- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Fa Inona No Nitranga Tamin'ny Blaogeran'i Iran?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Face

Tamin'ny fotoana nanombohan'ny famahanam-blaogy, nankalazaina tany amin'ny media iraisampirenena ny blaogera reformistan'i Iran. Tanora ny firenena, mpiondana internet ary lasa aloha tamin'ny fanavaozana ny fifampiresahana politika an-tserasera. Nihanitony izany taty aoriana. Malaza ho mafy tanana i Iran raha resaka fanapenam-bava sy ny famoretana. Nangina ve ny blaogera Persiana? Sa ity hita ho fijotsoan'ny famahanam-bolongana ity dia noho ny fiovaovan'ny lalàna mipetraka sy ny media sosialy fotsiny ihany?

Mpanoratra momba ny tatitra vaovao avy amin'ny Sekolin'i Annenberg misahana ny fandaharam-pianaran'i Iran eo amin'ny Media, “Whither Blogestan: Evaluating Shifts in Persian Cyberspace” [1] (PDF [2]) [Manombana ny fiovaovan'ny tontolon-tserasera Persiana] araho ny GV Face Global Voices tamin'ity herinandro ity hiadiana hevitra momba ny tsikaritry ry zareo.

Arash Kamangir [3] sy Laurent Giacobino [4] no miresaka amin'i Solana Larsen [5].