
Sary avy amin'i Gabriela Biscário ho fanomezam-boninahitra an'ny 100xCláudia tao amin'ny bilaogy Think Olga.
[Mankany amin'ny pejy miteny Portiogey avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana hafa.]
Nandeha nivoaka hividy mofo-dipaina i Claudia Silva Ferreira, 38 taona tamin'ny Alahady 16 Marsa 2014. Tao amin'ny faritr'i Morro da Congonha izay toerana onenany ao an-tanànan'i Rio de Janeiro, tafiditra tanatin'ny fifampitifirana teo amin'ny andia-polisy-miaramila faha-9 sy ireo mpanao trafika rongony i Silva Ferreira. Voatifitra izy, ary nampidirin'ny polisy tao anaty fiara mba hoentina eny amin'ny hopitaly Carlos Chagas. Namoy ny ainy noho ny ratra be nahazo azy anefa izy.
Anisan'ny tantara hafa amin'ny herisetra an-tanàndehibe ity tranga ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny fomba nitondran'ny polisy an'i Claudia. Natsipy tao aorian'ny fiara Chevrolet Blazer an'ny polisy miaramila izy. Nisokatra ny varavaran'ilay aorian'ny fiara rehefa nandeha ilay fiaran'ny polisy, tsy fantatra ny antony nampisokatra azy, ka nahasaringotra ny akanjon'i Claudia ilay varavarana. Nianjera tamin'ny fiara izy avy eo ary notaritaritina tambonin'ny asfalta 250 metatra.
Niteraka andianà fanehoan-kevitra antserasera ity tranga ity, anisan'izany ny fanomezam-boninahitra azy tao amin'ny bilaogy Pensez Olga, izay manasa ireo mpanakanto sy mpiserasera mba haneho an-tsary na an-tsoratra an'i Silva Ferreira ao anaty fahamendrehana, tsy tahaka ny minitra farany niainany:
A mulher arrastada pela Polícia Militar tinha nome – Cláudia Silva Ferreira. Cláudia também tinha família. E sonhos, coragem, dores e medos como qualquer ser humano. As denúncias da barbárie ocorrida são importantes e elas não devem cessar. Mas fugir do sensacionalismo e humanizar esse momento também é. Por isso, nos propusemos a retratar Cláudia com mais carinho do que o visto nos últimos dias.
Nanana anarana ilay vehivavy notaritarin'ny polisy – Claudia Silva Ferreira. Manana fianakaviana ihany koa i Claudia. Ary manana nofy, herim-po, alahelo sy tahotra tahaka ny olombelona rehetra. Zava-dehibe ny fiampangana ny habibiana izay niseho ka tsy tokony hitsahatra. Saingy zava-dehibe ihany koa ny famelomana am-panahy ity fotoana ity. Koa noho izany, nanapa-kevitra izahay mba haneho an-tsary an'i Claudia amin'ny fomba feno fitiavana tsy araka ny hitantsika tao anatin'izay andro vitsy izay.
Naharay fanehoana an-tsary maherin'ny 100 avy amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena tao anatin'ny 24 ora monja ny tetikasa, nomena anarana hoe 100 Vezes Cláudia (Claudia in-100). Mbola marobe ireo sary tonga, ka natsangana ny pejy faharoa nomena anarana hoe Mais100 Vezes Cláudia (Claudia in-100 mahery ), izay feno fanomezam-boninahitra am-polony. Iray amin'ireo hevitry ny mpikarakara ny hanao fampiratiana amin'ireo fanehoana an-tsary ireo ary handefa ny sasany amin'izany any amin'ny fianakavian'i Claudia.
Topazo maso ireto sombin-tsary ireto:

“Ho fahatsiarovana sy ny rariny hoan'i Claudia Silva Ferreira – 16.03.2014.” Sary avy amin'i Aline Valek hoan'ny 100xCláudia, Think Olga.

Sary avy amin'i Sara Storrer hoan'ny 100xCláudia, Think Olga

Sary avy amin'i Lethycia, mpianatr'i Cristiane Schifelbein hoan'ny 100xCláudia, Think Olga

Sary avy amin'i Gui Soares hoan'ny 100xCláudia, Think Olga
Namorona lahatsary ahitana ireo angon-tsary nalefa hoan'ny #100xCláudia i Lucas Torres Matuda:
Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ny zava-nitranga, vakio ny lahatsoratr'i Raphael Tsavkko ao amin'ny Global Voices, “(Ilay Vehivavy Notaritaritina sy Novonoin'ny Polisy Breziliana)“[fr]