GV Face: Fa Inona No Nitranga Tamin'ny Blaogeran'i Iran?

Tamin'ny fotoana nanombohan'ny famahanam-blaogy, nankalazaina tany amin'ny media iraisampirenena ny blaogera reformistan'i Iran. Tanora ny firenena, mpiondana internet ary lasa aloha tamin'ny fanavaozana ny fifampiresahana politika an-tserasera. Nihanitony izany taty aoriana. Malaza ho mafy tanana i Iran raha resaka fanapenam-bava sy ny famoretana. Nangina ve ny blaogera Persiana? Sa ity hita ho fijotsoan'ny famahanam-bolongana ity dia noho ny fiovaovan'ny lalàna mipetraka sy ny media sosialy fotsiny ihany?

Mpanoratra momba ny tatitra vaovao avy amin'ny Sekolin'i Annenberg misahana ny fandaharam-pianaran'i Iran eo amin'ny Media, “Whither Blogestan: Evaluating Shifts in Persian Cyberspace” (PDF) [Manombana ny fiovaovan'ny tontolon-tserasera Persiana] araho ny GV Face Global Voices tamin'ity herinandro ity hiadiana hevitra momba ny tsikaritry ry zareo.

Arash Kamangir sy Laurent Giacobino no miresaka amin'i Solana Larsen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.