Singapore : Peta-Drindrina Fanentanana Hahatonga Fanamelohan-Tena Amin'ny Fihinanan-Kena

puppy_pig‘Nahoana no mitia ny iray nefa mihinana ny hafa ?’, io no lohahevitry ny peta-drindrina fanentanana nokarakarain'ny fikambanan'ny tsy mihinan-kena ao Singapore mba hampiroboroboana izany tsy fihinanan-kena izany. Biby ompiana ao an-trano sy biby fiompy no asehon'ireny peta-drindrina ireny mba hamporisihana ny olona hisaina amin'ny fihinanany hena.

Hifarana amin'ny 9 Aprily 2014 ny roa herinandro fanentanana amin'ny peta-drindrina. Ny toeram-piantsonan'ny MRT ao amin'ny lapan'ny tanàna, izay toerana iray fiandrasana fiarandalamby be mpivezivezy indrindra any Singapore no nofidiana. Tany Toronto no voalohany nanamboarana ilay peta-drindrina fanentanana.

Hazavain'ny fikambanana ny antony nanaovana io fanentanana io : 

Tiavina sy ankafizina ny saka sy ny alika ; heverintsika fa sakaizantsika sy namantsika izy ireny. Mahatsiaro ho tezitra isika raha rentsika ny fanararaotana azy ireny ary dia mitady lalàna ho fiarovana azy ireny isika. Noho izany, tsy azo eritreretina tsotra izao ny hoe hihinanana azy ireny ho an'ny ankamaroan'ny olona.

Fa mifanohitra amin'izay kosa, ny biby fiompy – izay manan-tsaina, mora tohina ary manana fihetseham-po toy ny saka sy alika – dia heverina tsotra izao fa azo ho sakafo.

Misy ny filazana momba ny fomba fiompiana ny peta-drindrina tsirairay hanasongadinana ny fanararaotana ny biby  :

Natao ho fanairana ny amin'ny anaovana ny sasany ho ‘namana’ nefa ny hafa ho ‘sakafo’ ireo peta-drindrina ireo. Hahitana ny hai-fototra momba ny fiompiana indostrialy sady misy antontan'isa mifanaraka amin'izany ny peta-drindrina tsirairay.

Nataon'ny fikambanan'ny tsy mihinan-kena ho fanangonam-bola ilaina amin'ny fanentanana ity  lahatsary ity.

Asain'i Veron Lau, Filohan'ny fikambanana Cat Welfare, ny olona hisaina indray ny fomba fikarakarantsika ny biby : 

Matetika no mampisavoritaka ireo maro mpitia biby ny fitiavana ny biby namana ao an-trano sy ny fihinanana biby. Manontany tena isika raha toa ka afaka hiaro sy hitsabo ny anankiray, tsy azontsika atao amin'ilay iray hafa ihany koa ve izany ? Fa na tia biby isika na tsia,tsy maintsy ataontsika laharam-pahamehana izany mba hivelomana am-pisainana ka tafiditra amin'izany ny momba ny niavian'ny sakafontsika na ny an'ireo biby miaraka amintsika satria ao anatin'ny rohin'ny mpihinana isika ary manana hery iraisana ho entina manova ny foto-pisainana amin'ny alàlan'ny safidintsika. 

Habib Hassan, iray tamin'ireo mpandeha fiarandalamby izay niresadresaka tamin'ny The Straits Times, dia tsy nankasitraka ilay fanentanana :

Fikambanana kely aty Singapore ny fikambanan'ireo tsy mihinan-kena. Tsy tokony ho nahazo alàlana hampiasa ny toerana ho an'ny daholobe ry zareo hanaovany ny fanentanany. Mazava be ny hafetsen'io peta-drindrina io sady mahatonga ny olona hanamelo-tena. Tokon ho afaka hihinana izay tiako aho. 

Ireto ambany ireto misy peta-drindrina nampiasain'ny vondron'ny tsy mihinan-kena :

cat_chick

dog_cow

Selfie photo of vegetarians supporting the campaign.

Selfie sarin'ireo tsy mihinan-kena manohana ny fanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.