Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fihaonan'ny Global Voices Ao Lagos, Nizeria

gvmeetuplogo1Miverina indray ny Fihaonan'ny Global Voices amin'ity taona 2014 ity. Taorian'ireo andianà fihaonana nahitam-pahombiazana tao amin'ireo tanàna enina manerana izao tontolo izao tamin'ny taona 2013, mikarakara hetsika hoan'ireo mpamaky sy ny hafa liana amin'ny zavatra ataontsika ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices mba ahafahan'izy ireo mandray anjara amin'ny andraikitra iantsorohanay . Faly izahay manambara ny fihaonana manaraka izay hotontosaina amin'ny Alakamisy 17 Avrily ao Lagos, Nizeria.

Ny fihaonana dia hampiantranoin'ilay mpikambana ato amin'ny Global Voices, Nwachukwu Egbunike (@feathersproject) izay miara-miasa amin'ny Sekolin'ny Media sy ny Fifandraisana ao amin'ny Oniversite Pan-Atlantika ao amin'ny Nosy Victoria, ao Lagos, izay hanomboka amin'ny 9 ora maraina. Tsy maintsy misoratra anarana mialoha raha hanatrika izany (jereo eto ambany ny momba ny fisoratana anarana).

Sehatra iray hahafahan'ireo mpianatra, bilaogera, sy ny sisa hafa miasa eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao an'olo-tsotra hizara traikefa sy hianatra momba ny asan'ny tsirairay avy ny Fihaonana. Fanampin'izany, ny hetsika dia hiompana amin'ny:

  • Fanaovana topimaso amin'ny asa ataonay ato anatin'ny Global Voices, isan'izany ny Rising Voices, ny Advox, ary ny Lingua.
  • Fizarana fomba ahafahan'ny vondrom-piarahamonina lehibe hifandray amin'ny Global Voices.
  • Fampifandraisana ireo hetsika ho anaty tambajotra mba hahafahan'ireo mpandray anjara mizara vaovao mikasika ireo tetikasany manokana ara-nomerika na hevitra ho aminà tetikasa.
  • Adihevitra mikasika ny fomba hamoahana vaovao ao amin'ny fampitam-baovao an'olo-tsotra.

Raha liana te-handray anjara ianao, fenoy ity takelaka fisoratana ity. Haharay mailaka fanamafisana mikasika ny fandraisanao anjara ianao. Maimai-poana ny fanatrehana ny fihaonana, saingy voafetra kosa ny toerana. Afaka mandefa mailaka ihany koa ianao any amin'ny: rising [at] globalvoicesonline.org raha mila vaovao fanampiny. Araho ny diezy #GVMeetup mikasika izany sy ireo fihaonana hafa manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.