Habal-Habal: Moto Any Philippine Mahazaka Mpandeha Hatramin'ny 10

This Habal-Habal has extensions consisting of wooden planks across the seat of the motorcycle. Photo by Sherbien Dacalanio, Copyright @Demotix (9/8/2012)

Ity Habal-Habal ity dia nasiana fanitarana vita amin'ny hazo fisaka milahatra amin'ny sezan'ny moto. Saripikan'i by Sherbien Dacalanio, Copyright @Demotix (9/8/2012)

Olona firy no zakan'ny moto? Any amin'ny faritra sasany any Philippines, mahazaka hatramin'ny olona folo miaraka amin'ny entany ity kodiaran-droa ity. Antsoina hoe Habal-Habal na Skylab ity fomba fitaterana tsy manam-paharoa ity

Fomba fandehanana malaza any amin'ny faritra maro any Mindanao, any atsimon'i Phillipines ny Habal-Habal. Ampiasaina manokana any amin'ny faritra lavitra sady saro-dalana no kely izy ity. Mila ny Habal-Habal ihany koa ny tantsaha itondrany ny vokatra ho any an-tsena.

Mitanisa ny lanjan'ny the Habal-Habal i Skyscanner:

In Metro Manila, it is an everyday picture that you see 1 to 2 persons riding on a motorcycle. However, it is not the case when it comes to the streets of Mindanao and some parts of Visayas.

Habal-habal is a highly improvised two-wheeled single motorcycle usually ridden beyond its passenger capacity. Since it is used as public transportation especially in areas with narrow roads, and steeper, rougher terrain, it could possibly carry up to 6 passengers, at the least. Yes, some people might have said that a habal-habal could accommodate more than 10 persons, with baggages ranging from vegetables and groceries to livestock like chicken yet to be included.

Any Manila sy ny manodidina, zava-pahita ny mahita olona iray na roa mandeha moto. Saingy tsy izany kosa no mitranga rehefa mizotra manaraka ny lalan'i Mindanao sy ny faritra sasany any Visayas ianao.

Kodiaran-droa miaraka amin'ny ketrika be dia be ny habal-habal ary mitondra olona mihoatra noho ny tokony ho zakany. Hatramin'ny nampiasana azy ho fitaovam-pitaterana, indrindra fa any amin'ny faritra feno lalana tery, mikitoatoana sy sarotra izorana, mahazaka hatramin'ny mpandeha 6 izy raha kely indrindra. Eny , azo lazaina fa mahazaka mpandeha mihoatra ny 10 ny habal-habal iray, ary miaraka amin'ny anana sy ny haninkotrana mbamin'ny biby fiompy tahaka ny akoho ohatra.

TravelingMorion tolagaga amin'ny fahaizan'ny mpanamory Habal-Habal mitondra sy mitoboka (mitazona ny “équilibre”):

A big help to locals usually living in mountainous areas wherein roads are mostly not accessible by 4 wheel vehicles. Interesting about this mode of transportation is that the ability/skill of the driver to balance considering the weight of the passengers from side to side, front, plus another 3 to 4 persons at his back.

Mahala olana tokoa ho an'ny mponina be tendrombohitra sady tsy tongan'ny fiarakodia tsy mataho-dalana (4X4). Ny mahaliana amin'ity fitaterana ity ny fahafahana/fahaizan'ny mpanamory mitoboka ny mpandeha andaniny sy ankilany, aloha, miampy mpaneha 3 na 4 hafa aoriana.

Mba hahafahana mitondra mpandeha maro kokoa, dia nampiana hazofisaka ny moto. Izay no antony iray iantsoan'ny olona maro azy ho Skylab:

Habal-Habal is now used interchangeably with the word “Iskaylab,” believed to be taken from the damaged U.S. space satellite named “Skylab” that plunged to Earth from space in 1979. Other conflicting account suggests a contraction of the phrase “sakay na, lab!” which literally means “get on, love!” Personally, it is my opinion that the term was most likely adopted from the former than the latter because of the wooden plank extension placed at the back seat across the motorcycle's main body which serves as additional seat to hold more passengers and, therefore, closely resembling the Skylab and its protruding satellite wings.

Ny Habal-Habal moa amin'izao fotoana izao dia ampiasaina hifanolosolo amin'ny voambolana “Iskaylab,” izay eritreretina ho nindramina avy amin'ny zanabolana amerikana (etazonia) simba antsoina hoe “Skylab” izay nianjera teto an-tany avy eny an'habakabaka tamin'ny 1979. Misy indray milaza fa avy amin'ny fanakambana-teny hoe “sakay na, lab!” izay midika ara-bakinteny manao hoe  “miakara ry malala !” ny teny. Araka ny hevitro manokana dia noraisina avy amin'ny fanazavana voalohany ilay voambolana fa tsy avy amin'ilay fanazavana faharoa noho ny fisian'ny hazofisaka napetraka ao amin'ny seza aorian'ny moto ka manaraka ny vatatenany ary ampiasaina hametrahana mpandeha bebe kokoa, sady mitovitovy endrika amin'ny Skylab sy ny elany mivelatra maha-zanabolana azy.

Indray mandeha i Doctrine nahita ambulance Habal-Habal ary diso fanantenana tamin'ny governemanta:

It makes me angry to see many such ambulances in Metro Manila being used for personal travel while communities in dire need of emergency vehicles can only improvise with the habal-habal to get people to hospitals.

It’s a shame that our government can spend a lot or engage the private sector in major projects while hundreds or even thousands of communities remain under-served for basic needs including access to schools, hospitals and workplaces.

Mahatezitra any ny mahita ambulances (fiara mpitondra marary) maro dia maro eto Metro Manila handehandehanan'olo-tsotra hafa manokana anaovany izay tiany atao nefa vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana maro no mila fiara maro hanaovana vonjy taitra ka voatery miketrika mampiasa habal-habal hitondrana olona mankany amin'ny hopitaly. Mahamenatra ny mahita ny governemanta mandany volabe na mampiditra ny tsy miankina amin'ny tetikasa goavana maro nefa vondrom-paritra an-jatony na an'arivony aza no tsy manana ny filàna fototra ka anatin'izany ny sekoly, hopitaly ary toeram-piasana

Mandehana mora…skylab.

Iray amin'ny fomba fitaterana any amin'ny faritra visayan… HABAL-HABAL…

Misy ny Habal-Habal sasantsasany mitafo:

Ao anaty “Skylab” tany Agusan del Sur! Kodiaran-droa mahazaka olona 10! #Andaohitsangatsangana

Navadika ho “habal-habal” ity #Honda TMX155 ity. Afa-mitondra olona 8 izy io miaraka amin'ny mpanamory 🙂 Masaka e!

Na dia eo aza ny lazany, dia fomba fitateram-bahoaka tsy ara-dalàna ny Habal-Habal. Na izany aza, misy mpanao lalàna iray ao Mindanao nanolo-kevitra haha-ara-dalàna ny Habal-Habal.

Fampitandremana : Sady tsy ara-dalàna no mampidi-doza ny Bawal ang Habal-Habal

A Habal-Habal in Cabadbaran City. Photo by Sherbien Dacalanio, Copyright @Demotix (9/8/2012)

Habal-Habal ao an-tanànan'i Cabadbaran. Saripikan'i Sherbien Dacalanio, Copyright @Demotix (9/8/2012)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.