- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonan'ny Global Voices Ao Lagos, Nizeria

Sokajy: Mediam-bahoaka

gvmeetuplogo1Miverina indray ny Fihaonan'ny Global Voices amin'ity taona 2014 ity. Taorian'ireo andianà fihaonana nahitam-pahombiazana tao amin'ireo tanàna enina manerana izao tontolo izao tamin'ny taona 2013, mikarakara hetsika hoan'ireo mpamaky sy ny hafa liana amin'ny zavatra ataontsika ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices mba ahafahan'izy ireo mandray anjara amin'ny andraikitra iantsorohanay . Faly izahay manambara ny fihaonana manaraka izay hotontosaina amin'ny Alakamisy 17 Avrily ao Lagos, Nizeria.

Ny fihaonana dia hampiantranoin'ilay mpikambana ato amin'ny Global Voices, Nwachukwu Egbunike (@feathersproject [1]) izay miara-miasa amin'ny Sekolin'ny Media sy ny Fifandraisana ao amin'ny Oniversite Pan-Atlantika [2] ao amin'ny Nosy Victoria, ao Lagos, izay hanomboka amin'ny 9 ora maraina. Tsy maintsy misoratra anarana mialoha raha hanatrika izany (jereo eto ambany ny momba ny fisoratana anarana).

Sehatra iray hahafahan'ireo mpianatra, bilaogera, sy ny sisa hafa miasa eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao an'olo-tsotra hizara traikefa sy hianatra momba ny asan'ny tsirairay avy ny Fihaonana. Fanampin'izany, ny hetsika dia hiompana amin'ny:

Raha liana te-handray anjara ianao, fenoy ity takelaka fisoratana ity [3]. Haharay mailaka fanamafisana mikasika ny fandraisanao anjara ianao. Maimai-poana ny fanatrehana ny fihaonana, saingy voafetra kosa ny toerana. Afaka mandefa mailaka ihany koa ianao any amin'ny: rising [at] globalvoicesonline.org raha mila vaovao fanampiny. Araho ny diezy #GVMeetup [4]mikasika izany sy ireo fihaonana hafa manerantany.