Raha nivoaka ny vokatra tsy ofisialy voalohan'ny fifidianana tao Ekoatera, dia toa tsy nahazaka ny fahareseny ny antoko teo amin'ny fitondrana, dia ny “PAIS Alliance” izany, resy tamin'ny fifaninanana tamin'ny fifidianana ho ben'ny tanàna tao amin'ireo tanàn-dehibe miisa roa farafahakeliny izy [1] [es]. Tao Quito renivohitra, nandresy an'i Augusto Barrera [2], tompon-toerana avy amin'ny PAIS Alliance i Mauricio Rodas [3] [es] avy amin'ny antoko SUMA-Vive, efa hahatratra 20 isan-jato ny vato azony. Tany Guayaquil izay tanàn-dehibae lehibe indrindra, hiditra amin'ny fitantanan-draharaha faha-4 i Jaime Nebot [4] ben'ny tanàna eo an-toerana, raha avy nandresy ny kandidà Viviana Bonila [5] [es] avy amin'ny antoko PAIS Alliance tamin'ny 23 isan-jato
Gráfico de exit poll de Market para alcaldía de Guayaquil y Quito. #eleccionesEC pic.twitter.com/QNDTPwAtBA
— El Universo (@eluniversocom) February 23, 2014
Kisary maneho ny valin'ny fitsapan-kevitra natao teny ambavahadin'ny tsena momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Quito sy Guayaquil
Mbola nisy valim-pifidianana hafa nanaporofo sy nanampy trotraka ny fahavoazan'ny governemanta. Ny kandidà natolotry ny PAIS Alliance hofidiana ben'ny tanàna dia nolavin'ny mpifidy tao amin'ny tanàna lehibe indrindra miisa dimy [6] [es] — Guayaquil, Quito, Cuenca, Manta, ary Santo Domingo — aleo tsy horesahana ny faharesen'izy ireo tany amin'ireo faritra madinika.
Narehidrehitry ny fampisaintsainana mikasika ny antony naharesy ny PAIS Alliance ny tao amin'ny Twitter :
AP pierde en Quito porque pusieron a ministros, asambleístas y acólitos a fustigar y confrontar a ciudadanos por pensar diferente.
— JoseM De Oliveira (@chemadeoliveira) February 23, 2014
Resy ny AP [fanafohezana ny hoe Alianza PAIS na PAIS Alliance] satria avelany mitsikera sy miatrika ny vahoaka izay manana fomba fijery hafa ireo minisitrany, ireo olony ao amin'ny antenimiera ary ny namany.
Quito no pierde nada.. Empieza a ganar su espacio libre de la política sucia que empieza a hacer AP.. Recuerda eso #Burrera
— Christian Efrain (@smileceam) February 23,2014
Tsy very na inona na inona i Quito… Nahazo toerana malalaka avy amin'ny karazana politika ratsy nataon'ny vondrona AP izy… Tadidio tsara izany.
Actualización: AP pierde Gquil, Quito, Cuenca, Machala, Manta, Portoviejo, Loja, Duran, Milagro y Ambato. La soberbia fue castigada.
— Andres Z. (@andzambrano) 23 Febroary 2014
Vaovao farany : Votsotra tamin'ny AP i Guayaquil, Quito, Cuenca, Machala, Manta, Portoviejo, Loja, Duran, Milagro sy Ambato. Kapoka mahery ho an'ny hambom-pony izany.
Grandes lecciones para Rafael Correa; 1 No es invencible 2 La publicidad no es todo 3 La prepotencia es negativa. 4 La patria chica existe
— Henry Raad (@HenryRaad) February 23 2014
Lesona lehibe ho an'i Rafael Correa [filohan'i Ekoatora]: (1) Mety ho resy koa ianao, (2) Tsy mahavita ny rehetra ny dokadoka, (3) Tsy tsara ny fiavonavonana, (4) Aza manadino ny tany niaviana [toerana niaviana na tanàna nahaterahana]
Na dia afaka nieboebo ho nahazo taha ambony amin'ny fankatoavan'ny vahoaka [6] aza ny filoha Correa fotoana fohy talohan'ny fifidianana [es], dia toa hita fa nisy voka-dratsy ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fampielezan-kevitra [7], indrindra fa tany Quito
Niaiky [8] ny voka-pifidianana i Correa ary nilaza [9] tao amin'ny gazety El Comercio fa nisy fahadisoana telo natao tamin'ny fampielezan-kevitra : “Voalohany, ny fiaraha-niasa tamin'ireo mpitantana ny tanàna tsy mahavita azy ; faharoa, ny endriky ny fisehon'ny fampielezan-kevitra rehefa nandroso ny fifaninanana; ary fahatelo, ny tsy fananan'ny governemanta fahalalahan-tsaina.
Tsy miombon-kevitra amin'izany daholo anefa ny ao amin'ny Twitter:
El presidente Rafael Correa identifica 3 errores en Quito: en la Alcaldía, en la campaña y en la actitud sectarista. ¿Y su intervención?
— Dimitri Barreto (@ECdimitri) FebrUary 24, 2014
Nahita fahadisoana telo ny filoha Rafael Correa tao Quito: tamin'ny fitantanana ny tanàna, tamin'ny fampielezan-kevitra, ary ny tsy fahalalahana ara-tsaina. Ary ahoana kosa ny momba ny fandraisany anjara manokana ?
Lecciones para Correa: 1. La simpatia y los votos NO siempre son endosables. 2. Los errores se pagan caro 3. El pueblo castiga en las urnas
— Alfredo Carranza C. (@AlfCarranza) February 24, 2014
Lesona ho an'i Correa: 1. Tsy afaka ifanerena ny fitiavana sy ny fifidianana . 2. Vidiana lafo ny fahadisoana. 3. Ao anatin'ny vata fandrotsaham-bato no anaovan'ny vahoaka ny fanasaziana.
Na dia izany aza, tsy resy foana akory ny AP tany rehetra tany. Tamin'ny fifidianana ireo “prefets” an'ny faritany ohatra, nahazo faritra iraika ambinin'ny folo [10] tamin'ny telo ambiroapolo ny AP , nitombo isa roa raha ampitahaina tamin'ny fifidianana tamin'ny 2009. Tsy mbola vokatra feno [11] tanteraka ny mombamomba ireo ben'ny tanàna nandresy tamin'ny fifidianana tany Ekoatora, fa vinaniana [12]hahazo ny ampahany betsaka indrindra amin'ireo ben'ny tanàna ao amin'ny firenena ny PAIS Alliance.
#EleccionesEC así avanza el conteo para PREFECTURAS. pic.twitter.com/VdIEKAztiQ
— Vinicio Macas (@MacasEspinosa) Febroary 24, 2014
Toy izao ny antsiirihan'ny fifidianana ho an'ireo prefektiora
Nandeha tam-pilaminana ny fifidianana tamin'ny ankapobeny, misy ihany ireo olana vitsivitsy nitranga [13]. Niteraka fahasorenana ny fitaovana nampiasaina entina hanafainganana ny fanisam-baton'ny filan-kevi [14]-pirenena misahana ny fifidianana sy ny fanavaozana natao mikasika ny voka-pifidianana, satria mifanitsaka amin'ny fanisàna sy ny famoahana ny valim-pifidianana marina avy amin'ireo tanàna maro manerana ny firenena ireny olana ireny.
#EleccionesEC No hay datos ordenados del conteo rápido http://t.co/SNGYwddya8 pic.twitter.com/KZ45ukkYTL
— ElComerciodeEcuador (@elcomerciocom) February 24, 2014
Tsy nisy vaovao avy amin'ny rafitra nentina hanafainganana ny fanisam-bato
Nanamarika i Elector Ecuador, mpampiasa Twitter, fa ny andron'ny fifidianana dia “nahindrahindra” tao amin'ny Twitter ny tenifototra iray entina hamaritana ny PAIS ALLIANCE, raha atao amin'ny teny hafa dia nandoa vola ilay antoko mba hisongadina tsara tao amin'ilay tranonkala. Tsy midika ho fandikàna ny lalàn'ny fifidianana anefa izany.
#EleccionesEC [15] El día de votaciones, @35Pais [16] pautó en Twitter la etiqueta #TodoTodito35 [17] http://t.co/dt4jmp5GNd [18]
— Elector Ecuador (@ElectorEcuador) February 24, 2014 [19]#EleccionesEC El día de votaciones, @35Pais pautó en Twitter la etiqueta #TodoTodito35 http://t.co/dt4jmp5GNd
— Elector Ecuador (@ElectorEcuador) Febroary 24, 2014
Ny andron'ny fifidianana, nahindrahindran'ny @35Pais [16] tao amin'ny Twitter ny tenifototra #TodoTodito35 [17]
Handray ny asany ny 14 May i Mauricio Rodas, ben'ny tanàna voafidy tao Quito.
Mauricio #Rodas: “ Hoy el gran triunfador es la democracia” http://t.co/y5NXToVxfb #EleccionesEc pic.twitter.com/XKkvZsFt6T
— Diario El Telégrafo (@el_telegrafo) February 24, 2014
Mauricio Rodas: “Ny demaokrasia no tena mpandresy androany”