- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpiasa 337 No Safotra Tao Amin'ny Orinasa Fanenonan-Damba Tao Kambodza Tamin'ny Herinandro

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona
Workers were sent to a clinic after fainting in a garment factory. Photo from Facebook page of Community Legal Education Center [1]

Mpiasa naelfa tao amin'ny toera-pitsaboana rehefa torana tao amin'ny orinasa fanenoman-damba. Saripika avy ao amin'ny pejy Facebook Ivotoeran'ny fikambanana Manofana ny Lalàna (Sosialy)

Voatatitra [2] fa nisy telo andro maro ny mpiasa safotra tany amin'ny orinasa mpanao lamba tao Kambodza tamin'ny herinandro voalohany tamin'ny volana avrily. Tao an-drenivohitry ny firenena Phnom Penh, mpiasa 337, vehivavy ny ankamaroany, no nalefa hokarakaraina tany amin'ny toera-pitsaboana efatra samihafa. 

Nandritra ny herinandro, nitranga tamin'ny tranobe fanorenana 11 tao amin'ny orinasa telo ao anatin'ny Vantanak Park antsoina hoe Shenzhou, Daqian Textile ary New Wide izany fahasaforan'olona izany. Tsy fantatra anarana ivelan'i Kambodza ireo anarana ireo saingy mamokatra fitafiana ho an'ny marika iraisampirenena Adidas, Puma ary Nike.

Manondrana vokatra any ivelany mitetina 5 miliara dolara ary mampiasa olona mihoatra ny 600.000 ny orinasa fanaovan-damba ao Kambodza. Efa an-taonany maro ny mpiasa no nitaraina amin'ny fahakelezan'ny karama.

Efa niahiahy tamin'ny voalohany ny vondrona sendikà fa “rano sy sakafo tsy ara-pahasalamana sy ny fofon'akora” no niteraka ny fahatoranana teo amin'ny mpiasa. Efa nisy nitatitra hatrany ny fahatoranana faobe [3] sy ampangaina ho anisan'ny milaza ny maharatsy ny toetry ny asa ao anatin'ny orinasa.

Tamin'ny desambra lasa teo, efa nangataka tamin'ny governemanta ireo mpiasan'ny fanaovan-damba ireo hampakarana ny karama ambany indrindra $80 ho $160. Saingy nanambara ny governemanta fa fisondrotana $15-$20 ihany no zakan'ny toekarena. Ho setrin'izany dia nanao fitokonana nanerana ny firenena ireo sendikan'ny fanaovan-damba saingy naparitaky [4] ny polisy tamin-kerisetra tamin'ny Janoary.

Ny toerana nitrangan'ny famoretana nisian'ny ra mandriaka dia miala metatra vitsivitsy monja amin'ireo orinasa ahitana fahatoranan'ny mpiasa maro tamin'io herinandro io.

Tamin'ny 3 avrily, mihoatra ny 200 ny mpiasan'ny fanaovana akanjo safotra tao Canadia Park, izay nahitana ilay fitokonana narahina ra mandriaka tamin'ny janoary 2014. Hoy ny tatitry ny CMO.

Nampifandraisin'ny [7] Ivontoeran'ny Fikambanana Manofana Momba Ny Lalàna (Sosialy) ho mifandraika amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny hakelin'ny karaman'ny mpiasan'ny fanaovana akanjo ireny fahatoranana ireny. Manasa ireo marika manerantany ny vondrona hanatsara ny fampitaovana ireo mpiasany:

International brands such as Adidas, Puma and Nike are complicit in this. Whilst their various codes and standards state that wages are essential for meeting the basic needs of employees and reasonable savings and expenditure, their supply-chain workers are not seeing any tangible benefits.

And we call on international brands such as Adidas, Puma and Nike to take concrete measures to address wages that currently do not satisfy basic needs nor provide for a life with human dignity.

Miray tsikombakomba amin'ity sehatra ity ny marika iraisampirenena tahaka ny Adidas, Puma ary Nike. Raha milaza ny fitsipika sy ny lalàna samihafa fa manandanja ny karama mba hamaliana ny filàn'ny mpiasa sy ahafahany manao tahiry sy fandaniana antonony, dia tsy nahitana fahafahampo hitamaso kosa ny lafiny fampitaovana ny mpiasa.

Ka manao antso ho an'ireo marika iraisampirenena tahaka ny Adidas, Puma ary Nike izahay handray fepetra mivaingana mba hamaha ny resaka karama izay tsy mahasahana na filana fototra amin'izao fotoana izao ary tsy manaja ny fahamendrehana mahaolona.

Nanoro hevitra [8] ny governemanta ihany koa ny vondrona mba hampakatra ny karaman'ny mpiasa:

We call on the government to return to wage negotiations immediately and end the endemic corruption that businesses now associate with Cambodia.

Miantso ny governemanta izahay hamerina haingana ny fifampiresahana ary hampitsahatra ny kolikoly (tafapaka lalina) izay ahafantarana manokana an'i Kambodza eo amin'ny resaka fandraharahana amin'izao fotoana izao.

More than 200 workers fainted in a garment factory. Photo from Facebook page of Community Legal Education Center [9]

Mpiasa 300 mahery no torana ao amin'ny orinasa fanaovan-damba. Saripika avy amin'ny pejy facebook Ivontoeran'ny Fikambanana Mampiofana momba ny Lalàna sosialy