,with inclusion of typical odia version of technical words ,so as to avoid dependence on English language.

Mitolona hiaro ny fampiasana ny teny Odia amin'ny saina amam-panahy mahitsy izahay, ao anatin'ny tontolon'ny fitantanana isan'andro, sy ny tontolon'ny fitsarana, ankoatra ny sehatry ny fampianarana. Nanatontosa tetikasa ho fampivoarana ny voambolana Odia ihany koa izahay, izay ahitana ny dika mahazatra amin'ny teny Odia ny voambolana teknika, ho fisorohana amin'ny fiankinan-doha amin'ny teny anglisy.